Généralités
NY ENDRI-PAMOKARANA
MIFOTOTRA AMIN’NY FIHAVANANA
Nifototra tamin’ny fifanampiana sy fifanohanana ara-batana na sandry ny asa famokarana teo amin’ny Ntaolo, noho izany, dia nanana ny endrim-pamokarana isan-karazany izy. Anisan’izany ireto:
A. NY VALIN-TANANA
1. Famaritana
Fomba fiasa nalaza teo amin’ny famokarana fahiny ny atao hoe valin-tanana. Fifanomezana tanana teo amin’ny asa fivelomana no natao tamin’izany ka vetivety dia vita ny asa. Tsy nijery tavan’olona ny fanaovana izany fa nanaovana daholo na ny manana na tsia .
Nahavitana karazana asa maro ny valin-tanana fa tsy nijanona teo amin’ny fambolem-bary fotsiny.Teo koa ny fanaovana fasana, fanamboarana trano, fananganana tamboho sy fefiloha. Tsy voatery ho famaliana teo amin’ny asa ihany anefa ny valin-tanana fa niitatra tamin’ny fifanampiana rehetra, ka novonjena avokoa izay sahirana nila tanana.
2. Ny fanantanterahana azy:
Nifandimbiasana ny olona nanaovana ny asa. Ny olona avy niasana voalohany dia tsy iverenana intsony raha tsy tapitra niasana avokoa ny olona rehetra. ( atero ko alao)
Niseho tamin’ny fifanomezan-tanana, fifanampiana ary fifamonjena teo amin’ny fiainana andavanandro ny valin-tanana.
Mbola hita taratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra io valin-tanana io amin’izao fotoana izao. Efa vitsy kosa ny tanan-dehibe ahitana izany.
3. Ny tombontsoa azo avy amin’ny valin-tanana
- Tsy ijerena tavan’olona ny fanaovana ny asa fa anaovana daholo na ny manana na ny mahantra
- Vita haingana ny asa
- Maivana ny fanatanterahana ny asa
- Miara- miakatra ny vokatra
- Misy ny fanamafisana ny fihavanana sy ny firaisan-kina, ny fifaneraserana isan’andro
- Tsy mandany vola ny valin-tanana satria tsy manao sakafobe ny tompon-draharaha fa izay ananany no ataony
4. Ny anarana iantsoana ny valin-tanana any amin’ny foko
Samy manana ny fomba fiantsona azy ny valin-tanana araka ny foko isehoany.
· Valin-tanana (Merina)
· Kifanomba na Atero ko alao (Betsileo)
· Haoŋa ( Bara)
· Tambirô ( Betsimisaraka)
· …
5. Ny hevitra fonosin’ny valin-tanana
- Fifanampiana
- Fiaraha-miasa
- Fanamafisana ny fihavanana sy ny firaisankina
- Fifanomezan-tanana
Fanamarihana :
Tsy misy maharatsy ny valin-tanana fa ny fisainan’ny olona ankehitriny no mihevitra hoe efa lany andro izy io ka aleony mampiasa ny volany hanatanterahany ny asany ka zary nampihen-danja azy.
B. NY TAMBIRO
1. Famaritana :
Fomba fiasa narahina fihavanana fahiny tany amin’ny Betsimisaraka ny tambiro. Fifanomezan-tanana tamin’ny asa fivelomana no nanantanterahina izany, ka tsy teo amin’ny mpianakavy ihany fa nitatra hatrany amin’ny fiarahamonina ny fanaovana azy.
2. Ny fanantanterahina azy:
- Niaraha-nanao ny asa
- Nisy ny fikarakarana sakafo ary nisy mihitsy aza ny namono omby
- Afaka misotro toaka araka izay tiany ny tsirairay
- Samy manao izay tiany ny olona, ary mikorana be eo am-panaovana ny asa
- Rehefa vita ny asa dia mbola omena sakafo be ny mpiasa
- Isaoran’ny raiamandreny ny mpiasa mba ho fankasitrahana azy
3. Ny tambirô sy ny fampandrosoana:
Ny tambirô dia soatoavina nampifandray ny mpiara-monina amin’ny alalan’ny asa, ka ny tombontsoa azo avy amin’ny fanaovana azy dia:
- Misy ny fiaraha-miasa
- Vita haingana ny asa
- Mihamafy ny fihavanana sy ny firaisankina eo amin’ny mpiara-monina
- Miara-miakatra ny vokatra satria vita iray andro ny asa
4. Ny voka-dratsiny indray dia:
- Misy ny fandaniana be loatra satria laza no tadiavin’ny tompon-draharaha
- Mbola tsy manomboka ny asa dia efa misy ny fisotroana toaka
- Mety ho vita kitoatoa ny asa noho ny hamamoana
- Mety hisy ny ady eo amin’ny samy mpiasa noho ny toaka be loatra
Raha ireo lafy ratsiny ireo no jerena dia hita fa misakana ny fampandrosoana ny tambirô satria mety ho kely ny vokatra niakatra raha oharina amin’ny fampandaniana be loatra.
5. Ohabolana sy oha-pitenenana:
- “Ny asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana”
- “Soroka miara-milanja, tongotra miara-mamindra”
- “Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”
- “Akanga maro tsy vakin’amboa”
…