Généralités
Fandaharam-pianarana Malagasy TA
SOKAJY «A»
Tanjon’ny taranja
Toy ny teny rehetra fampiasan’ny firenen-tsamihafa eran-tany, ny teny
Malagasy dia fitaovana mahomby ahafahana mamolaka sy mifehy ny fahalalana;
Ny fahaiza-manao ary ny tetika anabeazana feno ny maha olona
(vatana, saina, fanahy) sy ahazoa-mivelatra eo amin’ny lafim-piainana rehetra.
Noho izany, ny fampianarana ny teny Malagasy dia tokony hitaiza ny mpianatra:
· Hahalala ny kolontsaina sy ny rafi-pisainana Malagasy manaraka ny fivoaran’ny tantara;
· Ho afaka mitia sy mikolo ary mandamina ny haren-tsaina Malagasy no sady afaka misokatra amin’ny haren-tsain’ny hafa;
· Ho matotra eo amin’ny fifampikasohany amin’ny hevitra isan-karazany: sady mahay mihaino no afaka maneho mazava sy manohana ny heviny;
· Hanana saina liana amin’ny fivoarana sy tia fandrosoana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany;
Tanjon’ny taranja Malagasy aty amin’ny ambaratonga fahatelo
Ny mpianatra nahavita ny fianarana ato amin’ny ambaratonga fahatelo dia afaka:
· Mitia sy mikolo ary miaro ny haren-tsaina Malagasy;
· Manana saina matotra sy mahay mandanjalanja ary tia karokaroka;
· Manaporofo ny fananany saina mahay mamakafaka ary maneho sy man,ohana ny heviny;
· Mikirakira sy mampiasa ny teny Malagasy amin’ny maha-fitaovam-panehoan-kevitra sy fifandraisana azy;
· Manakatra ny haren-tsain’ny firenen-kafa ary misokatra amin’ny fahalalana iombonan’ny zanak’olombelona
Tanjona ankapobeny ato amin’ny kilasy fahatelo
Ny mpianatra nahavita ny kilasy famaranana dia afaka:
· Mifehy ny tanjona rehetra tany amin’ny kilasy teo aloha;
· Manakatra ny hevityra rehetra mifampikasoka aminy ao main’ny sehatra samihafa;
· Manaporofo ny fananany saina matotra sy matsilo, voataiza tamina vakomanitra feno sy ampy;
· Manakatra ny rafi-pisainana malagasy, ny fiheverany ny amin’ny tontolom-piaraha-miainy ary ny fivoaran’izany manaraka ny tantara
Lanjan’ora
Ora 4 isan-kerinandro
Malagasy TA
Ny Malagasy sy ny fiheverany
ny tontolony
Faharetany: ora 50
Tanjona ankapobeny:
Aorian’ny fianarana ny amin’ity took ity ny mpianatra afaka:
· Mampitaha ny harentsaina Malagasy amin’ny an’ny firen-kafa;
· Manaiky ny fahasamihafana eo amin’ny lafiny kolon-tsaina ary tsy manao izany ho sakana(ho azy) amin’ny fampiivelarany ny tenany sy ny manodidina azy;
· Mitia sy mikolo ny hatren-tsaina Malagasy ary manaja ny an’ny hafa;
· Mandanjalanja ny fihetsiny amin’izay rehetra ataony sy amin’ny fifandraisany amin’ny manodidina;
· Mandrindra ny fahaizana amam-pahalalana norantoviny amin’ny soatoavina sy/na ny filan’ny fiaraha-monina misy azy araka ny fivoaran’ny tantara
Tanjona manokana
Vontoatiny
Fanamarihana
Mpianatra afaka:
· Manakatra ny rafi-pisainana malagasy ny amin’ny fiheverany ny olombelona sy ny fifampitondrany
· Mamantatra ny fiheverana samihafa ny amin’ny antsoina hoe “olona”
· Manoritsoritra ny fifansraisan’ny fanahy sy ireo singa mahaolona ny olona
· Manombana ny anjara toerana tokony homena ireoi endri-poifandraisana ireo manoloana ny zava-misy ankehitriny
· Mamakafaka ny fiheveran’ny Malagasy ny amin’ny vokatry ny tsy fahalavorarian’ny fifampitondrana sy ny fifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina
· Mamaritra ny fahasamihafan’ny “tsiny” sy ny “tody”
· Manoritsoritra ny vokatry ny finoana azy eo amin’ny fiaraha-monina
· Mamaritra ny lafi-kevitra ifotoran’ny finoana ny tsiny sy ny tody mba hahaizana mamadika izany ho hery azo fehezina hoenti-mampivelatra ny maha-olona
· Manakatra ny fiheverana Malagasy ny amin’ny fifandraisan’ny tontolo hita sy ny tontolo tsy hita
· Mamantatra ireo karazan’kery inoany fa mifaningotra amin’ny zotram-piainany
· Manoritsoritra ny fifandraisana sy ny fahasamihafana misy amin’ireo hery ireo tsirairay avy
· Manombana ny anjara toeran’ireo hery ireo amin’ny fiainam-piaraha-monina
· Maminavina ny fomba hamadihana ny finoana azy ho hery azo ampiasaina amin’ny fampivelarana ny maha-olona
· Mamantatra ny fiheverana ny amin’ny hery inoana fa mitantana ny fiainany ary antoky ny fisiany
· Mamaritra ny antsoina hoe: Andriamanitra, Zanahary, Razana
- Manoritsoritra ny endrika isehoan’ny araka ny fiheverana azy
- Mamakafaka ny hevitra fotra ilafihan’ny finoana azy, manoloana ny fampivelarana ny maha-olona
-
· Manakatra ny hevitra fototra ilafihan’ny fiheveran’ny Malagasy ny amin’ny aina sy ny tontolo misy azy
▼Ny amin’ny olombelona sy ny ny fifandraisany
▼Ny fanahy
· Famaritana samihafa
· Ny fanahy sy ny hasina, ny saina, ny eritreritra, ny aina, ny hery, …
· Ny lanjan’ny “Fanahy” eo amin’ny fampivoarana
▼ Ny tsiny sy ny tody
· Famaritana, ny toetrany, ny loharanony…
· Ny lanjany
· Ny finoana ny tsiny sy ny tody manoloana ny fampandrosoana
▼ny finoana sy ny hery tsy hita
▼ny anjara, ny lahatra, ny vintana ary ny tendry
· Famaritana ny toetrany, ny loharanony…
· Ny lanjany
· Ny finoana ny Anjkara, ny Lahatra, ny Vintana, … manoloana ny fampandrosoana
▼Andriamanitra, ny Zanahary ary ny Razana
· Famaritana
· Ny toetrany sy ny lanjan’ny finoana azy
· Ny finoana amam-pivavahana sy ny fampandrosoana
▼Ny fitsimbinana ny aina, ny faharetan’ny taranaka
· Anisan’ny fahalalahana fototra ilaina amin’ny fianarana ity took ity ny mikasika ny marina, ny rariny ary ny hitsiny. Noho izany dia ny valin’ny tombana nandrefesana ny fahafolahan’ny mpianatra ny amin’ireo lohahevitra ireo no amerana na famerenana sy/na fandalinana no atao
· Famaritana ara-piforonan-teny, araka ny fiheverana nentim-paharazana sy nentim-bahiny, famaritana nataona mpanoratra na olon-tsotra…
Asa azo tanterahina:
· Fanadihadiana lahatsoratra iaraha-manao
· Famelabelaran-kevitra ataona sokajy rahina adihevitra sy fandravonana…
· Valan-dresaka anasana tompon’andfraikitra eo amin’ny lafiny finoana, fanabeazana…andraisan’ny mpianatra anjara(fanontaniana, adi-hevitra,…)
· Aadihevitra iaraha-manao tarihin’ny mpampianatra
· Famelabelaran-kevitra ataona sokajy arahim-pitsekerana sy fanolorana soso-kevitra (ny sokajy no mitarika ny adihevitra)
· Fanakarana ny hevitra raiketin’ny teny sy ny zavatra ampiasaina amin’ireo fomba amam-panao sy ny lahabolana samihafa
· Famaritana ara-piforonan-teny
· Fampitahana, eo main’ny lafiny fiheverana azy, ny endrika isehoany, ny loharanony, iaraha-manao, miainga amin’ny fikarohana( fanangonana tamina tahirin-kevitra…)nampanaovina mialoha ny tsirairay n any sokajy tsirairay
· Raha ilaina dia tsar any anaovana famerenana sy fanatevenana ny fahalalana momba ireo lohahevitra efa hita tany aloha ka mifandrohy amin’ity lohahevitra ity.
· Adihevitra na fanadihadiana literatiora tarihin’ny mpampianatra
· Famelabelaran-kevitra tarihin’ny mpampianatra na sokajy iray
· Fanazavana tsotsotra ny antsoina hoe: “hery tsy hita”; Fitanisanba azy ireny.
· Famaritana miainga amin’ny fiforonan-teny
· Fampitahjana miainga amin’ny hevitra mpanoratra na olon-tsotra mikasika ireo karazan-kery ireo (vaky boky, sy/na fanadihadiana mivantana) arahina fandravonana
· Adihevitra andraisan’ny tsirairay anjara ary tarihin’’ny mpampianatra na sokajy iray
Asa azo tanterahina
· Famaritana ara-piforonan-teny
· Fanadihadiana lahatsoratra na lahabolana
· Valan-dresaka anasana ireo tmpon’andraikitra ara-pinoana samihafa, andraisan’ny mpianatra rehetra anjara (adihevitra, fanontaniana,sns)
Asa azo tanterahina
· Fampitahana ny fomba amam-panao sy/na lahabolana misy amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy ka itrandrahana izay fototra iraisan’izy ireny isan-tokony, miainga amin’ny hevitry ny teny sy ny fihetsika ary ny zavatra ampiasaina
· A songadina amin’izany fa ny tahotra ny aina, ny hampaharitra ny “karazana” no fototra ilafihan’izy ireny
Fanamarihana ankapobeny
Mazàna dia tena vitsy ny tahirin-kevitra vita soratra (lahabolana na lahatsoratra) ahitana hevitra fenoi mikasika ny singa ianarana. Noho izany dia fomba maro no entina manarina izany lesoka izany. Voalohany dia tokony ho fitaovana iainganamonja izay lahgatsoratra eo am-pelatanana. Fanitarana amin’ny alalan’ny adihevitra , valman-dresaka iantsoana olona na fikambanana sns na ifanaovan’ny samy mpianatra no amenoana izany. Azo atao ihany koa ny mampanao fanadihadiana tahirin-kevitra ny mpianatra isaky ny sokajy na isaka ny lohahevitra , ary maneho izany amin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra arahin’adihevitra na fanamarihana (arakaraka ny zava-mitranga), tatitra vaky boky, tatitra toe-javatra sns.
Ny tena tsara indrindra dia ny fanatrehana fomba amam-panao na fijerena horonan-tsary na fihenoana horonam-peo mirakitra fomba raikitra iray azo itarafana ny lohahevitra ianarana.
Mikasika ny teknika hoenti-mitrandraka nt hevitra kosa( teknikan’ny fanadihadianba lahatsoratra na lahabolana, ny teknikan’ny famakafakana hevitr’olona, ny teknikan’ny fibangoana, ny famelabelaran-kevitra, ny tatitra vaky boky, ny tatitra toe-javatra,…) dia anokanana ora 20 ny fampianarana izany.
Azo ambara miompana amin’ny filôzofia Malagasy ny famaranana ny lesona mikasika ny riba: “Ny fiheveran’ny Malagasy ny olombelona sy ny tontolony ary ny fiainana”. Noho izany dia miankina betsaka amin’ny fitarihan’ny mpampiantra amin’ny fanakarana izany amin’ny alalan’ny fanjohina ny hevetry ny teny sy fihetsika ary ny ny zavatra ampiasaina amin’ireo fomba amam-panao samihafa fahita manerana ny Nosy ny fanatrarana ny tanjona. Asongadina amin’izany fa toy ny olona rehetra, ny Malagasy dia mikatsaka hatrany ny loharano ny ny antom-pisiany ary manao izay hampateza ny fisiany, ny ainy izay mifamatotra sy mifandrindra amin’ny tontolo misy azy (hita sy tsy hita)