Généralités
NY TODY
1- Famaritana
Avy amin’ny fototeny hoe “ody” izay manome sampanteny “mody”,izany hoe,fiverenana any amin’ny toerana niaingany ny tody.
Noho izany, fiverenan’ny zavatra natao na tsara na ratsy amin’izay nanao azy n any taranany ny tody, valin’ny natao.
2- Ny toetrany
- Mety ho tsara, mety ho ratsy; arakaraka ny zavatra natao ny tody.
- Tsy azo ivalozana na idifiana na andosirana fa tsy maintsy mihatra.
- Mety hihatra hatramin’ny taranaka.
- Tsy manavakavaka na mainty na fotsy na ory na manan-karena na malahelo na dondrona na mahay.
- Mety ho efa fantatra mialoha fa tsy fantatra ny fotoana iaviany
3- Ny vokatry ny finoana ny tody
3.1 Tsara:
- Mampirindra sy mampilamina ny fiarahamonina
- Mahatonga hahay hitondra tena
- Mampirisika ny olona mba hifanaja
- Mitarika ny olona handray andraikitra
- Misakana ny olona tsy hanao valifaty
- Mahatonga ny fitsinjovana ny ho avy sy ny ho avin’ny taranaka
- Mampisy risi-po hanao ny tsara
-
3.2 Ratsy
- Mampirisika ny olona tsy hivoatra fa mionona fotsiny amin’ny nataon’nyn teo aloha
- Misakana ny olona tsy handray andraikitra na dia fantatra aza fa hainy sy vitany
- Tsy mampandroso ny tena sy ny fiarahamonina ary ny firenena
- Mangeja ny fiainana ka tsy ahafahana manao izay tiana hatao
- Mahatonga ny olona tsy handray andraikitra na dia amin’ny zavatra tena hainy aza
- Miteraka fanararaotana eo amin’ny mpanao ratsy
4- Ohabolana sy ohapitenenana
· “Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina”
· “Todim-paty aza manody, fa ny todim-pitia manodiava”
· “Todin-karena harena, todim-pitia fitia, todin’aina aina”
· “Ny soa atao levenam-bola, ny ratsy atao loza mihantona”
· “Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka”
· “Ny tody toy ny salaka: soa atao mihodidina, ratsy atao mihodidina”
· “Aza faly am-panaovan-dratsy toy ny mpamosavy ka tsy mahalala ny hasin’ny tody”
· “Maizina ny andro azo tsilovina, lalina ny hady azo toharina, lalina ny rano azo lakanina, fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra”
· “Tanora ratsy fihary, antitra vao ratsy laoka”
· “Tanora miadam-pihary, maka kitay fotsy volo”
· “Ny mihomehy lavo aza misy todiny, ny tody tsy misy fa ny atao no miverina”
· “Todian’ny ambora tsy nentina ka mivingitra hazo tsy fantatra”
· “Alana tsy afaka mora alam-paditra, tsitsi-drazana mora ivalozana fa ny todin’ny natao tsy misy fangalaka (fanefitra)”
· “Mandrora mitsilany ka mahavoa tena”
5- Tenina mpandinika
· R.P. RAHAJARIZAFY:
- “Ny tsiny mbola azo sorohina, fa ny tody tsy misy fanefitra”
- “Tsy maintsy mahasoa marina an’izay tsara fanahy ny ataony, ary tsy maintsy mahavoa marina an”izany ratsy fanahy koa ny ataony”
- “Ny nataonao tamin’ny hafa tsy maintsy hitody aminao”
· FETY Michel:
- “Na dia tsy ny tenany aza no handray ny valiny dia mbola ny taranany no hijinja azy”
- “Ny taho-tody no isan”ny niaro ny Malagasy teo aloha tsy hanao ratsy olona loatra”
- “Na ho ela na ho haingana (…) dia tsy maintsy mitera-boka-dratsy eo amin’ny fiainana ny ratsy atao”
- “Nofoanan’ny fanabeazana frantsay tao an-tsain’ny Malagasy izany taho-tody izany. Satria lazainy fa finoanoam-poana mpahazo ny olona tsy nahita fianarana io”
- “Tsy finoanoam-poana velively akory ny fisian’ny “todin’aina” fa tena misy tokoa”
· E.D. ANDRIAMALALA:
- “Ny tsiny sy ny tody (…) dia arofanina mba tsy hianjerana amin’ny fanjakan’i Baroa”
- “Na tsy misy aza ny tsiny sy ny tody dia tsy maintsy noforonina izy, satria tsy misy firenena afaka hivelona amim-pilaminana, tsy manan-javatra hajaina sy atahorana”
- “Manana mpitsara tsy mety diso amin’izay hataoko aho, dia Andriamanitra sy ny vahoaka, ary ny tsiny sy ny tody”
· RANDRIANJOANIMANANA Olivier: “Manome vahana ny mpanao ny ratsy ny fiandrasana ny tody mbola ho ela, kanefa tsy tsara ny mamaly ratsy ny ratsy”
· Paul RAMASINDRAIBE:
- “Mivaly amin’ny fotoana tsy andrasantsika hivaliany ny tody”
- “Izay nataon’ny tena tamin’ny hafa, avalin’ny tody amin’ny tena kosa”
- “Indraindray efa taranaka mihoatra ny roa aman-telo no lasa vao mitranga ny tody”
NY FETRAN’NY TSINY SY NY TODY
Hoy FETY Michel: “Finoanoam-poana mpahazo ny olona tsy mahita fianarana io.” Noho izany, dia mampiahiahy ny finoana ny tsiny sy ny tody satria:
- Raha misy maty tanora ohatra dia lazaina fa tsinin-dray aman-dreny no antony.
- Raha maty antoka amin’ny varotra ohatra dia heverina ho vokatry ny tsiny. Tsy marina mandrakariva anefa izany fa mety ho rendrarendra amin’ny maha tanora tafahoatra no nahahafaty tanora ary ny tsy fahaiza-mitantana no nahafaty antoka.
Marina fa eto ambonin’ny tany dia mety hiverina amin’ny tena tokoa ny atao. Tsy marina mandrakariva anefa izany satria misy eny amin’ny fiarahamonina ny olona tsy maty manota.