Allgemeines
FAMINTINAN-DAHATSORATRA
1. Famaritana:
Ny famintinan-dahatsoratra dia lahatsoratra nohafohezana ao anaty fehezanteny roa raha kely indrindra ary efatra raha be indrindra, ka mahalaza ireo hevi-dehibe raketin’ny lahatsoratra.
2. Drafitra arahina:
- Vakina tsara ny lahatsoratra (in 4 na in 5).
- Takarina ny teny manan-danja ao amin’ny fehezan-teny.
- Tadiavina ny fizarana lehiben’ny lahatsoratra (drafitry ny lahatsoratra) ary fintinina ny hevira voalaza isan‘andininy (renihevitra).
- Atao amin’izay ny famintinana ka tsy maintsy alahatra araka ny fizotran’ny lahatsoratra izany.
3. Fafana mamintina fikaraohan-kevitra:
Teny manan-danja [TMD]
Zana-kevitra
[ZK]
Renihevitra
[RH]
- TMD 1
- ZK 1
- RH 1
- TMD 2
- ZK 2
- TMD 3
- ZK 3
- RH 2
- TMD 4
- ZK 4
- TMD 5
- ZK 5
- RH 3
- TMD 6
- ZK 6
Famintinan-dahatsoratra = RH 1 + RH 2 + RH 3
Fanamarihana:
- Mampiasa vakiraoka
- Tsy azo atao ny mitsipona na mandika be fahatany ny fehezanteny nampiasain’ny mpanoratra
- Tsy atao mihoatra ny fehezanteny takina no omena
- Mamorona fehezanteny ary mifandray tsara ny hevitra
- Tandremana tsara tsy diso tsipelina
- Tsy atao lava loatra ny fehezanteny fa fehezan-kevitra roa raha lava indrindra.