Généralités
NY FAHAFAHANA
1- Famaritana
1.1 Ara-piforonan-teny
h
Avy amin’ny fototeny hoe “afaka”: malalaka, tsy misy maneritery, tsy misy sakana
- f = tovona famoronana anarana
- aha …. ana : tsirin-teny saradroa maneho toe-javatra
Anarana enti-manondro ny toe-javatra izay ahafahana manatanteraka malalaka izay atao, satria tsy misy sakana.
1.2 Ara-kevitra
Midika hoe tsy voageja, tsy andevozin’ny hafa, tsy manaiky ny tsindry hazolena ny fahafahana. Tokony hitondra amin’ny fandrosoana sy ny mahasoa ny fahafahana.
1.3 Ny endrika isehoan’ny fahafahana
Miseho amin’ny endrika telo ny fahafahana amin’ny ankapobeny.
· Eo amin’ny isam-batan’olona
- Ny fananana zo: miaina, mivelona, miasa
Manana zo hiaina malalaka ny olona : miasa, mivelona, matory …
Ny ankizy latsaka ny 18 taona dia mbola eo ambany fifehezan’ny ray aman-dreny. Ny mihoatra ny 18 taona kosa dia tokony ho efa mahaleo tena. Arakaraka ny eo am-pelatanan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny fanaovana izany.
- Ny harena : afaka miasa, afaka mihary
Afaka miasa avy hatrany ny olona ho an’ny firenena mandroso, nefa kosa tsy voatery hisitraka ny zony ny olona amin’ny firenena mbola mahantra.
Tokony hanana zo hiasa ny sembana (jamba, kilemaina, marenina, …) saingy miankina amin’ny firenena ny fisitrahana izany.
- Ny fandrosoana : afaka manaraka ny heveriny fa mampandroso azy ny tsirairay, saingy tsy ny zava-drehetra entin’ny fandrosoana no mahasoa.
- Ny fahaizana : mianatra
Manana zo hanangona fahalalana isan’ambaratongany : fanabeazana fototra, ambaratonga faharoa, ambaratonga ambony) ny tsirairay, saingy miankina amin’ny fahefa-manatanteraka ireo (vola, saina, vatana, ...)
- Ny adidy: fanatanteraha anjara asa tsy voatery hatao, saingy miankina amin’ny heverin’ny tsirairay fa mety.
· Eo amin’ny Firenena
- Fanafoanana ny fanandevozana eo amin’ny lafiny rehetra : amin’ny valin-kasasarana isan-karazany (karama, tamby, valisoa, …)
- Fialana amin’ny fanavakavaham-bolonkoditra, eo amin’ny mpiray firenena, sy ireo avy any ivelany.
- Fanafoanana ny mizana tsindriana ila amin’ny olom-pirenena: rohim-pihavanana, foko finoana, politika
- Tokony tsy hisy ny fiankinan-doha amin’ny hafa, izany hoe, mahaleo tena
· Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena:
Araka ny fanambarana mitambabe ny zon’olombelona tsy an-kanavaka
· Andininy faha-18: Na iza na iza dia manana zo hanana ny heviny sy ny eritreriny sy ny fivavahany …
· Andiny faha- 19 : Anatin’izany zo izany ny tsy harakarahina amin’ny heviny ary koa ho afa-mikaroka, mandray ary mampiely vaovao sy hevitra na iza na iza …
· Andiny hafa-20: Na iza na iza dia manana zo hanao an-kalalahana izay fivoriana sy fikambanana mitandro ny fandriam-pahalemana.
· Andiny faha-21: Ny safidim-bahoaka no iorenan’ny fahefan’ny mpitondra; izany safidy izany dia tokony hiseho amin’ny fanaovana fifidianana tsy misy fitaka
1.4 Ny karazana fahafahana mety hananan’ny olona
- Fahafahana maneho ny maha izy azy ny tena eo amin’ny kolontsaina: manana ny rafi-pisainana mandrafitra sy mamolavola azy ny olona amin’ny faritra tsirairay. Tsy azo tsaraina ny kolon-tsaina isam-paritra fa mandrindra ny fiaraha-monina izy ireny
- Fahafahana mitantana toe-draharaha rehetra ao amin’ny sokajim-piarahamonina ary mioty manontolo ny mety ho vokany: avy amin’ny vahoaka avokoa ny mpitantana rehetra ao anaty fokontany, ny firaisana, ny fivondronana, ny faritra, ary ny firenena. Avy amin’ny safidin’ny vahoaka izany ny vokatry ny asan’ireo olona nomeny andraikitra ireo ka tsy azo anomezan-tsiny an’iza na iza.
- Fahafahana mifidy: mamela ny tsirairay haneho ny safidiny malalaka amin’ny fifidianana, rehefa feno 18 taona, ankoatra ireo very zo.
- Fahafahana hiteny na haneho hevitra: tokony halalaka ny fanehoana-kevitra saingy tokony hahay hihaino sy hahay handray ny hevitry ny hafa ny olona mba tena hisy io fahafahana io.
- Fahafahana mivezivezy any amin’ny faritra tiana haleha: tokony hanaja ny soatoavin’ny faritra na Firenena tiany hidirany anefa ny tsirairay.
- Fahafahana mitondra fikambanana avy amin’ny hosotra samihafa: fahasoavana avy amin’Andriamanitra, avy amin’ny mari-pahaizana na traikefa
1.5 Ny lanjan’ny fahafahana
Fialana amin’ny fangejana, izay misy tolona tokony hatao mba handravana io fangejana io izany ny fahafahana.
Fikarohana ny tena fahaleovantena marina.
Hery entina hampandrosoana ny firenena sy ny tsirairay iray manontolo ny fahafahana.
1.6 Ny fetran’ny fahafahana
Manana fahalalahana ny olona amin’izay tiany hatao, saingy izany anefa dia tsy midika fa afaka manao izay rehetra tiany hatao avokoa ny olona.
Ny fahafahana dia mikendry ny hahasoa sy miaro ny tombontsoan’ny olona tsirairay ao amin’ny fiarahamonina. Noho izany mba hanatrarana ny tanjona kendren’ny fahafahana dia misy arofanina natao hiarovana io fahafahana io mba tsy hivaona: ny lalàna no natao hohajain’ny tsirairay mba hampisy filaminana sy firindrana eo amin’ny firahamonina.
Ny fanajana ny fahafahan’ny hafa dia mametra ny fahafahan’ny tsirairay.
2- Ny dikan’ny fahafahana
Raha omena fahafahana ny olona dia misongadina ny fananany zo haneho ny maha izy azy : eo amin’ny teti-pitondrana, eo amin’ny toe-karena, eo amin’ny fiarahamonina sy ny kolotsaina.
Raha esorina ny zo ananan’ny tsirairay maneho ny maha izy azy, dia heverina ho olona voafatotra tsy afaka mandry anjara amin’ny fampandrosoana ny firenenena izy.
Raha tsy misy ny fahafahan’ny vahoaka dia tsy maintsy misy mijoro ho mpitaky izany zo izany mba hisian’ny fandrosoana. Jadona kosa no manjaka raha tsy manana fahafahana ny vahoaka.
Manaja ny zon’ny olombelona sy ny safidin’ny tsirairay eo amin’izay rehetra atao, eo anivon’ny firenena ny dikan’ny fahafahana.
3- Ohabolana sy oha-pitenenana
· “Very fanahy mbola velona toy ny valala voatango”
· “Bibilava vinono tsy tanana handrangotra, tsy tongotra hitsipaka”
· “Indroa mahita ny maizina toy ny tain’omby natsentsin-dava-bary”
· “Boka mangala-pihinana ka lany andro eo am-pisangiana takotra”
· “Mitoka-monina ohatry ny boka”
· “Tapi-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato”
· “Mandroso maty raibe, mihemotra maty renibe”
4- Tenina mpandinika
- RADO: “Matokia ry fahafahana/ rahavavim-pivavahana”
- S.R, in. Orimbato, lah.201, mey 1979: “Maro ny manao antso avo ho an’ny fahafahana, fa mahatsiaro hodidinin’ny alina maizim-piton’ny siansa.”
- Berchmans RAHELISON: “Ny fahafahana dia ny zon’ny olona iray hanaja ny fahafahan’ny hafa.”