Généralités
FAHALALANA SY FAHENDRENA
A - FAHALALANA
1- Famaritana
1-1 Ara-piforonan-teny :
Avy amin’ny fototeny hoe : « lala », midika hoe fantatra, ahazoana ny matoanteny hoe mahalala ny fahalalana; ny heviny dia mahay, ilazana ny hoe nianatra ka mahafantatra na mahafehy zavatra iray. Azo lazaina, araka izany, fa azo raisina ho toy ny « fahafantarana » na « fahaizana » ny fahalalana.
1-2 Ara-kevi-teny :
Fahaizana ilaina amin’ny fampivoaran’ny olombelona ny fianany eo amin’ny famolahany ny tontolo manodidina azy ny fahalalana .
1-3 Araka ny mpanoratra
Charles RANAIVO: « Ny fahaizana amam-pahalalana dia fananana angonina ao an-tsaina.»
RAVELOJAONA: “Ny fahalalana dia toetra ambonin’ny lanjam-bintana sy harena.”
1-4 Ny hoe olona manam-pahalalana
· Tamin’ny andro fahiny, olona mifanohana sy mifanampy ara-kevitra amin’ny mpiara-belona aminy ny hoe manam-pahalalana
· Manam-pahalalana ihany koa ny olona iray raha mahay mandinika ny toetra anaty mifamatotra, mifehy ny zavaboaary ary manana ny fomba fiasa maneho ny maha malagasy azy, nefa tsy misakana ny fisokan’ny fomba fijery amin’ny any ivelany ihany koa.
· Olona tia fandrosoana ary tsy miantehatra amin’ny zavatra tsy hita maso ihany koa ny manam- pahalalana fa miezaka hatrany hanazava ny fisian-javatra samihafa.
Tsy azo tombanana amin’ny filazam-pahalalana na ny fitsarana ivelany ny tena fahalalana sy fahaizana fa herin’izany fahalalana izany ny fahatsiarovan-tena : hanondrotra ny fiainany, hanova ny toe-tsainy , hanova ny fijeriny, hanatsara sy hahamasina ny fitondran-tenany.
2- Ny vokatry ny fahalalana
2.1 Tsara
- Mampandroso ny firenena iray ny fahalalana
- Manafaingana ny fandrosoan’ny haitao sy hairaha ny fananam-pahalalana
- Mampiakatra ny toerana misy ny olona eo amin’ny fiarahamonina ny fahalalana satria mitana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina ny manam-pahaizana
- Mahatonga ny olona hanana ny fahaleovan-tenany fa tsy voatery hiankina amin’ny hafa ny fahalalany
- Manafaingana ny fandrosoan’ny hafa sy mitondra fahazavana ho an’ny isam-batan’olona ny fananam-pahalala
2.2 Ratsy
- Tsy manam-pinoana matetika ny manam-pahaizana, fa miantehitra amin’ny hita maso, ohatra, tsy finoana ny nentin-drazana toy ny famadihana (fitahian’ny razana), finoana ny tsiny, …
- Miteraka fitiavam-bola sy fitiavam-boninahitra diso tafahoatra
- Mahatonga fanadinoana ny namana sy fanavahan-tena
- Mahatonga hafetsifetsena sy fanambakana ho an’ny namana
- Mavesa-danja be loatra eo amin’ny fiainana koa ny fahalalana satria manao tsinontsinona ny lanjam-bintana sy harena.
3- Ohabolana sy oha-pitenenana
- “Fahalalana fetra, fahalalana onona”
- “Tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy”
- “Ny fianarana no voalohany-karena”
- “Manan-karena olomanga ny firenena fa mahantra olo-marina”
- “Aleo manontanintany foana hihomehezana toy izay manaotao foana hotezerana”
- “Ny akanga aza mahalala tsaratsarao ka mainka fa izaho olombelona”
- “Teny atsipin’ny manam-panahy raisin’ny mpahalala”
- “Izay tsy mahay sobiky mahay fatram-bary”
- “Manan-tsira ka mahay mahandro”
- “Raha mahay dia fianarana fa raha tsy mahay feno arina”
- “Samy zanaky ny mpanefy ka tsy mifampidera taim-by”
4- Ohabolana sy oha-pitenenana
- Charles RANAIVO:
o “Maro be ny mihevitra fa rehefa mahay dia tsy maintsy ho hendry”
o “Mety be ho fahaizana sy ambony fahalalana ny olona nefa kosa tsy ampy fahendrena”
- Emilson Daniel ANDRIAMALALA: “Olona efa voasedra tamin’ny fitiavan-tanindrazana no azo antoka hanarina ny firenena fa tsy avara-pianarana vonona hatrany am-piandohana hamadika ho vola ny fahalalana amam-pahaizana”
- Rado: “Mahagaga,
F’eto an-tanindrazako aho nefa tenin’olon-kafa no takiana mba ho haiko
Vao mahazo anjara asa hamelomako ankohonana”
B- FAHENDRENA
1- Famaritana
1.1 Ara-piforonan-teny :
Avy amin’ny fototeny hoe : « hendry »ny hoe fahendrena, izany hoe, mahalala ny ataony ary mahay mandanjalanja sy mahita hevitra mahasoa ary mailo amin’ny ataony rehetra.
1.2 Ara-kevi-teny :
Endriky ny fitondran-tena takian’ny fiarahamonina ny fahendrena.
Ho an’ny :
- ankizy ny : manoa ray aman-dreny, ny tsy mandainga, tsy mangalatra, …
- tanora : madio fitondran-tena, tsy manandrakandram-poana, mahay mifehy tena amin’ny rendrarendra, …
- olon-dehibe : mahalala sy mahay mandanjalanja ny atao, mahay mitady sy mitandrina ny marina, manam-panahy, mitondra sy miantoka ny ankohonany, …
1.3 Araka ny mpanoratra
· RAINANDRIAMAMPANDRY: “Ny fahendrena dia vokatry ny Fanahy”
· Charles RANAIVO: “Ny fahendrena dia toetra soa entina miaina amin’ny fampiasana ireo fianarana sy harena na kely na lehibe.”
1.4 Ny olon-kendry
· Amin’ny ankapobeny
- Mendrika ny toetra na amin’izay atao noho ny fahaizany sy ny hatsaram-panahy ananany ny olon-kendry.
- Mahalala onona, manan-kevitra sy mihevitra mandrakariva izay mahasoa, mandala ny hasin’ny olona sy tia fihavanana.
- Saro-piaro amin’ny fiarovana ny marina sy ny rariny ny olon-kendry.
· Araka ny mpandinika
Antoine de Padoue RAHAJARIZAFY: “Olona mahay miasa, maontim-pihetsika, mandinika lalina, marani-tsaina, mandefitra, tsy voarebirebin’ny vola aman-karena, mahay maminany ny lavitra, izany hoe “mitsinjo ny ho avy ny atao hoe “olon-kendry”.”
· Araka ny fijerin’ny Ntaolo
Olona mandala ny fihavanana sy ny fifankatiavana, izany hoe, mahay sy mahatandrina ny fitsipika rehetra misy azy eo amin’ny fiarahamonina
2- Ny endrika isehoany
- Fahalalana sy fahatokisana ary fankatoavana an’Andriamanitra
- Tsy famelana ny fanahy ho safotry ny rendrarendra ara-nofo sy ny vola
- Famehezana ny fitiavana-karena amin’ny fifankatiavana sy fahamarinana
- Fitiavana ny namana
- Toetra maharitra sy mateza
- Mety hivoatra ao anatin’ny olona
- Toetra tsy misy mahasolo azy, eny fa na dia ny vola aman-karena aza
- Mampiaiky ny olona ny fanana azy
- Fandalan’ny olona ny marina, ny rariny ary ny hitsiny
- Hita eny amin’ny ohabolana sy ny oha-pitenenana rehetra eny
3- Ny vokany
3.1 Tsara
· Manam-panahy ka to-teny eo amin’ny fiarahamonina ny olona mandala ny fahendrena na ny olon-kendry.
· Mahay miaina ka mamy hoditra eo amin’ny mpiara-belona aminy
· Matetika mahazo valisoa avy amin’Andriamanitra na ny manodididna azy ireo
Ohatra Imboasalama nahazo ny fanjakan-dRaibeny ANDRIAMASINAVALONA noho ny fahatsarany ka lasa nantsoina hoe: ANDRIANAMPOINIMERINA.
· Fitaratra ho an’ny manodidina ny olon-kendry
· Reharehan’ny firenena ny fananana olon-kendry
3.2 Ratsy:
· Misy ny hoe diso hendry loatra ka hararaotin’ny olona amin’ny fandeferany
· Mampisy fetrany ny tokony hatao: ohatra miaritra ny tsy tokony hiaretana
· Sokajian’ny olona ho tsy dia nahita fianarana loatra ny olona manam-panahy, araka an’i Fety MICHEL.
4- Ohabolana sy oha-pitenenana :
· “Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany.”
· “Ny Hendry ihany no anarina fa raha ny adala no anarina dia ny lambany no ariany.”
· “Ny fanahy no maha olona.”
· “Tsy varotra no taloha fa fihavanana.”
· “Ny hery tsy mahaleo ny Fanahy.”
· “Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha.”
· “Manan-karena olomanga ny firenena fa mahantra olo-marina.”
· “Izay miteny volafotsy fa izay mangina volamena.”
· “Ny anatra vahiny: tiana mody mandry; tsy tiana mitampody.”
· “Manasa ny bekibo ka ny vary no lany; mananatra ny adala ka ny vava no vizana.”
· “Monina ambany saokan’ny hendry.”
· “Raha ny kapoka no mahahendry dia ny omby no hendry aloha.”
5- Tenina mpandinika
· RAINANDRIAMAMPANDRY : “Ny tsy fialonana sy ny fahendren’Andriamanitra, ny hafa no manamarika ny fahendren’ny mpanjaka. Manaraka izany, ny fitovian’ny vahoaka, ny fikatsahany izay hampandroso ny fanjakana. Ary farany, ny tsy fanamparam-pahefana.”
· Charles RANAIVO: “Maro be ny mihevitra fa… ny fahendrena n any fahaiza-miaina dia tsy mba liana fianarana ombam-pikelezana aina sy fikirizana.”
· ED ANDRIAMALALA: “Eny fomban’ireo mitana ny fahefana ny mampino ny vahoaka, noho ny hafetseny sy ny faniriany hitoetra eo amin’io toerana io mandrakizay, fa raha lasa izy ka soloan’ny hafa dia ho levona ny tanindrazana.” Tak-4 Fanagasiana
· Michel ANDRIANJAFY: “Ny fahamarinana no hanim-pihinana, ny rariny no rivotra ivelomana, … sambatra ny tany anjakany.”
D - NY FIFANDRAISAN’NY FAHALALANA SY NY FAHENDRENA
Mifameno tokoa ny fahalalana sy ny fahendrena satria hanambaka ny namany fotsiny ny olona raha tsy misy ireo.
Hoy RANAIVO: “Maro ny mihevitra fa rehefa mahay dia tsy maintsy ho hendry”.
Hain’ny sasany indray ny manararaotra ny hafa hampanginana ny tokony ho izy. Mandringa indray ny fahendrena tsy ampy fahalalana. Tokony ho ambonin’ny fahalalana ny fahendrena satria tsy takon’ny fahalalana ny ditra isan-karazany.
Tokony ho tsapan’ny avara-pianarana fa andrin’ny firenena izy ireo amin’ny fahaizana ananany. Takiana aminy kosa ny fahendrena mba hampiako ny andrasan’ny Nosy aminy ho fampandrosoana ny taniny.
TSOA-KEVITRA
Miara-dalana hatrany ny fahalalana sy ny fahendrena satria mandringa ny fanabeazana na ny famolavolana olom-banona raha tsy eo ny iray.
Tsy ampy velively ny fananana manam-pahaizana raha tiana handroso ny firenena fa tokony hokendrena ihany koa ny fanabeazana ny “fanahy mahaolona” indrindra ireo tanora vao misondrotra. Araka izany, tanjona ny fananana ny fanahy maha olona ka tokony hokendrena miaraka amin’ny fananana fahaizana amam-pahalalana.