Allgemeines
NY FANAHY
1- FAMARITANA
1-1 Ara-piforonan-teny
F-an–ahy avy amin’ny fototeny hoe “ahy” nahazoana ny sampan-teny hoe miahy, midika hoe mitsinjo, mieritreritra, mikarakara
→ Fitaovana entina mieritreritra sy mikarakara “AHY”: aina, saina, fahalalana, toetra (Ny maha olona ny olona) ny Fanahy.
Ny fanahy no mamaritra ny fifandraisan’ny olona ao anaty fiarahamonina. Ny Fanahy no mampisy fifandaminana sy fifampifehezana, antoky ny fihavanana.
1-2 Ara-kevi-teny
· Ilay fomba amam-pitondrantena entina mifandray amin’ny mpiara-belona ny fanahy
· Fitambaran’ny fihetsika vokatry ny retsika tsapan’ny olombelona ny fanahy
1-3 Araka ny mpandinika
· Michel RANDRIA : “Ny Fanahy dia “Izaho tsy hitan’ny masoko nefa misaina sy mahalala ho izaho no izaho ka ny tenako rehetra hatrany an-tampon-dohako ka hatrany am-paladia koa dia tsy mba izaho fa ny ahy daholo.”
· Randja ZANAMIHOATRA : “Ny Fanahy dia ilay saina ao amin’ny olombelona izay te hihoatra ny fiainana ara-batana, ilay saina mitady ny hafa”. Ary io Fanahy io ilay mitady hery tsy hita, ilay mitady firaisana amin’ Andriamanitra ka mahatonga ny hoe fivavahana.”
· Louis Paul RANDRIAMAROLAZA: “Ny Fanahy no fitaovana ahafahana mifehy ny herin’ny tena sy ny hery ivelany.”
· ANDRIANERENANA : Herin’ny olombelona efa maty mbola mifandray amin’ny velona: “Na efa maty aza aho, ny Fanahiko dia hiaraka aminareo eny ihany sy hikarakarana anareo”.
2- NY TOE-PANAHY ANANAN’NY OLONA
3-1 TSARA:
Tsara fanahy : olona mitsinjo tenany sady mitsinjo ny hafa
Malemy fanahy : olona tsotra, olona mora ifandraisana
Terem-panahy: olona manana fandavan-tena, manira-tena, manolo-tena, mahatsapa tena ka mandray andraikitra
Vory fanahy: olona miala amin’ny fahazazana mankany amin’ny fahamatorana
Anti-panahy: olona manana fahamatorana
Mahitsy fanahy: olona tsy mihatsaravelatsihy,
Manam-panahy,: olona mahalala ny tokony hatao
3-2 RATSY:
Ratsy fanahy: olona mitsinjo ny tenany kanefa mamotika ny hafa, (tia tena)
Maty fanahy: olona maty eritreritra, tsy misaina ny tokony hataony
Tsy misy fanahy: olona mandahatra ny tenany ho toy ny adala
Fotsifotsy fanahy: olona fetsifetsy ka manao izay hanambakana ny mpiara-belona aminy fotsiny
Tanora fanahy: olona tsy ampy fahamatorana
Fanahin’alika: mitondra tena ho toy ny biby, olona lian’ady
Very fanahy: very hevitra tsy mahita izay hatao, gigagina
Lany fanahy: lany haika, gaga talanjona,
Fanahy iniana: atao avy amin’ny fanapahan-kevitry ny tena
Fanahin’adala
: manao fihetsika tsy voalanjalanja
Fanahin-jaza: fihetsika tsotra sy mahitsy, tsy ampy fahamatorana,
Misy fanahy : ilazana olona tsy mahay mitondra tena na ratsy toetra (tenim-paritra)
3- FEPETRA MAMOLAVOLA NY FANANAM-PANAHY
Tsy tonga ho azy hatrany am-pahaterahana ny Fanahy eo amin’ny Malagasy fa misy fepetra mamolavola azy. Toy izao ny lalana izorana amin’izany : ny fanabeazana, ny fotoana, ny fahaizana amam-pahalalana ary ny fifandraisana amin’ny manodidina izay mitaiza ny olona. Ireo no mibaiko ny toetra sy ny fihetsika aseho.
Ireo heverina ho zava-dehibe ireo dia mifanao ambaratonga ka mamaritra ny fisian’ny ambaratongam-panahy.
4- AMBARATONGAM-PANAHY
Raha ny marina dia telo(3) ny ambaratongam-panahy
4.1 Fanahy tahotra
Azo lazaina fa voaloham-pahendrena ny fananana tahotra.”Mamy ny miaina”; “Raha maty aho , matesa rahavana ary raha maty rahavana, matesa ny omby.”
Heverina ho zava-dehibe ny aina ka arovana amin’ny alalan’ny fitadiavana sakafo, fiarovan-tena, fanarahan-dalàna. Atao ireo satria atahorana ho faty ny aina.
4.2 Fanahy henatra ny hafa sy fanahy henatra ny tena
“ Aleo maty toy izay menatr’olona.”
Heverina ho zava-dehibe noho ny aina ny hasina ka arovana amin’ny alalan’ny fitandroana izay mahamenatra eo amin’ny fiarahamonina.
“ Aleo enjehin’ny omby masiaka toy izay enjehin’ny eritreritra.”
Heverina ho zava-dehibe ny feon’ny fieritreretana.
4.3 Fanahy fahendrena
“ Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany”
Fiarahan-dalan’ny tena mpanatanteraka sy ny eritreritra mpitsara ny Fanahy fahendrena
5- SAKANA EO AMIN’NY FANANAM-PANAHY
· Ny fahaizana amam-pahalalana: “Marobe ny mihevitra fa rehefa be fahalalana dia ampy izay, hahatsara ny fitondrany-tena”. Charles RANAIVO.
· Ny vola aman-karena:”Tsy ny fananam-panahy intsony izao no zavatra fa inona indray? Ny fananam-pahaizana sy ny fananan-karena”. RP RAHAJARIZAFY
· Namana:”Izay miaraka amin’ny amboalambo dia amboalambo”
· Ny voninahitra: “Aleo ny aina no nafoy toy izay ny haja, hasina, zo(…) no hiraraka an-tany hahatonga henatra”. Charles RANAIVO.
6- VOKATRY NY FANANAM-PANAHY
6.1 TSARA
· Mahatonga ny olona handanjalanja ny ataony
· Manentana ny olona amin’ny fitondran-tena mendrika
· Mahatonga ny olona hahatsapa fa lanja miakatra ny fiainana
· Mampirindra ny fiarahamonina
· Mahatonga ny olona handala ny marina sy ny rariny eo amin’izay rehetra ataony
· Mahatsapa tena ny olona fa tsy mitovy amin’ny biby
· Mitandro hatrany ny zo aman-kasinana maha olombelona sy ny an’ny hafa
6.1 RATSY
· Mahatonga ny olona handefitra lava amin’izay atao
· Fanararaotana ny olona manam-panahy
· Mahatonga ny olona hanafina ny tena maha izy azy
· Fanenjehan’ny fiarahamonina ny manam-panahy
· Mahatonga fitsaratsarana fahatany eo amin’ny fiarahamonina
7- FIFANDRAISAN’NY FANANAM-PANAHY AMIN’IREO SOATOAVINA MALAGASY
- Fanajana ny Zanahary: mamolavola ny olona hanana fanahy henatry ny tena sy ny fanahy fahendrena.
- Fanajana ny fomban-drazana:endrika isehoan’ny fananana fanahy tahotra.
- Finoana ny tsiny sy ny tody: “Isan’ny zavatra lehibe izay manan-kery tamin’ny ataon’ny Malagasy sy ny fitondrany ny tenany, ny fatahorana ny tsiny.” Maurice RASAMUEL.
- Fanaovana ny marina: ny fahasamihafan’ny marina ironan’ny tsirairay no antony itadiavana ny rariny; miankina amin’ny rariny ijoroana no hanombanana ny fananam-panahy.
- Fanajana ny hasin’ny isam-batan’olona: fahaiza-miaina sy mitondra tena.
Fanamarihana
· Tamin’ny andron’Andrianampoinimerina, rehefa mitaratra eo amin’ny rano izy, dia mahita tandindona telo: tandindon’ny vatana, tandindon’ny ambiroa, ary ny tandindon’ny avelo. Raha manjavozavo io tandindona fahatelo io, dia midika fa efa ho faty ny tena, izany no nahafataran’Andrianampoinimerina fa efa ho faty izy, ka nanafaranyn’Ilay Dama hoe: “ny nofoko no ho levona fa ny fanahiko sy ny saiko hitoetra aminareo sy I Damalahy ihany”. Filozofia Malagasy P.27
· Manana ny fomba fiheverany manokana momba ny fanahy ihany koa ny kristiana
· Nisy fiheverana ihany koa teo amin’ny Malagasy, fa ny fanahin’ny olona maty dia mety hiampita amin’ny velona na miditra any anatin’ny ny biby na zavaboaary. Ohatra: ny tromba, ny fanano, ny madiro, …
8- OHABOLANA SY FOMBA FITENY
- “Ny fanahy no maha olona”
- “Ny hery tsy mahaleo ny Fanahy”.
- “Mitoto vary diavolana ka maka fanahy ny akoho.”
- “Mangahazo mangidy malemy, ka hanina amin’ny lemim-panahiny”.
- “Very fanahy mbola velona toy ny valala voatango .”
- “Ny zaza fito tsy mahafehy trano fa ny fanahy fito no mahafehy trano.”
- “Raha noana ny kibo, mivezivezy ny fanahy”.
- “Teny atsipy ho an’ny manam-panahy, raisin’ny mpahalala”
- “Aleo ratsy tarehy fa tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy”
- “Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany”
9- TENINA MPANDINIKA
· Charles RANAIVO: “Tsy volanao, tsy hery n any tanjakao, tsy tarehy amam-bikanao no maha olona anao fa ny fanahinao: ny toetra entinao miaina”.
· Joseph RAKOTONIRAINY: “Ny olona fanahy no tompon’ny vintany sy ny anjarany”
· Kolonely Richard RATSIMANDRAVA: “Ny fanahy maha olona dia nahatonga antsika Malagasy lalandava hiaro ary hanaja ny zon’ny olona rehetra na iza izy na iza”
· RAINANDRIAMAMPANDRY: “Ny fanahy raha tsy fahanam-pahendrena sy fianarana izay mety dia osa ary tsy vanon-ko inona”
· Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA: “Ny fanahy dia fizarana ao amin’ny olombelona, mahatonga ny sainy hivelatra sy hisondrotra”
· RATREMA William: “Tsy maintsy tandrovin’ny manam-panahy ny marina sy ny rariny ary ny fihavanana”
· RP RAHAJARIZAFY: “Vatomizana andanjana ny fahendren’ny Malagasy ary refy andrefesana ny fahalalany… ny fanahy”