Généralités
MALAGASY KILASY FAHATELO
KILASY FAHATELO
Tanjon’ny taranja
Toy ny teny rehetra fampiasan’ny firenen-tsamihafa eran-tany, ny teny
Malagasy dia fitaovana mahomby ahafahana mamolaka sy mifehy ny fahalalana;
Ny fahaiza-manao ary ny tetika anabeazana feno ny maha olona
(vatana, saina, fanahy) sy ahazoa-mivelatra eo amin’ny lafim-piainana rehetra.
Noho izany, ny fampianarana ny teny Malagasy dia tokony hitaiza ny mpianatra:
· Hahalala ny kolontsaina sy ny rafi-pisainana Malagasy manaraka ny fivoaran’ny tantara;
· Ho afaka mitia sy mikolo ary mandamina ny haren-tsaina Malagasy no sady afaka misokatra amin’ny haren-tsain’ny hafa;
· Ho matotra eo amin’ny fifampikasohany amin’ny hevitra isan-karazany: sady mahay mihaino no afaka maneho mazava sy manohana ny heviny;
· Hanana saina liana amin’ny fivoarana sy tia fandrosoana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany;
Tanjon’ny taranja Malagasy aty amin’ny ambaratonga faharoa
Ny mpianatra nahavita ny fianarana ato amin’ny ambaratonga faharoa
dingana voalohany dia mpianatra afaka:
· Mamakafaka ny haren-tsaina sy fahendrena Malagasy voatahiry ao anatine lahabolana sy lahatsoratra na lovantsofina;
· Maneho hevitra matotra sy mirindra ary tsy ahitana fahadisoana na eo amin’ny lafiny fitsipi-pitenenana na eo amin’ny fanoratana;
· Mamakafaka sy mandanjalanja ny votoatin’ny hevitra mifampikasoka aminy;
· Manaporofo ny fahaizany mitrandraka lahabolana sy lahatsoratra.
Tanjona ankapobeny ato amin’ny Kilasy Fahatelo
Amin’ny fiafaran’ny fianarany ato amin’ny kilasy fahatelo ny mpianatra dia afaka:
· Mamantatra ny maha-malagasy azy eo amin’ny lafiny kolon-tsaina;
· Mampihantra ny teknikan’ny fanndinihana lahatsoratra na lahabolana;
· Mitsimpona ny hevitra ao amin’ny asa literera nodinihiny;
· Mamintina izany araka ny fivelaran-tsainy sy izay nampianarina azy
· Mifehy ny lalàn’ny fifanerierana eo amin’ny lafiny hevitra:
- Mahay mihaino ny hafa
- Mahay maneho sy manohana ny heviny
· Mandanjalanja ny ankolafin-kevitra hainy tany am-pianarana ary mampihantra izany eo amin’ny fiainanana andavanandro.
Lanjan’ora
Ora 4 isan-kerinandro
Malagasy
Ny Literatiora
Faharetany: ora 16
Tanjona ankapobeny
Mpianatra afaka :
· Mifehy ny dingana rehetra amin’ny fandinihana lahatsoratra na lahabolana;
· Manavaka ireo sokajin-kevitra azo tarafina ao amin’ny lahabolana sy / na lahatsoratra;
· Mampitombo ny vakomanitra ananany eo amin’ny sehatry ny literatiora Malagasy;
· Mamorona andalan-dahatsoratra sutra ahitana fifanjohian-kevitra mirindra.
Tanjona manokana
Vontoatiny
Fanamarihana
Mpianatra afaka:
· Mamaritra sokajina literatiora maneho ny fijery telo ;
· Mitsimpona ny sokajin-kevitra raketiny
· Mamaritra ny fizaran’ny lahatsoratra na lahabolana voasoratra
· Mamantatra ny foto-kevitra ijoroan’ny lahatsoratra
· Mifehy ny teknikan’ny famoronana lahatsoratra tsotra mandresy lahatra
· Manoritsoritra ny anjara toeran’ny literatiora eo amin’ny fiainan-piarahamonina
· Manamporofo ny maha-fialam-boly ny literatiora;
· Manamarina ny fanabeazana ny lahatsoratra na lahabolana
· Manabe voho ny vakomanitra ananany eo amin’ny sehatry ny literatiora Malagasy
· Mamantatra ny amin’ny mpanoratra
· Mamaritra izay hakanto mampiavaka azy eo amin’ny fomba fanoratana;
Ø Ny sokajina literatiora mandresy lahatra
· Famaritana
· Ny hevitra fonosiny
· Ny fizaran’ny lahatsoratra na lahabolana
· Ny foto-kevitra ijoroan’ny lahatsoratra
· Famoronana lahatsoratra mandresy lahatra
· Ny anjara asan’ny literatiora
· Ny literatiora fialam-boly
· Ny literatiora fanabeazana
Ø Ny mpanoratra Malagasy sy ny asa sorany
· Ny tantaram-piainany
· Ny asa sorany
- ny hakanto
- ny famoronana
Asa azo tanterahina
· Famerenana sy fampitahana amin’izay sokajy rehetra efa hita tany amin’ny kilasy zandriny:
· Famerenana sy famintinana
· Fandinihana ny endrika sy ny firafitry ny literatiora mandresy lahatra ; ny paika sy ny lalan-tsaina enti-mandresy lahatra:
- Ny rafitra : tohan-kevitra / tsipa-kevitra / fandravonana / fanazavana +tolo-kavitra;
- Ny filaza;
- Ny voambolana
Asa azo tanterahina
§ Famerenana sy fampitahana amin’izay sokajy rehetra efa hita tany amin’ny kilasy zandriny
- Fandinihana ny endrika sy ny firafitry ny literatiora mandresy lahatra ; (ny paika sy ny lalan-tsaina enti-mandresy lahatra ny paika sy ny lalan-tsaina enti-mandresy lahatra: ny rafitra , ny filaza, ny voambolana ampiasaina…)
Asa azo tanterahina
· Tohizana ny fandinihana tetsy ambony
· Ny teny na andian-teny na fehezanteny mamintina ny renihevitra na any hevi-dehibe no lohanteny(teny tokana na andian-teny) na hevitra fonosiny na famintinana(fehezanteny) ny fizarana
· Tohizana amin’ny alalan’ny fanakarana ny hevitra ambadika n any hevitra tsy raikitry ny hevi-dehibe fonosin’ny lahatsoratra , ny asa tetsy ambony
· Tokony hisy seho iray ianarana ny momba ny teknikan’ny fandresen-dahatra
Asa azo tanterahina
· Tarihin’ny mpampianatra na atao asa ifaninanan’ny isa-tarika aorian’ny fanaovana miaraka ireto dingana ireto:
- Famaritana ny lohahevitra
- Fisafidianana ny foto-dresaka miainga amina toe-javatra na olana napoitra tamin’ny fanadihadiana lahatsoratra
- Fananganana ny drafitra an-tsipiriany hevi-dehibe, zana-kevitra…)
Asa azo tanterahina
· Fandinihana asa lahatsoratra iaraha-manao;
· Fanadihadiana tahirin-kevitra ampanaovina sokajy arahina famelabelaran-kevitra sy fanitsiana iaraha-manao. Asongadina amin’izany ny ampiasana ny karazana literatiora, ny sehatra ivelarany, ny sokajin’olona iantefany, ny kendrena aminy…
· Asongadina amin’ny lesona : ny canto sy ny mahafinaritra , ny mahatsikaiky…ao amin’ny lahabolana na lahatsoratra, ny ba, ny ngadona, ny rima isan-karazany, ny rivotra iainana, ny tontolo sy ny sary raketiny, ny filazan-javatra…
· Anehoana ireo karazan-kafatra raiketin’ny literatiora amin’ny maha fitaizana azy eo amin’ny lafiny riba (soatoavina, fahaiza-miaina, ny zava-nisy samihafa tamin’ny vanim-potoana nahaterahany…)
· Ny mpanoratra ianarana:
o Esther R. RANDRIAMAMONJY
o RATSIFANDRIHAMANANA C.
· Asa soratra ianarana:
- Ho avy ny marina
- Esther R. RANDRIAMAMONJY
- Lavakombarika
· RATSIFANDRIHAMANANA C.
- Tononkalo voafantina misy ireo karazana rima rehetra
- Ny rima: ny karazany rehetra, filazan-zavatra
- Ny ngadona…
- Ny aingam-panahy, ny talenta, ny zava-misy niteraka ilay literatiora.
- Fianarana mamorona asa soratra kanto, miady rima na tsia, miainga amina ala tahaka, mankany amin’ny famoronana tanteraka. Iaraha-manao na ifaninanan’ ny tsirairay na any sokajy na any kilasy
Malagasy
Torolalana ankapobeny
· Ny fandinihana ny literatiora dia manomboka amin’ny fahafolahana ny dingana rehetra eo amin’ny vakiteny: vakiteny mafy sy mirindra, vakiteny mangina, fitsimponana ny sokajin-kevitra fonosiny izay mahakasika ny literatiora maha literatiora azy ary indrindra ny riba ianarana( jereo fafana fanadihadiana…)
· Anisan’ny mahakanto ny asa soratra ihany koa ny firindran’ny votoantiny sy ny endriny ivelany. noho izany dia azo atao tsara any mitrandraka ny hevitra fonosin’ny lahatsoratra na lahabolana dinihina avy amin’ny fanehoan-kevitra sy ny filazan-javatra ampiasain’ny mpanakanto, ny tantaram-piainan’ny mpanoratra. Araka izany ny fandinihana ny literatiora amin’ny maha-literatiora azy dia tsy anokanana afa-tsy seho vitsivitsy ihany: famaritana ny literatiora, tantaram-piainan’ny mpanoratra, ny mampiavaka azy, ny asa soratra.
· Mikasika ny hakanto eo amin’ny lafiny fanehoan-kevitra sy filazan-javatra dia ezahina hamolaka izay efa hita tany amin’ny kilasy rehetra teo aloha miampy ireto: ny fehezanteny mitombo vahana, ny filazan-javatra manao an-tanan-tohatra, ny tamberina an-doha sy am-paran’ny famelabelarana(inclusion) ny tamberin-teny mifanesy tsy misy mpampitohy(épizeuxe); ny filaza masaka(hyperbole); ny fanalefahan-kevitra( litote, euphémisme);
· Miainga amin’ny antotam-panontaniana omen’ny mpampianatra hatrany ny asa fanadihadiana ataon’ny mpianatra
Tombana
· Famenoana ny banga ao amin’ny fafana fitrandrahana lahatsoratra na lahabolana;
· Famoronana miainga amin’ny fankan-tahaka lahatsotra iray (eo amin’ny lafiny firafitra, fifanjohian-kavitra, lalan-tsaina,…) ifaninanan’ny tsirairay na ny tarika na ny kilasy
· Fandrafetana feno andalan-dahatsoratra iaraha-manao na ifaninanan’ny tsirairay miainga amina drafitra niaraha-nanefy na natsangan’ny tarika;
· Fampifandraisana amina tsilo ny singa tokony hifanitsy ao amina vondrona roa A sy B mifanatrika ohatra:
A = vondrona endrika, lohatenin’asa soratra, rima ....
B = vondron’anarana mpanoratra, anarana rima, ; sokajin-dahatsoratra…