Généralités
NY MARINA
1. Famaritana
1.1 Ara-piforonan-teny
Avy amin’ny fototeny hoe “arina”, izay enti-milaza fijoro na fitraka, fipetraka tsara tsy mihilana na mirona ny hoe marina, izany hoe ilay tena izy, mifanaraka amin’ny zava-misy, tsy nanampiana na nanesorana na namboamboarina.
1.2 Ara-kevi-teny
· Ny marina dia ilazana ny toe-javatra iarahan’ny besinimaro manaiky.
· Ny marina ihany koa dia ilazana ny toe-javatra misy porofo tsy azo lavina
· Ny marina dia ilazana zavatra maharesy lahatra na dia tsy ahitana porofo aza: ohatra ny finoana
1.3 Andian-teny ahitana ny hoe marina
- Marin-drano : mitovy tantana, tsy misy avo sy iva
- Marin-tampona : vohitra na havoana na tendrombohitra mitovy tantana ny tampony
- Tany marina : toerana tsy mikitoantoana, tsy misy avo sy iva
- Marin-toerana : mahazo toerana tsara, tsy mihozongozona, mijoro tsara tsy mihilana
- Marim-pototra: azo antoka, azo porofoina, mitombina
- Filaza marina: izay fanambaran-kevitra na toe-javatra araka izay tena nitranga, tsy analana, tsy anampiana, tsy azo hozongozonina, mifanohitra amin’ny lainga sy ny fitaka;
- Hevitra marina: hevitra eken’ny saina mieritreritra sy mandanjalanja, azo porofoina, mitombina, mifanohitra amin’ny hevi-diso;
- Olo-marina: olona manara-dalana, manaraka ny tokony ho izy, tsy mandainga, tsy mamitaka, mihaino ny feon’ny fieritreretana, azo itokisana, mahay mitsara tena, tsy miangatra, mitazona ny teny omeny.
2. Fototra iorenan’ny marina
- Fanarahana ny lalàna ifampifehezana
- Marina miorina amin’ny fifanarahana
- Fanaporofoana (ara-tsaina, ara-tsiantsa)
- Marina miorina amin’ny finoana (fandresen-dahatra tsy misy porofo)
- Fanajana ny anjara toeran’ny tena eo anivon’ny rafi-piarahamonina
- Fanatanterahana ny adidy aman’andraikitra
- Fiarovana ny aina
3. Ny toetran’ny marina
- Tokana ny marina
- Tsy azo totofana, tsy azo afenina
- Saro-tadiavina
- Manify
- Miafina
- Miovaova araka ny toerana sy ny fotoana ary ny zava-misy
- Tsy maintsy mibaribary ny marina na ho ela na ho haingana.
Fanamarihana : Mitaky fandanjalanjana tsara anefa ny filazana ny marina satria:
- Ny marina rehetra tsy filaza avokoa,
- Manana ny fotoanany ny filazana ny marina
- Mitady ho takona ny marina ankehitriny noho ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola ary ny fitiavam-boninahitra
4. Vokatry ny fitandroana ny marina
4.1 Tsara
- Filaminan-tsaina
- Fandriampahalemana
- Fifampitokisana
- Fiarovana ny fihavanana
- Fifanajana
- Firindran’ny fiarahamonina
- Manamafy orina ny fihavanana
- Mampandroso ny fihariana
- Mahatonga ny olona hifanome hasina
- Mampanam-panahy
4.2 Ratsy
- Mampisy diasadisa, fialonana
- Rava ny lamina ara-piaraha-monina na ara-pitondrana
- Ady sy korontana
- Fisaraham-bazana
- Famoizana aina
- Manohintohina ny fananam-panahy
5. Sakana tsy ahitana ny marina
- Ny henatra
- Ny kolikoly (vola)
- Ny fihavanana
- Ny fahefana
- Ny fahatahorana valifaty
- Ny fananan-karena
- Ny tahotra
- Ny lainga
- Ny fitiavan-tena
- Ny finoana : tsy mety manaiky ny marina mihitsy ianao noho ny finoana ao aminao, ohatra tsy misy ny zazavavin-drano
6. Tenina mpandinika
- Joseph RABETAFIKA: “Mangidy andro andrenesana matetika ny filazana ny marina.”
- J. Nalisoa RAVALITERA: “Ny tanintsika leitsy tsy mahantra olo-manga fa mahantra olo-marina”
- Ny alina d’Ambohidahy:
o “Matoa misy ny firenena fatra-pandroso dia noho ny faherezan’ny saina mikaroka sy mankato ny marina.”
o “Ny saina mangetaheta ny marina dia mety hahita izany tokoa rehefa tsy mihevitra afa-tsy izay miseho eo anoloany”.
o “Ny saina no mikaroka izay atao hoe “marina”
- Ny Avana RAMANANTOANINA:
o “Izay manam-bola,izay manam-bava,ireo no marina eke-lalandava.”
o “Ny fahamarinana tadiavinao,
Dia nofy mihelina sady mandao
Ny andro anofisana, azo tsapaina,
Fa lasan-ko aloka nony maraina”
- Michel ANDRIANJAFY : “Ny fahamarinana no hanim-pihinana, ny rariny no rivotra ivelomana, … sambatra ny tany anjakany”
- RATREMA William: “Tsy afaka manao ny rariny amin’ny olona iray isika raha tsy mahafantatra ny marina momba azy”
- Fredy RAJAOFERA: “Vidio ny marina ka aza amidy fa io no maha olom-banona”
- ANDRY ANDRAINA:
o “Araikitry ny olona amin-javatra betsaka ny fahantrana, ary ao anatin’izany ny tsy fahamarinana heverina ho tandra vadin-koditra amin’izay tsy manana rehetra”
o “… Raha samy manana ny filazany amin’javatra iray ny manana sy ny tsy manana, inoana kokoa ny tenin’ny manana”
- Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA: “Tsy mampaninona ny milaza ny marina”
- RAINANDRIAMAMPANDRY:
o “Lazaiko amin’ialahy marimarina fa tsy maintsy hirodana ny fanjakantsika raha tsy tohanan’ny fahamarinana”
o “Isaory izay milaza ny marina sy ny mety ataonao”
- J.RABETAFIKA: “Mangidy andro andrenesana matetika ny filazana ny marina”
- A. RAKOTOVAO:
o “Hiadana ny tany raha ny marina no ampanjakaina”
o “Ny firenena sambatra sy miadana indrindra dia ny firenena mampanjaka ny fahamarinana.”
- Maurice RASAMUEL: “Izay ela niainana mahita ny marina tokony hizorana”
- DADAVELO:” Izany fitiavana ny marina izany no mahatonga ny maro ho sahy miaritra ny loza sy ny fandatsahan-drà ary ny fahafatesana aza hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny, izay heveriny fa hitsakitsahin’ny tia fahamarinana”
- E.D. ANDRIAMALALA:
o “Tahaka ny fahasamihafan’ny lanitra jerena amin’ny fotoana sy ny toerana mifanalavitra ny fiovan’ny endriky ny fahamarinana tazanina eto amin’ity fiainana ity, sy ny zana-tohatra manarakaraka azy”
o “Ny fitondrana marina dia mandray ny heriny avy amin’ny vahoaka sy mifototra amin’ny Rariny sy ny Hitsiny araka ny fisainana maha olombelona.”
7. Ohabolana sy fomba fiteny
- “Teny zato, kabary arivo fa ny marina tokana ihany.”
- “Ny marina tsy mba maty.”
- “Ny olo-marina tahaka ny vato lava sorona ka izay hametrahana azy marina avokoa.”
- “Ny marina toy ny afo raha kobonina mandoro.”
- “Kibokiboin’ny marina ka milaza ny tsy anontaniana”
- “Ny marina toy ny trondro vaventy ; tsy hita raha tsy amin’ny rano lalina.”
- “Ny marina ankanifisana: raha tsy tsikeraina tsy hita.”
- “Ny marina toy ny volamena latsaka am-bovoka ka tsy avelan’ny hasoany tsy hihiratra.”
- “Fanafodin’ny osa ny marina ataony.”
- “Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra.”
- “Mahavonjy poritra fa tsy mahavita taona ny lainga”
- “aza manao lainga marivo tototra ka helezin’ny akoho tokan’anaka.”