Généralités
LESONA
NY HAINTENY
1- Famaritana:
Lahateny nifaninanan’ny tovolahy sy ny tovovavy teo amin’ny fanehoana fahaizana mifehy ny fampiasana teny sy fanehoana-kevitra an-gola na teny an’ohatra ary famolahana ny tontolo manodidina ny hain-teny. Saika fanehoam-pitiavana no nanaovana izany.
Hoy Siméon RAJAONA: “Hazo tokana an-tany ny hainteny, tokan-tany aniriana ary tokan-tarehy dia ilay tarehin’ankamantatra voaravaka,voahaingo sy voakaly nentina hatramin’ny voalohany ka mbola ananany hatramin’izao; nefa kosa tsy tokam-boa fa mavesatra voa maro samihafa hatramin’ireo vokatra mirakitra hanim-pitiavana sy hanim-pihavanana ka hatramin’ireo voa mifono ny hevitry ny Ntaolo momba ny fahafatesana, ny fiainana, ny fifaneraserana sy ny fepetra maha olombelona.”
2- Ny rafitry ny hainteny:
Eo amin’ny endrika ivelany
Ifamaliana ny Hainteny.Misy ny ANTSO na ny sasiny; natao hilazana ny zavatra horesahina ary ny setriny na ny VALINY natao hamaliana ny resaka.
Marihina fa misy ihany indraindray natao ho an’olon-tokana na TSOATOKANA, izany hoe, tsy ahitana fifamaliana fa olona iray ihany no miteny hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.
Maneho ny maha izy azy ny Hainteny ihany koa ny FANEHOAN-KEVITRA ANKOLAKA. Hita taratra izany amin’ny alalan’ny fampiasana sarin-teny, fanoharana, oha-pitenenana, tsilalaon-teny.
Ny vontoatiny
Araka ny voalaza dia resaka nifampitorian’ny tovolahy sy tovovavy fitiavana ny hainteny. Nokilasiana ho hainteny tranainy izy ireny.
Niitatra tamina lohahevitra maro hafa ny hainteny taty aoriana. Misy miresaka fihavanana, ny fifaneraserana, ny fiarahamonina ary ny fahafatesana.
3- Ny karazana hainteny:
· Hain-teny tsoa-tokana : olona irany ihany no miteny
· Hain-teny mifamaly : indray mandeha miteny ihany ny mpiantso sy ny mpamaly.
· Hain-teny ahitana fifamaliana im-betsaka: olona roa no mifandimby mifamaly fitenenana.
· Hain-teny mampiasa mpitondra teny: tsy mifanatrika mivantana ny ny mpiantso sy ny mpamaly
4- Ny sehatra nampiharana azy:
§ Ny sokajin’olona mpanao azy : ny tanora
§ Ny toerana anaovana azy: eny an-tsaha, am-patsakana, fiandrasana omby, (toerana ivelan’ny trano)
§ Ny fotoana anaovana azy: rehefa folaka andro.
5- Ohatra :
§ Tiako ianao _Firaketana
§ Tandremo ny atao _RAFANOHARANA
§ Manan-taona ka tsy fioty manta_RAJAONAH Tselatra
§ Eny kosa … E.R. Mily, Takelaka notsongaina I
§ Ny fihariana, ny fitsitsiana _AERO DREMIMA