Généralités
NY SOKAJIN-DAHATSORATRA MITANTARA
1. Famaritana :
Lahatsoratra mampitamberina zavatra efa lasa amin’ny fotoana ankehitriny, izay mety ho tena nisy na noforonin’ny saina fotsiny ny sokajin-dahatsoratra mitantara.
2. Ny firafiny:
Ireto avy ny mandrafitra ny sokajin-dahatsoratra mitantara:
- Toe-javatra tantaraina:
Ahitana :
· Fiandohana
· Singa mpanova manelana izay mampivoatra ny tantara, izay antsoina hoe « VONA »
· Famaranana
- Ny mpandray anjara:
Izay ahitana:
· Mpandray anjara fototra….. (voaresaka voalohany ka hatramin’ny faran’ny fitantarana)
· Mpandray anjara mpanampy na ravaka (Entina mampivoatra ny tantara)
· Matetika dia misy olana foana eo amin’ny mpandray anjara
- Toerana sy fotoana nitrangan’ilay zavatra
3. Ny mampiavaka azy:
Ankoatra ny famaritana sy ny firafiny dia anavahana azy koa ny fahitana any ireto:
- Voambolana milaza fotoana lasa toy ny hoe:
o fahiny, fahagola, fony
o indray andro, hono, indray mandeha izay, tamin’izay…..
- Marika ny filazam-potoana lasa betsaka tahaka ny: t-any, n-ianatra…, no-forana, tinapaka, …
Ohatra :
- Fofombadiko _EDA
- I Vola _ Andry ANDRAINA
- Orimbaton’ny fiadanana_Michel ANDRIANJAFY
- Itrimofoloalina_RABETSIMANDRANTO Fidelys
- Vakivakim-piainana _IPA
- Bina _Auguste RAJAONARIVELO
- Vorom-by _RANDRIAMIADANARIVO
- Ny zanako _ Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA
- Miandry anao_ TREZAN (Jasmina RATSIMISETA)
- Ranomaso _ Lys Ber (Joseph Honoré RABEKOTO)
- Irène Ralimà _JJR
- Ikotofetsy sy Imahakaha
- Ny nahatonga ny reniakoho hanilika