Généralités
ANDRIAMANITRA SY ZANAHARY
1- Famaritana
1.1 Ara-piforonan-teny
- Ny teny hoe Andriamanitra izay avy amin’ny teny Sanskrita hoe adhya + atman na teny Indoneziana hoe adhya + manis, dia samy midika hoe fanahy foto-piavian’ny zavatra rehetra;
- Ao koa ny hoe Andriamanitra : andriana + manitra, ilazana ny razamben’ny andriana.
- Avy amin’ny teny sanskrita hoe yan + hari, midika hoe Izay + nahitana masoandro, araka izany, ilazana ny loharano nipoirana (Masoandro amam-bolana) ny Zanahary. Ilazana ilay Ray voalohany indrindra raha tsorina .
- Teo amin’ny Malagasy, ny zanahary ihany koa dia avy amin’ny teny hoe: razana + nahary, izay midika hoe, razam-ben’ny vahoaka.
· Adhya : Foto-piaviana, fiforonana
· Atman : Fanahy
· Manis: Manitra, fahatsarana, fahamasinana
· Andriana: andry ianteherana, ambony, manan-kaja
· Yan : izay, na fanahy
· Hari : masoandro
1.2 Ara-keviteny:
Ny hery ambony indrindra mahavita ny tsy vitan’ny olombelona
Hery tsy hita maso inoana fa namorona ny zava-drehetra,
Fanamarihana
- Andriamanitra: teny nanavahana fiandrianana tamin’ny vanim-potoana faha mpanjaka, izany hoe Razan’ny mpanjaka.
- Zanahary: avy amin’ny Teny indoneziana INC* hoe: Yan Hari: Johary : masoandro, hazavana.
- Nantsoina hoe zanahary ihany koa ireo mpanjaka efa maty
- Nantsoina hoe Andriananahary ihany koa izy
- Iray ihany ny Andriamanitra sy ny Zanahary fa ny fotoana niantsoana azy no maha samy hafa ny anarany, fa samy hery iankinan’ny velona izy ireo.
2- : Ny toetrany
- Tsitoha
- Tsy hita maso
- Manan-kasina
- Mahagaga
- Manana fahefana amin’ny zavatra rehetra
- Mahita sy mahalala ny miafina rehetra
- Manerana izao rehetra izao
- Be famindram-po
3- : Ny anjara asany
- Mpamorona izao rehetra izao
- Noheverina fa mitahy
- Mpandahatra ny fiainan’olombelona
- Momba sy miandany amin’ny malemy
- Mamaly ny olona araka ny ataony; raha manao ratsy dia valiany ratsy, raha manao ny tsara dia valiany tsara
4- : Vokatry ny finoana
4.1 Tsara
- Mahatonga ny olona hanana faharetana
- Mahatonga ny olona hiezaka hatrany
- Mampirindra ny fiarahamonina
- Mifehy ny fitondran-tenan’ny olona
- Mampisy fanantenana eo amin’ny fiainana
- Filan-kevitra raha misy olana mahazo ny tena
- Miteraka fitahiana (mampanakarena, mahasalama, mahaaro amin’ny loza
4.2 Ratsy
- Ataon’ny olona fanafenana ny ratsy atao
- Miteraka hakamoana eo amin’ny olona ny fiandrasana azy
- Mampihena ny andro amokarana ny fanajana
- Miteraka fanavakavahana
- Manome vahana ny mpanao ratsy ny fahelan’ny fanasaziana ataony
5- Ohabolana sy oha-pitenenana
- “Ambony fipetraka Andriamanitra fa ambany fijery”
- “Avo fijery Andriamanitra ka mahita ny takona”
- “Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha”
- “Aza mandidy alohan’Andriamanitra toy ny mpanotrika atody”
- “Fikasana an’olombelona, fa didy an’Andriamanitra”
- “Rafotsibe mita rano, ka izay mahasoa ataon’Andriamanitra na ho tafita na ho rendrika”
- “Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahorana”
- “Aleo meloka amin’olombelona toy izay meloka amin’Andriamanitra”
- “Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andriko ihany”
- “Tsy misy tsy fantatr’Andriamanitra, fa saingy minia miondrika Izy”
- “Manao Andriamanitra tsy misy, ka mitsambiki-mikimpy”
- “Bibilava vinono: tsy manan-tanan-kamely, fa Andriamanitra no andrasana”
- “ Mandeha irery sahalain’Andriamanitra, mandeha roa sahalain’olombelona”
- “Toy ny masoandro ny fahasoavan’Andriamanitra, ka mitsidika ny isam-baravarana”
- “Voly varin ‘Andriamanitra ny olona, ka izay tiany halaina no alainy, ary izay tiany havela no avelany”
- “Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro, fa ny olona no be siasia”
- “Andriamanitra nanome fa i Balita no tsy nambinina”
- “Zanahary tsy mitahy mandry”
- “Zanahary tsy tia ratsy”
- “Tarehy ratsy nataon-Janahary, tsy vanon-kisaronan-doha”
- “Aza mandika ny soan-janahary”
- “Zanahary nahary tongotra aman-tanana”
- “Tsara tarehy tsy endrehin-dravaka, avelao hitoetra amin’ny vitan-Janahary”
6- Tenina mpandinika
- RATREMA William: “Andriamanitra no niantsoany an’io hery ambony indrindra noho ny hery rehetra io”
- RANDRIAMIADANARIVO: “Tamin’ireo Ntaolo dia tsy nisy masina afa-tsy tokana dia Andriamanitra Andriananahary”
- E.D. ANDRIAMALALA: “Manana mpitsara tsy mety diso amin’izay hataoko aho, dia Andriamanitra”
- Michel ANDRIANJAFY: “Tena Andriamanitra tsy tia ratsy izao Andriamanitra ao izao”
- FETY Michel:
- “Mino marimarina izy fa misy Andriamanitra izay ambonin’ny zavatra rehetra sy manara-maso ny fiainan’ny olona tsirairay, ary mamaly azy araka ny asany avy.”
- “Fatra-pivavaka ny Malagasy”
- “Nohamaivanin’ny fanabeazana frantsay naroso teto io finoana sy tahotra an’Andriamanitra io”
- “Mihalevona izany tahotra an’Andriamanitra izany ankehitriny eto Madagasikara”
- “Mitombo isa ny mpanao fanahin-jiolahy satria tsy misy intsony ny tahotra an’Andriamanitra”
- NTAOLOZANDRINY:
- “Miandany mandrakariva amin’izay tsy manam-piahy Andriamanitra”
- “Avy amin’Andriamanitra avokoa ny fitahiana sy ny fanambinana rehetra”
- R.P. RAHAJARIZAFY: “ Tena mino an’Andriamanitra raha ny Malagasy »
- Adolphe RAZAFINTSALAMA : « Mahefa izao rehetra izao Andriamanitra »
- « Tsy mianina fotsiny amin’ny fahalalana ny soa sy ny ratsy ataon’olona Andriamanitra, fa mamaly azy”
- Michel RANDRIA
- “Andriamanitra tokana nantsoiny hoe zanahary ihany no ninoan’ny Malagasy”
- “Ny zanahary no tompo nahary ny zava-drehetra sy tompon’ny aina rehetra…”
- “Ny Andriamanitra fahizay dia tsy mba anaran’ny Zanahary, fa anaran’Andriamanjaka efa maty”
- RANDRIANJOANIMANANA Olivier:
- “Fitaovana nentin’ny olona sasany handemen-tsaina fotsiny ny finoana an’Andriamanitra”
- “Ankehitriny, toa mampizarazara hevitra ary mampisaraka ny mpianakavy mihitsy aza ny fisian’ny antokom-pivavahana amin’Andriamanitra maro samy hafa”
- “Zava-poana ny fikelezana aina hanatsara ny fiainana raha tsy eo Andriamanitra manolo-tsaina hanatontosana izany”
- I.P. ANDRIAMANGATIANA:
- “An’Andriamanitra ny fahamarinana…”
- “Misaotra anao izahay, ry Andriamanitra. Fa na toy inona hadalanay, tianao foana, na toy inona hamavomavoanay, zanakao ihany”