General
NY ENDRI-PAMOKARANA MIFOTOTRA AMIN’NY
FAHALEOVAN-TENA
1. Famaritana ny fahaleovan-tena
Ny atao hoe fahaleovan-tena dia tsy fiankinana amin’ny hafa amin’ny lafiny rehetra, indrindra fa amin’ny lafiny ara-toe-karena.
2. Endrika isehoany
Rehefa miresaka fahaleovan-tena dia zavatra roa no jerena amin’ny izany.
- Ny fahaleovan-tena eo amin’ny isam-batan’olona
Ny fahaleovan-tena eo amin’ny isam-batan’olona dia fahaleovan-tenan’ny olona tsiraray indrindra amin’ny lafiny famokarana. Azo lazaina hoe mahaleo tena ny olona iray raha manana fahaleovan-tena ara-toe-karena:
Izany hoe: manana asa mampidi-bola, afaka mikarakara ny tenany sy ny ankohonany, tsy mila fiankinana amin’ny hafa.
Tokony tsy hanorina tokantrano ny olona iray raha tsy manana an’io fahaleovan-tena ara-toe-karena io.
- Ny fahaleovan-tenam-pirenena
Ny atao hoe fahaleovan-tenam-pirenena dia tsy fiankinana amin’ny firenena hafa indrindra fa eo amin’ny lafiny toe-karena.
Ny firenena mahaleo-tena dia firenena manana ny fiandrianam-pireneny, ny sainam-pireneny, ny hiram-pireneny, ny tarigetrany, ny teniny sy ny kolon-tsainy, …
3. Ny famokarana sy ny fahaleovan-tena
Mifatotra ny famokarana sy ny fahaleovan-tena amin’ny isam-batan’olona sy amin’ny firenena:
3.1 Eo amin’ny isam-batan’olona
Rehefa miankina amin’ny herin’ny tenany ny tsirairay dia:
- Malalaka amin’izay asam-pamokarana tiany hatao.
- Afaka mandamina ny fotoanany amin’ny asa ataony.
- Manana safidy feno amin’ny fampivoarana ny famokarany.
- Tsy teriteren’olona hafa amin’izay hanaovana ny vokatra azony.
- Mandray andraikitra avy hatrany fa tsy miandry ny hafa raha misy ny olana.
- Manana fahefana feno amin’ny fananany.
3.2 Eo amin’ny firenena
Rehefa mahaleo-tena ny firenena dia:
- Tompon’andraikitra feno ny mpitondra fa tsy miankina amin’ny hafa
- Andraikitry ny mpitondra ny mitady izay hampandrosoana ny firenena:
o Eo amin’ny famokarana (fambolena, fiompiana, taozavatra, jono, …)
o Eo amin’ny fanaraha-maso ny vokatra sy ny vidim-bokatra
o Eo amin’ny famoahana ny vokatra sy ny fanondranana entana
o Eo amin’ny fisafidianana izay firenena hiaraha-miasa
- Tompon’andraikitra feno amin’ny fanampahan-kevitra raisiny ny mpitondra
- Manana lalana ahafahana mifamezivezy sy ahafahana mamoaka ny vokatra
Fanamarihina
Tsy midika fitokana-monina ny tsy fiankinana amin’ny hafa eto. Na mahaleo tena aza ny olona iray dia tsy maintsy mifandray amin’ny hafa, mba hahafahany mampandroso ny zavatra ataony, toy izany koa ny firenena tsy maintsy mifandray amin’ny firenena hafa.
Tsy midika hoe miankina amin’ny hafa ny hoe mifandray fa mampivelatra kokoa ny fahaizana amam-pahalalana sy ny fampandrosoana.
Rehefa nanampaka ny endrim-pamokarana mifototra amin’ny herin’ny tsirairay dia nihalefy ny fanaovana ny “valin-tanana”.