Allgemeines
NY FIFAMPITSIMBINANA
1- Famaritana :
Fifamaliana asa ataon’ny olona roa na maromaro mba hitandrovana ny ainy sy ny fahavelomany ny atao hoe “Fifampitsimbinana”.
2- Endrika isehoany
- Fifanampiana
- Fifamonjena amin’ny sarotra
- Firaisan-kina
- Fifanomezan-tanana
3- Sehatra anehoana azy
- Eo amin’ny fianakaviana
- Eo amin’ny mpiara-monina
- Eo amin’ny mpiara-miasa sy mpiara-mianatra
- Eo amin’ny mpiray tanindrazana sy ny hafa firenena
- Eo mpiray finoana (any am-piangonana)
4- Ny hevitra fonosiny
Zava-poana ny fifampitsimbinana raha tsy voizin’ny “fifankatiavana” ao anaty fihavanana. Noho izany, mirakitra hevitra fifankatiavana izy.
5- Ny ilana ny fifampitsimbinana
Ilaina ny fifampitsimbinana satria:
- Tsy misy olombelona mahavita tena, tsy misy manana ny ampy, fa izay tsy ananan’ny iray mety hananan’ny hafa
- Mampivoatra sy mampandroso ny tsirairay ary ny firenena.
- Itsimbinana ny aina,
- Ikajiana ny herim-batana, ny herin-tsaina
- Anavotana ny marefo
- Hery entina mampandroso
- Antoky ny firaisan-kina
6- Ohabolana momba ny fifampitsimbinana
· “Asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana”
· “Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana”
· “Raha manao ny tsy ambinina ampisambory fa havana ory, fa raha miraviravy tanana avelao hivarina amin’ny tany”
· “Ataovy toy ny fihavanan’ny vava sy ny tanana, raha maharary ny tanana mitsoaka ny vava ary raha maharary ny vava manafosafo ny tanana”