Allgemeines
NY ANGANO
1- Famaritana
Lahabolaŋa, tantara noforonina tsy voatery ho nisy, natao ho fitaovam-pitaizana sy fanabeazana taratry ny zava-misy eo amin’ny fiainana ny “Angano”. Mifono anatra mandrakariva izy: fahalalana, fahendrena, fahaiza-miaina, fitsipi-piainana.
2- Ny firafitry ny angano:
Ahitana ireto:
· Ny toe-javatra iaingana: izay miseho eo am-piandohana
· Ny toe-javatra manelanelana: entin’ny singa mpanova, miantoka ny fivoaran’ny tantara.
· Ny toe-javatra iafarana: maneho ny fivahan’ny olana na tsia.
3- Ny mampiavaka ny angano
· Ny fiandohana: matetika ny angano dia miatomboka amin’ny hoe:
“Indray andro, hono, …”; “nisy, hono,…”; “fahiny elebe, hono,…”; “fahagolan-tany, hono,…”;
· Ny fiafarana: ahitana ny hoe : “Izany, hono,,..”; “angano, angano, arira, arira,…”;
· Ny mpamorona : tsy fantatra mazava ny mpamorona ny angano, fa ampitampitaina amin’ny taranaka amin’ny alalan’ny lovan-tsofina.
· Ny mpandray anjara : Tafiana toetra miavaka amin’ny fahita andavanandro ny mpandray anjara ao anaty angano ary mifanaraka amin’ny hevitra sy ny hafatra tiana hampitaina sy ny toe-javatra tantaraina. Tsy voatery ho olona noho izany ny mpandray anjara fa mety ho biby, hazo, biby miteny, olona mihinana olona…
· Mampiasa eva na dindo ny angano:
ohatra : milaza loza ny mifanena amin’ny goaika tokana.
4- Ireo mpandray anjara ao anaty angano
4-1 Ny mpandray anjara fototra:
- Fototry ny tanara,
- Mihodinkodina eo aminy avokoa ny toe-javatra tantaraina,
- Omena anarana sy toe-javatra mifanaraka aminy,
Ohatra: Ikotobekibo: lehibe, tia tena, tendan-kanina > Tsy tokony hatao
Trimobe : olona ngeza, mihinana olona mahery setra > Tsy tokony hatao
4-2 Ny mpandry anjara mpanampy:
Natao hanasongadina ny mpandray anjara fototra fa tsy fototry ny tantara akory.
4-3 Ny mpandray anjara ravaka:
Tsy manao na inona na inona fa voatanisa sy voaresaka fotsiny, natao handravahana ny tantara
5- Ny anjara asan’ny angano:
- Mifono anatra sy fahaiza-miaina ary fahendrena,
- Fitaovam-panabeazana natao hahaliana sy hampitolagaga mba hisintonana ny fo amam-panahin’ny mpihaino na mpamaky.
- Natao ho fialam-boly rehefa reraky ny lahasa sy ny lalao ny mpianakavy ka henoina eo amorom-patana ny angano ary tanterahin’ny renibe na ny zokiolona.
- Tsy nisy Sekoly fahiny, noho izany, nentina nanazava ny zavatra tsy takatry ny saina sy ny fisiana na ny fiforonan’izao tontolo izao ny angano.
- Mampivoatra ny fiarahamonina ny angano satria natao hamolavola olom-banona sy ho mendrika hiara-miaina izy.
- Maneho ny fomba fijerin’ny Malagasy ny tontolo nisy tany am-piandohana ny angano
FAMPIHARANA
Lahatsoratra iaingana:
Ny ipaohan’ny papango ny akoho
Tera-dahy, hono, ity papango, indray mandeha izay, ka avy ny reniakoho hampivelona azy. Ary nony efa nifana herinandro izy dia lasa nitsangatsangana, fa nomeny hotaizain’ny akoho ny zanany. Kanjo tratra ela ny papango, ka tezitra ny akoho, fa sahirana loatra nitaiza ny zanany, dia novonoiny nataony tsy nisy niaingana ireo.
Rehefa nody ny papango, ka hitany fa lany ritra ny zanany, dia tezitra loatra izy ka niady tamin’ny reniakoho; nefa notoheriny, ka ady sahala no niafarany.
Nony tsy hitan’ny papango izay hatao, dia nanozona izy hoe: “Raha mety ho taranako koa hafarako hamono ny zanak’ireny reniakoho kary ireny, satria izy no namono ny zanako ”. Izany, hono, no ihinanan’ny papango ny akohokely ambaraka ndroany.
In Anganon’ny Ntaolo, tak. 192
1- Porofoy fa mitantara io angano io?
→ Ahitana teny hoe: “hono”
Fitantarana amin’ny fotoana lasa : nitsangatsangana, nitaiza, novonoiny,…
2- Tanisao ny filaharan’ny toe-javatra ao anaty angano.
→Toe-javatra iaingana: nifankatia ny papango sy ny reniakoho
→Toe-javatra manelanelana: nanararaotra nitsangatsangana, nijanona ela, namono ny zanany,…
Singa mpanova naterak’izany: fankahalana, ady, ozona
→ Toe-javatra iafarana: fifankahalana
3- Iza avy ireo mpandray anjara ao anaty angano?
Papango sy reniakoho
4- Inona avy ireo anatra azo tsoahina amin’io angano io ?
- Tsy azo ankinina amin’olona ny fiainana
- Tsy azo atao ny fitiavana-tena
- Mila faharetana sy fahaizana manindry fo raha hitandro ny fifankatiavana