Généralités
MALAGASY KILASY FAHATELO
KILASY FAHATELO
Haiteny
Faharetany: ora 46
Tanjona ankapobeny
Mpianatra afaka:
· Mikirakira ny teny malagasy amin’ny maha-fitaovam-pifandraisana sy vondron-tsinga azy
· Mifehy ny fampiasana ny hasin-teny sy ny fifandraisany ara-tarika amin’ireo singa samihafa ao amin’ny fehezanteny:
- Mikirakira ny fifamatorana ara-tariky ny singa ao amin’ny fehezanteny
- manana tetika mazava sy safidy voasaina amin’ny fandrafetana sy fandinihana fehezanteny
- Mifehy ny fandrafetana fehezanteny
· Mamolaka ny lalan-tsaina andrafetana na amaritana lahatsoratra araka ny sokajiny avy
· Maneho hevitra amin’ny fehezanteny tsotra, , mazava ary manara-pitsipika na amin’ny am-bava na amin’ny an-tsoratra
· Manana rafitra maty paika sy mazava tsara ao an-tsainy amin’ny fanehoan-kevitra eo seham-pitenenana samihafa
Tanjona manokana
Vontoatiny
Fanamarihana
Mpianatra afaka:
· Mifehy ny tetika anavahana ny fehezanteny kely indrindra mivany roa na telo
· Manatsoaka ny tetika amaritana ny fehezanteny misy EM matoanteny mitaky RF
· Manatsoaka ny tetika amaritana ny fehezanteny misy EM matoanteny tsy mitaky RF
· Mamantatra ny endrim-pifandraisan’ny singa manandanja ao amin’ny fehezanteny ahitana EM matoanteny
· Mamantatra ny hevitra ara-drafitry ny L na fitodiky ny fehezanteny misy EM matoanteny aman-tovona
mo- /ma-
(Tsy mitaky RF)
· Mamantatra ny hevitra ara-drafitry ny RFmifandray ara-tarika amin’ny hasin-teny ma-/man-/mi1- (mirafitra amin’ny EM rehefa avadika ho L)
· Mamantatra ny hevitra ara-drafitry ny L ao amin’ny fehezanteny misy EM matoanteny mitovona
-ina- -ana tsy mitaky RF, n any fitodiky ny fehezanteny manana io endrika io
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitry ny RF mifandray ara-tarika amin’ny hasin-teny
–ina /-ana (mirafitra amin’ny EM rehefa avadika ho L)
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitry ny L ao amin’ny fehezanteny misy EM matoanteny mitovona a- tsy mitaky RF, na ny fitodiky ny fehezanteny manana io endrika io
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitry ny RFmifandray ara-tarika amin’ny hasin-teny a- (mirafitra amin’ny EM rehefa avadika ho L)
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitry ny L ao amin’ny fehezanteny misy EM matoanteny mitovona ma/man-/mana/mi- /mo- mitaky RF, na ny fitodiky ny fehezanteny manana izany endrika izany
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitry ny RF mifandray ara-tarika amin’ny hasin-teny ma/man-/mana/mi- /mo- (mirafitra amin’ny EM matoanteny rehefa avadika ho L)
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitry ny L ao amin’ny fehezanteny misy EM matoanteny aman-tovona a- mitaky RF, na ny fitodiky ny fehezanteny manana io endrika io
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitry ny L ao amin’ny fehezanteny misy EM matoanteny mitovona a- tsy mitaky RF, na ny fitodiky ny fehezanteny manana io endrika io
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitry ny L ao amin’ny fehezanteny misy EM matoanteny mitovona ana- , na ny fitodiky ny fehezanteny manana io toetra io
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitry ny L ao amin’ny fehezanteny misy EM matoanteny mitovona ma-/ man- / mo- /mana/ /mi hatevenin’ny tsofoka –amp- /-amp- -if- , na ny fitodiky ny fehezanteny manana io toetra
· Mamaritra ny endri-pifandraisan’ny RF mifandrohy ara-tarika amin’ny hasin-teny ma- /man- /mana- /mi- / /mo nohatevenin’ny tsofoka –amp- rehefa avadika ho lazaina
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitry ny L ao amin’ny fehezanteny misy EM matoanteny mitovona ma- /man- /mana- //mi- / /mo- nohatevenin’ny tsofoka
-if- /-if-amp- / -if-anka- na ny fitodiky ny fehezanteny manana izany endrika izany
· Mamaritra ny endrim-pifandraisan’ny RF mifandrohy ara-tarika amin’ny hasin-teny ma- /man- /mana- /mi- / /mo nohatevenin’ny tsofoka –if-; -if.amp rehefa avadika ho lazaina
Mpianatra afaka
· Mamantatra ny endrim-pifandfraisan’ny singa manandanja ao amin’ny fehezanteny ahitana EM tsy matoanteny
· Mamantatra ny hevitra ara-drafitry ny L sy ny fitodiky ny fehezanteny misy EML teny tokana tsy matoanteny na andian-teny tso-drafitra
· Mamaritra ny endrim-pifandraisan’ny RF mifandrohy ao amin’ny fehezanteny ahitana EM teny tokana tsy matoanteny mitovona amin’ny hasin-teny maha-
Manka- /mampi- /mampa- …
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitra ny Lazaina sy ny fitodiky ny fehezanteny misy EM teny tokana tsy matoanteny mitovona maha-
Manka- /mampi- /mampa- …
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitra ny RF mifandray ara-tarika amina EM teny tokana na andian-teny tso-drafitra mitovona maha- /mampi- /mampa-rehefa avidika ho L
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitra ny Lazaina sy /na ny fitodiky ny fehezanteny ahitana EM teny andian-teny mivadi-drafitra tsy misy tsirin-teny maha- /mampi-
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitry ny RF mifandray ara-tarika amina EM teny tokana na andian-teny mivadi-drafitra aman-tovona tsy misy tsirin-teny maha- /mampi-/mampa-
rehefa avidika ho L
· Mamantatra ny endri-pifandraisan’ny L ao amin’ny fehezanteny ahitana EM andian-teny mivadi-drafitra aman-tovona maha- manka- /mampi- /mampa-…na fitodiky ny fehezanteny manana izany toetra izany
· Mamaritra ny hevitra ara-drafitry ny RF mifandray ara-tarika amina EM teny tokana na andian-teny mivadi-drafitra aman-tovona maha- /manka-/mampi-/mampa-
rehefa atao L
Mpianatra afaka
· Mamaritra ny antsoina hoe: fehezankevitra
· Mamantatra ny sokajin’ny teny mampifandray ireo fehezankevitra ireo
· Mamaritra ny antsoina fehezanteny mahaleo tena
· Mamantatra ny anjara asan’ny mpampifandray fehezankevitra mahaleo tena ao amin’ny fehezanteny
· Mamaritra ny antsoina hoe: fehezankevitra mifampiankina
· Mamaritra ny anjara asa fototra ao amin’ny fehezanteny misy fehezankevitra mifampitsofoka
· Milaza ny anjara asa fototra ao amin’ny fehezankevitra mitsofoka
Ø Ny fehezanteny
· Ny fehezanteny kely indrindra
· Ny fehezanteny mivany telo
· Ny fehezanteny mivany roa
Ø Ny hevitra ara-drafitra sy fitodika raha matoanteny ny EM
· Ny hevitra ara-drafitra sy ny fitodika “sehatra”
· Ny RF “Sehatra”
· Ny hevitra ara-drafitra sy ny fitodika « Iharana”
· Ny RF “iharana”
· Ny hevitra ara-drafitra sy ny fitodika “Atao”
· Ny RF “Atao”
· Ny hevitra ara-drafitra sy fitodika “Mpanao”
· Ny RF “Mpanao”
· Ny hevitra ara-drafitra sy fitodika “Fitaovana”
· Ny RF “Fitaovana”
· Ny hevitra ara-drafitra sy ny fitodika “Mpandray”
· Ny hevitra ara-drafitra sy ny fitodika “Mpampanao”
· Ny RF “Mpampanao”
· Ny hevitra ara-drafitra sy ny fitodika “Mpifanao”
· Ny RF “Mpifanao”
Ø Ny hevitra ara-drafitra sy ny fitodika raha tsy matoanteny ny EM
· Ny hevitra ara-drafitra sy ny fitodika “Tsaraina”
· Ny RF “Tsaraina”
· Ny hevitra ara-drafitra sy ny fitodika “Mpamari-toe-javatra tsaraina”
· Ny RF “Mpamari-toe-javatra tsaraina”
· Ny hevitra ara-drafitra sy ny fitodika “Tompon-javatra”
· Ny RF “Tompon-javatra”
· Ny hevitra ara-drafitra sy ny fitodika “Mpamari-toe-javatra tompon-javatra”
· Ny RF “Mpamari-toe-javatra tra tompon-javatra”
Ø Ny fehezankevitra
· Famaritana
· Ny sokajin-teny mampifandray fehezankevitra
· Ny fehezankevitra mahaleo tena
· Ny fehezankevitra mahaleo tena mifampitohy
· Ny fehezankevitra mifampiankina
- Miankina
- Iankinana
· Ny anjara asa : REM, RL
· Ny anjara asa: ZEM, ZD
· Famerenana sy famolahana ny tetika amam-paika hoenti-miasa amin’ny ankapobeny
· Fandinihana fehezanteny iaraha-manao, na eo anivon’ny kilasy na eo anivon’ny sokajy. Ampiharina amin’izany ny paikan’ny fanafoanana.
· Fanatsoahana ny lalàna miainga amin’ny paika narahina sy/ na ny vokatra
Asa azo tanterahina:
· Fandinihana fehezanteny iaraha-manao, na eo anivon’ny kilasy na eo anivon’ny sokajy. Ampiharina amin’izany ny paikan’ny fanafoanana
· Fanatsoahana ny lalàna miainga amin’ny paika narahina sy/ na ny vokatra
· Tokiny hisy todika ny amin’ny fanavahana ny matoanteny sy ny tsy matoanteny
Asa azo tanterahina
· Asan-tsokajy na iaraha-manao , miompana amin’ny fandinihana fehezanteny manana ny endrika voafaritra
· Fanatsoahana ny fitsipika.
(jereo ny torolalana mikasika ny sapan-teny aman-tovona mi-)
Asa azo tanterahina:
· Fandinihana fehezanteny ataona sokajy na iaraha-manao ka isintonana ny fitsipika avy amin’ny dingana nolalovana teo am-panatanterahana ny asa:
- Famadihana ny RF ho L
- Ny endriky ny EM takin’ny fifandrsaisana
- Fanatsoahana ny fitsipika
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataona sokajy ka anatsoahana ny fitsipika n any fepetra mifehy ny fifandraisana ara-tariky ny singa ao aminy:
- Ny endriky ny matoanteny EM
- Ny fepetra mifehy ny fisian’ny RF na tsia (izany hoe ny vanim-pehezanteny kely indrindra)
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny ataona sokajy na iaraha-manao ka:
- Amadihana ny anjara asan’ny RF ho L
- Andrafetana ny EM araka ny takin’ny fifandraisany ao amin’ny tarika
· Fanatsoahana ny fitsipika
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka anatsoahana ny fitsipika n any fepetra mifehy ny fifandraisana ara-tariky ny singa ao aminy:
- Ny endriky ny matoanteny EM
- Ny fepetra mifehy ny fisian’ny renifameno na tsia (izany hoe ny vanim-pehezanteny kely indrindra)
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka :
- Amadihana ny anjara asan’ny RF ho L
- Andrafetana ny EM araka ny takin’ny fifandraisany ao amin’ny tarika
· Fanatsoahana ny fitsipika
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka anatsoahana ny fitsipika n any fepetra mifehy ny fifandraisana ara-tariky ny singa ao aminy:
- Ny endriky ny matoanteny EM
- Ny fepetra mifehy ny fisian’ny RF na tsia (iharana, atao…izany hoe ny vanim-pehezanteny kely indrindra
-
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka:
- Amadihana ny anjara asan’ny RF ho L
- Andrafetana ny EM araka ny takin’ny fifandraisany ao amin’ny tarika
· . Fanatsoahana ny fitsipika
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka anatsoahana ny fitsipika n any fepetra mifehy ny fifandraisana ara-tariky ny singa ao aminy:
- Ny endriky ny matoanteny EM
- Ny fepetra mifehy ny fisian’ny RF (iharana…izany hoe ny vanim-pehezanteny kely indrindra
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka:
- Amadihana ny anjara asan’ny RF
- Andrafetana ny EM araka ny takin’ny fifandraisany ao amin’ny tarika
· . Fanatsoahana ny fitsipika
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka anatsoahana ny fitsipika n any fepetra mifehy ny fifandraisana ara-tariky ny singa ao aminy:
- Ny endriky ny matoanteny EM
- Ny fepetra mifehy ny fisian’ny RF na tsia (izany hoe ny vanim-pehezanteny kely indrindra)
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka anatsoahana ny fitsipika n any fepetra mifehy ny fifandraisana ara-tariky ny singa ao aminy:
- Ny endriky ny matoanteny EM
- Ny fepetra mifehy ny fisian’ny RF na tsia (izany hoe ny vanim-pehezanteny kely indrindra)
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka:
- Amadihana ny anjara asan’ny RF
- Andrafetana ny EM araka ny takin’ny fifandraisany ao amin’ny tarika
. Fanatsoahana ny fitsipika

Ankoatra ireo sokajin-teny efa mahazatra (anarana, mpisolo manondro, mpisolo manolotra,…),mikasika ny mpamari-toetra manokana dia tsara ny itandremana ny amin’ireo mpamari-toetra aman-tovona mi3-avyavy amin’ny matoanteny toy ny mifatra , mitapaka, mitetika… (jereo torolalana)
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka anatsoahana ny fitsipika na ny fepetra mifehy ny fifandraisana ara-tariky ny singa ao aminy:
· Ny endriky ny EM
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka:
- Amadihana ny anjara asan’ny RF
- Andrafetana ny EM araka ny takin’ny fifandraisany ao amin’ny tarika
. Fanatsoahana ny fitsipika
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka anatsoahana ny fitsipika na ny fepetra mifehy ny fifandraisana ara-tariky ny singa ao aminy:
· Ny endriky ny EM
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka:
- Amadihana ny anjara asan’ny RF
- Andrafetana ny EM araka ny takin’ny fifandraisany ao amin’ny tarika
. Fanatsoahana ny fitsipika
Fanamarihana: tokony hisy lesona amaritana ny antsoina hoe: andian-teny tsotra/mivadi-drafitra
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka anatsoahana ny fitsipika na ny fepetra mifehy ny fifandraisana ara-tariky ny singa ao aminy:
· Ny endriky ny EM
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka:
- Amadihana ny anjara asan’ny RF
- Andrafetana ny EM araka ny takin’ny fifandraisany ao amin’ny tarika
. Fanatsoahana ny fitsipika
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka anatsoahana ny fitsipika na ny fepetra mifehy ny fifandraisana ara-tariky ny singa ao aminy:
· Ny endriky ny EM
Asa azo tanterahina
· Fandinihina fehezanteny iaraha-manao na ataoana sokajy ka:
- Amadihana ny anjara asan’ny RF
- Andrafetana ny EM araka ny takin’ny fifandraisany ao amin’ny tarika
. Fanatsoahana ny fitsipika
· Famaritana ara-piforonan-teny:
- Famaritana miainga amin’ny fandinihana fehezanteny maromaro ahitana fehezankevitra mihoatra ny iray
· Azo atao asan-tsokajy na asa iombonana :
- Fitsimponana ireo teny savily ireo
- Fanokotokoana izany araka ny sokajy misy azy
- Tsoa-kevitra
· Fanombanana ny fahatanterahan’ny hafatra ambaran’ny fehezankevitra tsirairay amin’ireo hafa mifandray aminy ao amin’ny fehezanteny
· Fanavahana
· Famaritana ny fifandraisana
· Tsoa-kevitra
· Fanavahana ny fehezankevitra mifampiankina ao amin’ny fehezanteny
· Famaritana ny sokajin’ny mpampifandray azy
- Ny fehezankevitra ampidirin’ny mpampiankina;
- Ny fehezankevitra tsy ampidirin’ny mpampiankina
Asa azo tanterahina
· Fandinihana sy fandrasana fehezanteny iaraha-manao na ataona sokajy
- Mamaritra amin’ny ankapobeny ny fehezankevitra mifampitsofoka
- Mamaritra ny fifandraisan’ny singa ao amin’ny fehezankevitra itsofohana.
Marihina fa tsy idirana lalina ny amin’ny fifandraisan’ny fehezankevitra eto.
- Mamaritra ny fifandraisan’ny singa ao amin’ny fehezankevitra mitsofoka
Torolalana
· Mpitari-dalana ihany ny mpampianatra amin’ny famoahan’ny mpianatra ny raiki-pohy tsotra, hentitra nefa mazava.
· Aompana amin’ny fiteny malagasy ny fitrandrahana ny lesona rehetra ato amin’ny kilasy fahatelo.
· Zarina hiatrika endri-panontanina isan-karazany hatrany ny mpianatra amin’ireo vontoatim-pahalalana tsirairay aroso azy.
· Maro ireo voambolana natolotra ato amin’ny fandaharam-pianarana
Anisan’izany ohatra, ny:
- Hasin-teny izay ilazana ny tsirin-teny;
- Foto-dresaka ilazana ny ventin-dresaka, ny hevitra ara-bakiteny hita ao amin’ny lahatsoratra na lahabolana ;
- Fifamatorana na fifandraisana ara-tarika mba hilazana ny fifehezanteny eo amin’ny singa rehetra farany kely indrindra izay miditra an-tsehatra amin’ny fandrafetana ilay fehezanteny amin’ny maha-lafatra (système) azy.
· Mikasika ny tsipelin-teny indray kosa, dia ny anamafisana izay efa hita tany amin’ny kilasy zandriny, indrindra ny momba ny kamban-teny sy ny tamban-teny, ny teny misy feo (h) ( manomboka , manelanelana) ary ny fanapahan-teny (mifototra amin’ny firafitry ny hasim-peo na manaraka ny firafitry ny hasim-teny)
· Amin’ny ankapobeny dia azo ambara fa tena la ny fandaharam-pianarana mikasika ny fitsipika. Noho izany dia ezahina ny hahavita ny lesona momba ny hevitra ara-drafitra na fitodika iray mandritra ny seho iray.
· Mikasika ireny indrindra, dia tandremana tsara ny olana mety hasehon’ny fehezanteny toy ny hoe:
Miteny ny zanany Rakoto/ Miteny amin’ny zanany Rakoto
sy ny hasin-teny /mi1- (mpanao / sehatra)
mi2 (mpamari-toetra ara-piforonana)/
mi3- (mpamari-toetra avy amin’ny matoanteny)
toy ny amin’ny hoe: Miteny Rakoto/ Mideza ny lalana/ Miloko ny varavarana
Tombana
Fanitsiana na fanamarinana ny fandrasana fehezanteny sy/na fehezankevitra, marina na diso
· Fanitsiana na fanamarinana ny famaritana fehezankevitra sy ny endri-pifandraisany;
· Fampifandraisana amina tsilo izay singa mifanitsy ao amin’ny vondrona roa A sy B, ohatra:
- Ny A dia mirakitra ireo teny n any evana fehezanteny (ny laharany)
- Ny B indray dia ahitana hevitra ara-drafitra na fitodika tsy mitovy isa amin’izay singa ao amin’ny A.
Azo ampiharina amin’ny famadiham-pitodika (voafaritra mazava ao amin’ny teny iray voatondro), ny fandrasan-teny , ny famantarana ny tsirin-teny ao amin’ny teny iray, ny fanovana endrika ny matoanteny, ny fanovana tsinjara toerana manova endrika ny EM na tsia, ihany koa ireo endrika tombana ireo.
· Famaliana fanontaniana araka ny endrika isehoany any amin’ny fanadinana(am-bava, an-tsoratra) ifaninanana eo anivon’ny sokajy, ny kilasy, ny sekoly.
· Soratononina ifaninanan’ny tsirairay na ny tarika(sokajy) n any kilasy