Généralités
NY FIHARIAN-KARENA
1- Famaritana :
Avy amin’ny kamban-teny hoe fihariana sy harena ny hoe fiharian-karena.
Araka izany, ny asa fivelomana miampy ny fanaovana asa mampidi-bola ny atao hoe fiharian-karena, izany hoe, rehefa misy ny ambim-bava dia mipetraka ho harena.
2- Ny endrika isehoany:
Mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny fiharian-karena miankina amin’ny herin’ny tsirairay. Tsy dia hita loatra ny fiaraha-miasa sy ny fifanampiana na valin-tanana sy tambirô fa samy mitady izay hahasoa azy ny olona. Miova endrika izany ankehitriny noho ny fandrosoana sy ny fivoarana eo amin’ny fitaovana samihafa. Tsy misy ny fifanampiana izay niteraka ny fanamafisam-pihavanana teo aloha fa nanjaka ny fanatontoloana sy fanalalahana.
Ø Ny fanatontoloana:
Fiharian-karena misandrahaka amin’izao tontolo izao indrindra fa eo amin’ny lafiny varotra ny atao hoe: fanatontoloana.
Misy ny fifandraisana ara-barotra maneran-tany. Izany no mahatonga ny entana avy any ivelany hitobaka eto amintsika.
Tsy misy intsony ny fifanarahana eo amin’ny firenena roa fotsiny amin’ny fifampivarotana satria misokatra amin’ny firenena rehetra ny fifanakalozana. Foana ny antsojay eo amin’ny firenena mpamokatra sy mpanjifa.
Ø Ny fanalalahana:
Fialan’ny fanjakana amin’ireo orin’asa notantaniny no atao hoe fanalalahana.
Amidy amin’ny olon-tsotra izay manam-bola ka afaka hitantana azy ny orin’asa, izany hoe, alain’ny fanjakana ny volany niasa tao ka izay tian’ilay olona nividy azy hitantanany ny orinasa no ataony, ka tsy afa-mitsabaka eo intsony ny fanjakana fa manara-maso fotsiny sisa azony atao.
3- Ireo fepetra takiana mba hampahomby ny fiharian-karena
Tsy maintsy misy ny fifaninanana amin’ny fanatontoloana sy ny fanalalahana izay mitaky fepetra maro:
- Ny fanatsarana ny vokatra mba tsy ho mena-mitaha amin’ny hafa
- Ny fahaizana mitantana mba tsy hisian’ny fitiantoka
- Ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny mpivarotra sy ny mpanjifa
- Ilaina koa ny fanaraha-maso ny entana miditra amin’ny firenena manjifa
- Ilaina ny fanaovana doka varotra mba hampandrosoana ny varotra
- Mila miezaka amin’ny asa ataony ny tsirairay ary ilaina koa ny faharetana amin’ny zavatra atao
4- Ireto tombontsoa azo avy amin’ny fanatontoloana sy fanalalahana:
· Eo amin’ny fanatontoloana
- Malalaka ny fifampivarotana
- Mitobaka eny amin’ny tsena ny entana avy any ivelany
- Mihena ny vidin-javatra eny an-tsena noho ny hamaroany
- Tsy misy intsony ny fampifilafilana eo amin’ny firenena mpamokatra sy ny mpanjifa
- Afaka mifidy izay tiany ny mpanjifa
- Afaka manondrana entana any ivelany koa isika saingy tsy maintsy manaraka ireo fepetra takiana amin’izany
- Ahafahana mampivoatra ny haitao sy ny hairahan’ny firenenana.
· Eo amin’ny fanalalahana
- Mihatsara ny fitantanana ny orin’asa
- Hentitra ny fanaraha-maso amin’ny lafiny rehetra
- Mitombo ny vokatra
- Miteraka asa ho an’ny tsy manana ny fisian’ireo orin’asa vahiny mampihodina ny volany eto amintsika
5- Ny olana mety haterany
- Mamono ireo orin’asa eto an-toerana ny fanatontoloana satria tsy afaka mifaninana amin’ny avy any ivelany (vidiny, kalitaony, ny hamaroany, …)
- Indraindray, aparitaka eny an-tsena ny entana efa akaiky ho lany daty na efa lany daty mihitsy ka mety hiteraka tsy fahasalamana ho an’ny mpanjifa izany.
- Manararaotra ireo vahiny mampiasa vola eto amintsika ka manjakazaka eo anivon’ny fiarahamonina
- Manitsakitsaka ny zon’ny mpiasa
- Manome karama tsy mifanaraka amin’ny asa atao
- Tsy mihaino ny fitarainan’ny mpiasa
- Misy ny fampihenana na fanesorana ny mpiasa rehefa nisintahan’ny fanjakana ny orin’asa notantaniny teo aloha, ka maro ny very fivelomana.
- Lasa manambany tena ny Malagasy
- Manao fihinanana am-bolony ny zavatra avy any ivelany ny Malagasy