Allgemeines
NY AINA
1. Famaritana :
Ny aina dia fototry ny fahavelomana ao amin’ny zavaboary manana aina rehetra. Fanomezan’Andriamanitra amin’ny maha Tompon’ny aina azy io aina io, noho izany tsy azo atao tsinontsinona, tsy azo vonoina.
2. Toetry ny aina
- Tokana ny aina
- Sarobidy ny aina.
- Marefo ny aina
- Malemy ny aina
- Manam-petra
3. Antony hitsimbinana ny aina
Tsy maintsy tsimbinina ny aina satria:
- Sarobidy
- Tsy ananam-piry
- Finoana fa avy amin’Andriamanitra izy
- Fitohizan’ny taranaka
4. Ny tokony hatao
- Ny fanohanana azy : sakafo, torimaso, fanatanjahantena, fahadiovana, fitsaboana,…
- Fahaiza-mitondra tena eo amin’ny tany ama-monina
- Fisorohana ny tsiny sy ny tody izay mety haningotra ny aina
- Fanajana ny fomba amam-panao
- Fanarahana ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fiarahamonina
5. Ireo vokatry ny fitsimbinana ny aina
Tsara
· Mampisy lanjany ny fiainana
· Mahatonga filaminana sy firindrana eo anivon’ny fiarahamonina.
· Mampisy fivoaram-piainana
· Mampisy fanabeazana ny taranaka
· Fahatahorana ilay Tompon’ny aina
Ratsy
· Tsy fahasahiana manao sorona ny aina
· Fitiavan-tena
· Manao ny tsy fanao
…
6. Ohabolana sy ohapitenenana
- “Ny aina Ramangatahiana, ny vola Ramangakatsahina”
- “Izay iray vatsy iray aina”
- “Tsy mitsontsorika avy any an-danitra, tsy mitrebona avy amin’ny tany ny aina fa nolovaina tamin’ny razana”
- “Mahery tsy maody tsy ela velona”
- “Ny aina toy ny zavona ka tsy hita izay anjavonany”
- “Lahy tokana ny aina”
- “Mahery tsy maody tsy ela velona”
- “Ny aina toy ny tavim-bilany, tsy hita izay ahavakisany”
- “Aza mitomany handatsaka aina toa bala”
- “Aza manao tovolahy be daka: ny andro iainana mbola ho lava fa ny tovon-karena ho lany”
- “Voalavo sasatry ny miaina ka mandalo ambany saokan’ny saka.”
- “Tehin-kibo am-piakarana, tsy haingo fa tohan’aina”
- “Sandry be tsy ody faty, ranomaso tsy mahatana aina”
- “Ny aina tsy afaky ny tompony.”
- “Aza manary olona tsy afaka aina.”
- “Raha indrindra ho faty ihany, dia aleo maty zanak’anabavy.”
- “Tehin-kiho am-piakarana ,tsy haingo fa tohan’aina.”
- “Marary be tsy mahatelin-kanina ka manafaingan-tena.”
- “Tanora be sondrotr’aina ka ho faty alohan’ny marary.”
- “Ranomaso tsy mahatana aina.”
- “Raha maty aho, matesa rahavana, raha ho faty rahavana matesa raomby”
Tenina mpandinika
- Michel RANDRIA: “Zanahary no tompo nahary ny zava-drehetra sy tompon’ny aina rehetra”
- R.P. RAHAJARIZAFY: “Amin’ny fitsimbinan-tena: raha tsy mitandrina ianao, moa tsy holazoin’aretina sy ho fatifaty foana”
- RANDRIANJOANIMANANA Olivier: “Ny tsy fahaizan’ny olona iray mitsimbina ny ainy dia miteraka fahavoazana ho an’ny tenany sy ny mpiara-belona aminy ary ny firenena manontolo mihitsy aza”
- DADAMBOA: “Ny fahaizana mitsitsy no iray amin’ny mahahendry, fa biby ambanin’ny renin-tantely ny tsy miahy ny ho avy”
- “Ny fitsitsiana dia tsy fihafiana tsy akory fa fahaizana mandanjalanja ny fiainana”
- RAZAFIARIVONY Wilson:
“ (…)
Atsy ho atsy antenaina
Ho velona doria ny aina
Efa misy izao misangy
Mamoron-jaza an-tavoahangy”
- Jean NARIVONY: Ny aina
“Io no aina tsy mba roa
Ka tandremana ery,
Tsy voavidin-java-tsoa
Sady maro mpankafy”
- Alphonse RAVOAJANAHARY : “Marefo ihany moa ity ain’olombelona ity.”
· Dox: “Fantatro fa tsy eto ny toerana doria fa ny aina dia nindramina ka ho vovoka ny tena.”
· Erika: “Aina lany itadiavam-bola, vola azo itadiavana aina”
- R.P. RAHAJARIZAFY: “Amin’ny fitsimbinan-tena: raha tsy mahatandrina ianao, moa tsy holazoin’aretina sy ho fatifaty foana”;
- “Mamy ny aina ary ny mahamamy azy indrindra dia ny fihavanana”
- RANDRIANJOANIMANANA Olivier: “Ny tsy fahaizan’ny olona iray mitsimbina ny ainy dia miteraka fahavoazana ho an’ny tenany sy ny mpiara-belona aminy ary ny firenena manontolo mihitsy aza”
- Gilbert RATSIMBAZAFY: “Ny lasa tsy mba miverina ka hadalan’izay mandany ny androny amin’ny sira latsaka an-drano: ny fitandremana ny fiainan-ko avy sisa no lesona tsotra”
- Jasmina RATSIMISETA: “Izay mampody fahasalamana dia manome aina fa izay mandrava azy dia mitovy laharana amin’ny mapamono olona”
- “Ny fahasalamana tsy ho an’ny tsy mahava-tena”