Généralités
NY LALAO SY FIALAM-BOLY MALAGASY
1- Famaritana :
Fanaovana zavatra mihataka amin’ny asa aman-draharaha fanao andavanandro ka ialana amin’ny harerahana mba hanovozana hery indray ny atao hoe “fialaham-boly”.
Manana anjara toerana manokana amin’ny fampanjariana izany ny lalao, satria ny fijerena sy fanaovana an’ireny lalao ireny no antsoina hoe fialam-boly, izay miteraka fifaliana, fahafinaretana, fahasambarana , fiadanana, …
2- Ny karazan-dalao malagasy
Azo sokajina ho telo lehibe ny lalao malagasy:
· Lalao mahery setra
Amin’ny ankapobeny, tena miala voly amin’ity karazan-dalao ity ny mpijery ary saika ny lehilahy sy ny tanora no manao azy.
Oh: diamanga, moraingy, tolona, ringa, savika, …
· Lalao milantolanto
Tanterahin’ny vehivavy kosa izy ity
Oh: tso-bato, tsivarivary, tsikonina, sabaka na kisabaka, dihim-bazaha, kisatady, kilapapa, hiragasy, dihy malagasy, vitsilia, raosijamba, avy mangataka, tamaboho, …
· Lalao mampiasa saina
Manao ity karazan-dalao ity ny sokajin’olona rehetra, izany hoe, ikambanan’ny lehilahy sy ny vehivavy; eny fa na ny antitra aza.
Oh: fanorona, ankamantatra, ankifidy, fampitaha, katro, mampiady ravinkazo, …
3- Ny anjara asan’ny lalao
· Fanabeazana
o Ara-batana
Mampavitrika sy mampatanjaka
o Ara-tsaina
- Mampivelatra ny saina
- Manazatra ny saina ho zatra fitsipika eo amin’ny fiarahamonina, satria samy misy fitsipika avokoa ny lalao rehetra.
- Lasa tia mikarokaroka ny saina
· Fahafinaretana
· Fahasalamana
4- Ny lalao malagasy sy ny fampandrosona
- Mitondra laza sy voninahitra ho an’ny mpanao azy
- Maneho ary mikajy ny kolotsaina manavaka ny firenena
- Mety hitondra vola vahiny koa noho ny fidiran’ny mpizahatany hijery ireny lalao ireny
- Mitarika ny tanora handray andraikitra fa tsy lany andro amin’ny zavatra tsy mahasoa (zava-mahadomelina, asa ratsy, …)
5- Ny mety ho voka-dratsiny
- Mahatonga ny ankizy sy ny tanora tsy hifantoka amin’ny fianarana
- Miteraka takaitra na ratra na fahafatesana mihitsy aza indraindray
- Mandany vola ihany koa ny fividianana ny fitaovana ampiasaina na ny sakafo tsy maintsy ara-dalana eny fa ny hatramin’ny fanatontosana aza dia mety handany vola amin’ny firenena
- Mampieboebo sy mampirehareha ny mahay azy koa izy ireny
6- Ohabolana:
· “Adin’ombalahin’ny mpianakavy, izay maharesy tsy hobiana ary izay resy tsy akoraina”
· “Ny diavolan-ko lava, ny lalao mbola ho ela”
· “Raha olona kanosa, aleo mipetraka ho hajaina, toy izay mifanandrina amin’ny tsy ho tanty”
· “Miady amin’ny olon-tiana, aleo resiny toy izay maharesy azy”
· “Kalon’antitra ka ranomaso no iafarany”
· “Tsy mety raha ny anateran-kira indray no milaza tsy mahay”
· “Kalon’ilay moana, am-po no mametsovetso”
· “Zanak’omby fahavaratra, sady lalao no harena”