Généralités
NY FIHAVANANA
1-Famaritana
· Ny havana:
Antsoina hoe « Havana » amin’ny ankapobeny ireo olona iaraha-monina,izany hoe, iraha-mivelona, iaraha-miaina ka ifaneraserana isan’andro.
· Ny « mpihavana » kosa ireo olona iray ra, fototra niaviana, iray razana iombonana, ireo no atao hoe havana akaiky.
· Lazaina hoe : “lafin-kavana” kosa ireo havana lavitra na havana tetezina.
· Ny fihavanana:
Fifandraisana tsara, akaiky teo amin’ny olona mpiara-belona na iray fianakaviana mihitsy ny atao hoe fihavanana.
Avy teny hoe “Havana” izy io,izay midika hoe olona ifandrasana akaiky na fianakaviana mihitsy.
2-Fihetsika anehoana ny fihavanana
Ireto avy izany:
- Fifankatiavana
- Fifampintsimbinana
- Firaisankina
- Fifamangivangina
- Fifamonjena
- Fifanampiana
3-Ireo karazana endri-pihavanana misy
Miseho amin’ny karazany roa ny fihavanana:
3.1 Fihavanana voajanahary
Fihavanana ara-pianahana : Efa miforona io karazam-pihavanana io raha vao teraka ny olona. Olona mifamatotra ao anaty tetiharana iray, iray razam-be niaviana. Mety ho lavitra na akaiky ny fifandraisany,
Mamatotra azy ireo ny ra iraisana.
Ohatra: fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka
Toy izao no fisehony:
3.2 Fihavanana namboarina
· Fihavanana ara-panambadiana
Fihavanana nateraky ny olon-droa, lahy sy vavy, vonona hivady, nitambatra ho tokantrano iray ity fihavanana ity. Izany no nampisy sy niteraka ny anarana toy ny hoe: rafozana, vinanto, zaodahy…sns
Namatotra azy ny fifanekena ara-panambadiana toy ny mariazy nentim-paharazana (vodiondry), ara-panjakana (fisoratana) sy ara-pinoana.
· Fihavanana ara-piarahamonina
- Nipoitra noho ny fifaneraserana eo amin’ny fiarahamonina toy ny mpifanolobodirindrina, toeram-piasana, fiangonana… sns izy io.
- Matetika mampiforona azy ny fifankatiavana sy ny fifanampiana ary ny fifamonjena amin’ny sarotra.
- Ny lalàna na ny zava-misy sy miseho eo amin’ny fiarahamonina kosa no mamatotra azy.
- Misy indraindray te hanamafy lalina kokoa io karazana io ka asehony amin’ny alalan’ny FATI-DRA na FATO-DRA sy ny ZIVA izany.
4. Ohabolana
“Ny fihavanana toy ny jiafotsy vao tsy hialan-kosokosoka tonta tsy hialan-dromoromo”
“Ny fihavanana toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava aloha no kely ila”
“Ny fihavanana Ohatra ny landy,maty ifanasana, velona itafiana, ka ny madilana alaim-panondro”
“Izay mahavangivangy tian-kavana”
“Ny havan-tiana tsy iaraha-monina”
“Ny fihavanana toy ny famorian-tain’omby ka izay mahavezivezy ihany no mahafeno harona”
“Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”
“Aza atao fihavanam-bato raha tapaka tsy azo atohy”
NY FATO-DRA NA FATI-DRA
1. Famarintana:
Ny atao hoe fati-dra na ny fato-dra dia fomba fanamafisanam-pihavanana amboarina amin’ny alalan’ny fandidiana kely amin’ny faritry ny vatana ataon’olona roa hivoahan’ny ra hifanakalozana mba hifamatorana ho iray.
2. Fepetra takiana amin’ny olona hanao fati-dra
- Olona roa tsy mpihavana ara-pianahana sy ara-panambadina
- Mpinamana roa vonona hifanao soa mandrakizay
- Tsy maintsy mitovitovy ny fari-piainan’ny roa tonta
3. Fomba fanataterahana azy
Samy manana ny fomba fanantaterahana ny fati-dra avokoa ny faritra tsirairay avy.
Misy ihany anefa ny fomba mitovy sy iraisana:
- Tsy maintsy mivoaka amin’ny vatana sy ampifandraisina ny ra, na sotroina izany, na atao amin’ny vokaka na tangena.
- Tsy maintsy misy velirano sy voady atao. Ka miantso tody tsara an’izay manao tsara ary tody ratsy an’izay manao ratsy, antsoina hoe tsitsika izany.
Tsy maintsy faranana amin’ny lanonana izy io; fa ny fadaminana fotsiny no tsy voatery hitovy.
4. Ny vokany :
4.1 Tsara :
- Mampivelatra ny fihavanana eo amin’ny fiarahamonina
- Fifampitokisana mandra-maty
- Mahatonga fifampitsimbina sy fifanampiana ary ny fanaovana soa eo amin’ny samy mpiara-belona
- Mampihena ny fanaovan-dratsy noho ny tahotra ny tsitsika
- Mahatonga ny olona hahazo tsoa-drano avy amin’ny tsitsika
4.2 Ratsy :
- Mahatonga ozona ho an’ izay sendra tsy mahatandrin-tena
- Mitondra amin’ny fandanidaniam-poana ihany koa izy
- Mampimparitaka ny aretina mifindra amin’ny alalan’ny rà
Ny fomba rehetra araka ny endriny eto dia tsy misy maharatsy azy tanteraka, fa tokony hampifanarahana fotsiny araka ny zava-misy amin’ny toetr’andro.