Généralités
NY TONONKALO
1. Famaritana
Asasoratra mirindra amoahan’ny mpanoratra vetsovetsom-po amin’ny alalan’ny talenta sy aingam-panahy ny tononkalo. Mety ahitana andininy tokana na maromaro izy.
Azo fintinina hoe fampitana hafatra ataon’ny poeta ny tononkalo.
2. Ireo karazana tononkalo
Azo atao ny manasokajy ho roa ny tononkalo :
2.1 Ny tononkalo manara-drafitra na mirindra
Manara_drafitra ny tononkalo iray raha ahitana andalana mitovy isaky ny andininy, mitovy halava ary ahitana rima.
Ohatra:
HIRAM-BETSOVETSO
Soratako ny hirako
Aty an-tsisin-tany,
Ka izy no mba irako
Hanony izay tomany.
O! hira tsy marevaka
Fa kalon’olona ory,
Malalaka sy malefaka
Fanaoko raha matory
Ny zava-manodidina
Manomboka ho sina
Ny saiko ,injay misidina,
Miakatra mangina!
Ny maso ampakarina
Ry havako tomany,
Lazaiko marimarina
Fa manina aho izany!
Katody izao ny hirako,
Taty an-dafin-tany ;
Ka enga anie ny hirako
Hanony izay tomany!
NY AVANA
Ny Mpandinika n°27
30 mai 1924
Misy ihany koa ny tononkalo raiki-drafitra antsoina hoe “Sonnet”: rafi-tononkalo nindramina tamin’ny vahiny, izay ahitana andalana 14 sy andininy efatra; ka ny andininy roa voalohany dia ahitana andalana efatra avy fa ny andininy roa farany kosa dia ahitana andalana telo avy. Mpanoratra malagasy mpandrafitra ny tononkalony amin’izany i Dox.
- __________________
- __________________
- __________________
- __________________
- __________________
- __________________
-
Rafi-tononkalo
SONNET
- __________________
- __________________
- __________________
- __________________
- __________________
- __________________
- __________________
Ohatra:
PAISO
Tafatsiry indray ny maitso
Eo an-tokontaninay
Rako-pelana ny paiso
Mavokely ranoray
Tafafoha maraina aho
Hifoka izato rivo-manitra
Eny anelanelan-taho
Manga ery ny volon-danitra
Eny ambony rantsan-kazo
Indreny ny vorona mivazo
Am-panaovana ny akany
Toa hisy azy fatratra
Ny lohataona vao misantatra
Any ambanivohitra any
Dox
2.2 Ny tononkalo malala-drafitra
Tononkalo tsy voatery hanaraka ny endriky ny tononkalo manara-drafitra.
3. Ny rima
3.1 Famaritana:
Ny fitovian’ny feo isan’andalana manomboka eo amin’ny ngadona farany ny atao hoe: Rima
Zana-peo mitondra ny tsindry ny ngadona. Antsoina hoe tsaikona kosa ireo zana-peo tsy mitondra ny tsindry. Ny fifandimbiasan’ireo no atao hoe ba.
Ohatra amin’izany ireto vanin’andalana ireto:
Lila = ┴ U : ngadona tsaikona
Ralila = U┴ U : tsaikona ngadona tsaikona
Taralila = UU┴ U : tsaikona tsaikona ngadona tsaikona
3.2 Ireo karazana rima
Misy karazany roa ny rima :
a) Ny rima araka ny laharam-pisehoany:
v Rima mifanjohy : aa bb
Ohatra1: Tranobongon’olon-tiana _a
Aono misy fifaliana_a
Ao izay toy ny fahantrana _b
Hasambarana mazàna_b
Ohatra2: Raha toa manadino aho, ry Nosy malala _a
Ny rako mafana anie hamanala_a
Raha toa tsy inona no andrin’ny foko_b
Ny androko sisa ho feno toloko_b
v Rima mifaningotra : ab ab
Ohatra1: Ry foko ô tsarovy _a
Ny ivahiniana_b
Tsy rano ray mitovy _a
Fa soratra zandiana _b
Ohatra2: Omeo anay ry fiainana_a
Ny mamy aminao_b
Ny ora itarainana_a
Tapero sy ravao_b
v Rima mifampisakambina: a bb a
Ohatra1: Raha izany sombinaina_a
Raha izany no niafaran’ireo nandrasana hijery_b
Sy hitondra fanafody hanasitrana ny fery_b
Iza indray no antenaina_a
Ohatra2: Eritreritra miampita no manainga ny vinany_a
Mba hanembona mazana ‘lay akany nisehoana_b
Ka ny foko manina azy dia misentosento foana_b
Saingy tsy afaka manoatra noho ny elanelan-tany_a
Toy izao kosa ny fomba fijerin’i Jupiter :
Araka ny voninahiny sy ny anarany avy. Nataon’i Jupiter mba hifankahazoan’ny Poètes sy hifampiresadresahany ny amin’ny raharaha fanaony:
· Ny Poésie RAMIARY
Voninkazo tsotra sady tsy misy fofony , nefa mba tian’ny samoina izaitsizy. Ny andalany 1e sy 4e no miady , ary 2e sy 3e kosa no miady :
Ny ditra nataoko fahiny,
Hafoiko tsy hataoko intsony;
Ny diso natao mba sarony,
Ka mba hadinoy re ny tsiny!
· Ny Poésie DALIA
Voninkazo tsara tarehy, tsara bika, kanefa tsy manana fofona manin-tona ny fanamboloana. Tsara indrindra ho haingon’ny latabatra rehefa vitan’ny mpahay azy am-pehezana. Ny andalana midanelanelana no miady :
Izaho no ray aman-dreny
Dia havana tsy mba hamboina;
Mangina fa aza miteny,
Izaho no hisolo-voina.
· Ny Poésie ROSE
Ilay voninkazo fantatry ny be sy ny maro, tsara tarehy sady manitra, ayr noho ny fitiavany azy, dia hadino ny rangotry ny tsilony. Ireny no ataon’ny tia ho marika ny fitiavany ny malalany, ka faly ery izy mametraka azy amin’ny lava-bokotry ny akanjony . Ny anadalana roa aloha no miady, ary ny roa aoriana kosa no miady:
Misava ny sento rehetra,
Mionona fa tsy mitsetra,
Rehefa ny tia no miteny,
Matoky rehefa ekeny.
· Ny Poésie VIOLETY
Voninkazo manetry tena, manan’endrika mateza dinihina tsy mba fidin’ny mpanao maso vao sy ny tia rendrarendra, nefa mampiherika ny mpandalo sy mampitodika ny maika , amin’ny fofony mandraraka izay mahavonto ny rivotry ny habakabaka. Andalana enina izy, ka ny telo aloha miady, ary ny telo aoriana miady. Mahalana ny Poète no mampiasa azy.
Ny hanta sy angolangola;
Fanaony rehefa midola.
Kanefa tsy mahatola;
Fa raha mihaotra ny vala,
Hanaikitra toy ny tsingala,
Hafoiko fandrao manadala.
-2-
· Ny Poésie LISY
Ilay voninkazo fotsy toy ny oram-panala , ary mangatsohatso toy ny ando avy an’efitra , izay nofidina ho fara-fampisehoam-pifaliana, rehefa tanteraka ny fikasan’ny ampakarina. Izy no andravahana ny firavany miaraka amin’ny vonim-boasary ; ka irina indrindra ny hahazo aminy, na dia sombiny kely aza. Ny fofony dia minitra toy ny fitiavana. Miady avokoa ny andalana rehetra aminy.
Ny foko tsy an’olon-kafa,
Na zovy no ta-hanatsafa,
Ny tia tsy manova tafa,
Anio sy ny omaly tsy tafa.
Ireo no filaharana izay mahazatra ny Poète sy ampiasainy madrakariva, kanefa mbola misy antokony hafa koa izay ambony sy tsara kokoa noho ireo; ary indro halahatra eto izy :
· Ny Poésie DALIA VOLAFOTSY
Ny filaharany dia toy ny Dalia ihany , fa izy kosa dia miady amin’ny fiantombohana koa ny fiafarana :
Miteny ny ray aman-dreny,
Manoa ny zaza no soa,
Ekeny ny anatr’omeny,
Ho voa ny mpiroaroa.
· Ny Poésie ROSE VOLAFOTSY
Ity koa dia toy ny Rose ihany, nefa mitovy koa ny voalohany sy ny farany isan’andalana.
Ny fony tsy rototr’antsony,
Fa tony tahaka ny ony;
Adala izay mankalaza
Voavala ny fon’Imalala
· Ny Poésie VIOLETY VOLAFOTSY
Sahala amin’ny violety ihany,fa ny farany kosa dia sahala amin’ny fiantombohana:
Ny tianao na mahavariana,
Vangina dia mahasondriana;
Oviana no mba nihafiana!
Safidy ka sarotr’amidy;
Mangidy tsy laitram-panidy;
Tsy didy fa fo vita hidy
b) Ny rima araka ny hafenoany
· Rima feno mihoatra : mitovy manomboka eo amin’ny zana-peo mitondra ny tsindrim-peo farany, miampy ny renintsoratra eo alohany na mihoatra
Ohatra : … tanteraka
… niteraka
· Rima feno : mitovy avokoa ny feo manomboka eo amin’ny ngadona farany
Ohatra : … tomandavana
… mavamavana
· Rima zara fa feno : mitovy ny feo manomboka eo amin’ny ngadona farany saingy misy renifeo tsy itoviany.
Ohatra 1: … aloa
… loha
Ohatra 2: … matroka
… vasoka
· Sary rima na zara fa izy: ny zana-peo farany mitondra ny ngadona ihany no mitovy
Ohatra : … vonton-drà
… lehilahy