Généralités
NY FAHEFANA
1. Famaritana
1.1 Ara-piforonan-teny
F-ah(a)-efa-͡ana
Avy amin’ny fototeny hoe “efa”: vita, to, tanteraka ny hoe fahefana.
- f = tovona famoronana anarana
- aha …. ana : tsirin-teny saradroa maneho toe-javatra
Anarana anondroana ny hery anatontosana ny toe-javatra iray ny fahefana.
1.2 Ara-kevitra
Fahazoan-dalana hanao zavatra
Ohatra : fahefana hiteny, fahefana hitsara, fahefana hitondra fiara,…
Fahazoana mandidy na mibaiko
Ohatra : fahefan’ny ray, fahefan’ny be galona, fahefan’ny mpitondra, …
Fanjakana fehezin’ny firen-kafa
Ohatra: teo ambany fifehezan’ny Frantsay ny Malagasy tamin’ny andron’ny fanjanahantany.
2. Ny loharano nipoirany
2.1 Avy amin’Andriamanitra
Nahary izao tontolo izao Andriamanitra, noho izany, manam-pahefana sy masi-mandidy amin’ny amin’izay nohariany Izy, anisan’ny nino izany ny Ntaolo, araka ny ohabolana hoe: “Fikasana an’olombelona fa ny didy an’Andriamanitra”.
Manam-pahefana handringana ny olombelona sy ny zava-manana aina Andriamanitra.
Nanosotra ny mpanjaka mba hanana fahefana ihany koa Andriamanitra
Ohatra :
- Davida mpanjaka, hanapaka ny tany: “… fa nifidy an’i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko” Baiboly: I Mpanjaka 8:16
- Andrianampoinimerina: “Foin’Andriamanitra ho ahy ny tany sy ny fanjakana” Tantara ny Andriana
2.2 Avy amin’ny razana
Ninoan’ny olona tamin’ny vanim-potoana fahafoko fa azo tamin’ny tsindrimandry ny fahefan’ny zokiolona hitantana ny foko.
Ohatra: maty mandamina ny fitantanana ny foko ny hafatry ny razana efa
2.3 Avy amin’ny vahoaka
Fahefana azon’ny olona iray tamin’ny alalan’ny fifidianana.
Ohatra: fifidianana solombavambahoaka
2.4 Avy amin’ny fizokiana
Heverin’ny olona fa manam-pahefana ambony indrindra ny zokiolona noho izy efa ela niainana, mahalala hatramin’ny fotony ny tantara ijoroan’ny fiarahamonina na firenena iray, noho izany, raisin’ny olona ho manam-pahefana sy hajain’ny olona izy.
2.5 Avy amin’ny fampiasan-kery
Nisy ny tsy fitoviam-pijery rehefa nipoitra tsikelikely ny Fanjakana ka niteraka ady teo amin’ny isan-tokony izay niafara tamin’ny adim-poko. Nisy ny resy sy ny mpandresy ka lasa mpifehy sy tompon’ny fahefana ireto farany. Nahitana izany toe-draharaha izany tamin’ny andron’ny fanjanahantany.
3. Ny endrika isehoany
Miseho amin’ny endrika maro ny fahefana araka ny vanim-potoana sy toe-javatra hita eo amin’ny firenena iray:
· Fahefana iray ankinina amin’olon-tokana: “Monocratie”: izany hoe : Fanjakana didy jadona
· Fahefana ankinina amin’ny vondron’olona: “Prototcratie”
· Fahefana manome vahana ny lehilahy:”Phallocratie”, izany hoe, tompom-pahefana feno ny lehilahy.
· Fahefana manome vahana ny vehivavy: “Gynécocratie”
· Fahefan’ ny zokiolona “tectocratie”
· Fahefana entim-bahoaka: “démocratie”
4. Ohabolana sy fomba fiteny
· “Fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby anaran-dray tsy satry.”
· “Ny fara-vady anadahy”
· “Arahabaina nahalavo tendrom-bohitra.”
· “Ny arivolahy tsy maty indray andro.”
· “Ny feon’ny vahoaka dia feon’Andriamanitra.”
· “Mpitari-bato vilam-bava ka hafa no tondroin’ny molony, hafa no tondroin’ny tanany.”
5. Tenina mpandinika
· ED Andriamalala:
o “Raha misy vatomisakan-dalana ny fandrosoan’ny firenena iray avy nozanahana dia ny fananany avara-pianarana noho ny fahalalana norantoviny tamin’ny mpanjanaka no lehibe indrindra amin’ireny.”
o “Eny, fomban’ireo mitana ny fahefana ny mampino ny vahoaka, noho ny hafetseny sy ny faniriany hitoertra eo amin’io toerana io mandrakizay.”
· IPA: “Ny tompon’ny fahefana eto an-tany dia ny firenena manan-karena ary io fahefana io no ajorony ho rariny, ny ankoatra izay dia tsy izy.”
FITONDRANA
1 Famaritana:
1.1 Ara-piforonan-teny
f-i-tondra-͡ana
Avy amin’ny fototeny hoe “tondra”, nahazoana ny matoanteny hoe mitondra azo adika hoe mivimbina na misakelika zavatra iray, ny hoe fitondrana.
- f: tovona famoronana anarana
- i …. ana : tririn-teny sara-droa maneho toe-javatra
Anarana anondroana ny fisahanana na fitarihana toe-javatra iray.
Mpitondra: anarana ilazana olona voafidy tao anatin’ny maro ka nomena andraikitra mba hitondra ny fiarahamonina na firenena
1.2 Ara-kevi-teny
Fahaiza-mandrindra sy mitarika na mifehy olona na antokon’olona ny fitondrana.
Ohatra: Fitondrana ny Firenena Malagasy, fitondrana antoko politika, fitondrana ekipa fanatanjahan-tena.
Fifehezana (fitondrana olona), fitarihana( mety ho fitondrana amin’ny ratsy) , fahaizana amam-pahendrena andaharan’ Andriamanitra ny zavatra rehetra (fitondran’Andriamanitra) ihany koa ny hoe fitondrana.
1.3 Andram-pamaritana ny atao hoe “mpitondra”
Olona manana fanahy maha olona ny mpitondra mba hahaizany mampihatra ny fahalalany. Tokony ho olona mandala ny marina, ny rariny ary ny hitsiny; eo indrindra koa ny tokony ho fahatahorany ny tsiny sy ny tody ary Andriamanitra.
2 Ny loharano nipoirany
Misy fivoarany araka ny vanim-potoana nisehoany ny fitondrana:
2.1 Vanim-potoana fahagola:
Fony mbola tany an-dava-bato no nonina ny olona, dia ny oty sy ny haza ary ny jono no fiveloman’ny olona. Samy velon-ko ho azy teny ny olona. Ny natanjaka no nanjaka satria izay be hery no nanana fahefana: “fanjakan’i Baroa”
2.2 Vanim-potoana fahafoko
Nihabetsaka ny olona ka tsy ampy intsony ny oty sy ny haza ary ny jono, ka nanomboka namboly sy niompy ny olona. Nanana fahefana hitantana sy hitarika ny foko ny zokiolona noho ny tsindrimandry azo tamin’ireo razana nipoirany. Ny zokiolona no tompon’ny fitaovam-pamokarana ary mpanatanteraka ny baiko ny zandriolona. Noho ny fandalan’ny rehetra ny rafi-piarahamonina mazava izay tsy avy aiza fa avy amin’ny razana, dia azo ambara fa avy amin’ny razana ny fitondrana tamin’izany.
2.3 Vanim-potoana fahampanjaka
Nifanafika indray ireo foko ka avy tamin’ny ady izay nifanaovan’ny fanjakana madinika ny fahefana. Nasandratra ho mpanjaka izay mandresy ka lasa tompon’ny fahefana sy ny fanjakana: mitondra, mitantana hatramin’ny taranany. Lasa andevo ireo babo tsy te ho faty ka tonga mpanatanteraka baiko.
2.4 Vanim-potoana fanjanahantany
Tonga teto amintsika taty aoriana ireo vahiny tehanitatra ny fanjakany. Lasa zanatany i Madagasikara tamin’ny fampiasan-kery, ny fahaizana mametsifetsy, ny fitiavana-tena ary ny faniriana te hanana: trangan-javatra nipoiran’ny fitondrana tamin’izany vanim-potoana izany ireo rehetra ireo. Ny Frantsay no raiamandreny nitondra sy nanam-pahefana, foana ny andriana sy ny andevo. Mpanatanteraka ny baiko ny Malagasy rehetra.
2-4 Vanimpotoana ankehitriny
Nahazo fahaleovantena i Madagasikara ka nitondra ny taniny ny Malagasy. Lazaina eto fa loharano nipoiran’ny fitondrana ny vahoaka satria nampijoro ny fitondrana tamin’ny alalan’ny fifidianana ny vahoaka. Ireto avy ny andrimpanjakana misy mandrafitra ny fitondrana:
- Tompon’ny fahefana ny Filoham-pirenena
- Fahefana mpanatanteraka ny governemanta
- Mpanao lalana ny solom-bavam-bahoaka sy ny loholona
- Mitsara ny asan’ireo andri-mpanjaka ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana
…
Manamafy ny maha tompon’ny fahefana sy ny fitondrana azy ny Filoha, ka samy nanana ny endri-pitantanana nijoroany:
REPOBLIKA I (1960-1972): hita tamin’izany ny rafitra “Kapitalista” notarihin’i Philbert TSIRANANA
REPOBLIKA II (1975-1991-) : “Sosialista” izany hoe, mifehy ny fitantanan-karena sy ny fitaovam-pamokarana tamin’izany ny vahoaka.
REPOBLIKA III ( 1991-2009) “ Demokrasia”, fitondrana entim-bahoaka
REPOBLIKA IV ( 2013 - +)
3 Ohabolana
· “Fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby anaran-dray tsy satry.”
· “Ny fara-vady anadahy”
· “Mpitari-bato vilam-bava ka hafa no tondroin’ny molony, hafa no tondroin’ny tanany.”
·
4 Tenina mpandinika
· ED ANDRIAMALALA: “Olona efa voasedra tamin’ny fitiavan-tanindrazana no azo antoka hanarina ny firenena, fa tsy avara-pianarana vonona hatrany am-piandohana, hamadika ho vola ny fahalalana amam-pahaizany.” Fanagasiana tak-4.
· RAMAROLAHY : “Raha nohamasinina hitondra vahoaka ny mpanjaka, ny olona tsirairay kosa dia nohamasinina ho mpitondra ny tenany avy.” Rakitry ny elan’ny Ntaolo.
· MAMPITOVY A: “Ny raim-pianakaviana rehefa manan-janaka lahy efa tonga taona sy efa afaka hijoro eo amin’ny maha izy azy dia tsy miasa intsony fa manome baiko fotsiny” in Tantaran-drazana Zafisoro. Tak. 16-17, 1978
· RAINANDRIAMAMPANDRY: “Manjaka amin’ny fanahy fa raha manjaka amin’ny nofo ialahy ry Itafikiarivo… dia sanatria izany!” Tantara sy fomban-drazana. Avrily 1972
TSOA-KEVITRA
Teny roa tsy afa-misaraka ny fahefana sy ny fitondrana, hita eo amin’ny fiainana sy eny amin’ny fiarahamonina, indrindra eo anivon’ny firenena izany. Mifameno sy mifanampy hatrany ny asan’ny mpitondra sy ny mpifehy ny vahoaka. Manampy ireo koa, ireo avara-pianarana izay azo antoka fa hampandroso ny firenena ary hanoro lalana ny vahoaka mba tsy hirodanan’ny firenena iray any amin’ny fahaverezana sy ialana indrindra koa amin’ny fanjakana baranahiny na antsoina hoe “Anarchie”.