General
NY MATOANTENY
Fandinihana:
- Mahasoa ny mianatra.
L (asa atao)
- Manidina ny vorona
EM (Fihetsika)
- Avy foana ny orana.
EM (toe-javatra mitranga)
ðTeny entina milaza asa atao na fihetsika na toe-javatra mitranga.
ð Teny afaka mitana anjara asa fototra
1. Famaritana
Ny atao hoe matoanteny dia teny entina milaza asa atao, na fihetsika na toe-javatra mitranga, ka afaka mitana anjara asa fototra no sady afaka miova endrika inefatra ka hatramin’ny inenina rehefa solosoloina ny tsirin-teny ao aminy.
2. Karazany :
Misy karazany roa ny matoanteny:
a) Matoanteny fototeny
Tsy azo rasaina intsony, izany hoe tsy misy tsirinteny miaraka aminy kanefa ahazoana sampanteny
Oh : tonga, vita , lasa, …
b) Matoanteny sampan-teny
Azo rasaina izy araka izany
Noho izany misy karazany efatra ihany koa ny matoanteny sampan-teny:
- Matoanteny sampan-teny aman-tovona
- Matoanteny sampan-teny aman-tovana
- Matoanteny sampan-teny aman-tsirinteny sara-droa
- Matoanteny sampan-teny aman-tsofoka.
3. Fomba fisedrana matoanteny :
3.1 Fomba fisedrana matoanteny fototeny
Asiana mpisolo tena tampisaka (-ko, -nao, -ny …. ) ilay teny; ka raha fiteny dia matoanteny izy izay.
Matoanteny
Oh: lasa = lasa-ko, lasa-nao, lasa-ny hita= hita-ko, hita-nao, hita-ny
ð lasako, lasanao, lasany (fiteny) ð hitako, hitanao, hitany (fiteny)
ðMatoanteny ðMatoanteny
Tsy matoanteny
kely = keli-ko, keli-nao, keli-ny soa = soa-ko, soa-nao, soa-ny
ðkeliko, kelinao, keliny (tsy fiteny) ðsoako, soanao, soany (tsy fiteny)
ðtsy matoanteny ðtsy matoanteny
3.2 Fomba fisedrana matoanteny aman-tovana mivaky sy aman-tsofoka
Alatsaka ny “m” voalohany eo aminy; avy eo tovanana –ana. Raha fiteny dia matoanteny izy izay. Azo atao anefa ny mampiasa fanatsaram-peo sy fanita-pototeny.
Oh : Milalao : (m)- ilalao + ana
ðilalaovana (fiteny)
ð Matoanteny
Matavy : (m) atavy + ana
ðatavizana (tsy fiteny)
ðtsy matoanteny
3.3 Fomba fisedrana matoanteny sampanteny aman-tovona tsy mivaky.
Soloina tovona mivaky toy ny : m-i; m-a; m-an; … sns ilay tovona tsy mivaky, ka raha fiteny dia matoanteny izy izay.
Oh: voasasa (voa) + m-i + sasa
ð Misasa (fiteny)
ð Miteny
Raha ny fitsipika no jerena dia tsy tokony hosedraina intsony ny matoanteny aman-tovona tsy mivaky: a-, voa-, tafa-.
3.4 Fomba fisendrana matoanteny sampanteny aman-tsirinteny sara-droa sy tovana
Soloina tovana mandidy toy ny: -a; -o; -y ny tovana tsotra, ka raha fiteny ilay teny azo dia matoanteny.
Oh: ipetrahana = ipetrak(a)-(ana)-o lazaina = laza + (ina) + o
ð ipetraho (fiteny ) ð Lazao (fiteny )
ð Matoanteny ð Matoanteny
Voloina: volo (ina) + y kitratraina = ki + tratra (ina)-o
ð Voloy (tsy fiteny) ð kitratrao (fiteny )
ð Tsy matoanteny ð Tsy matoanteny