Généralités
NY VINTANA
1. Famaritana
1.1 Ara-piforonan-teny
Avy amin’ny teny indoneziana INC (Indonesien Commun) hoe “Bitaŋ” mitovy hevitra amin’ny teny malagasy hoe Kintana ny teny hoe Vintana.
Araka ny hevi-dRATREMA William dia “Ny vintan’ ny olona iray na ny mety ho fizotry ny fiainany dia miankina amin’ny fipetraky ny kintana eny amin’ny lanitra amin’ny andro ahaterahany”.
1.2 Ara-kevitra
· Fahatongavan-javatra kisendrasendra ny vintana, zavatra tsy fanta-piaviana, tsy hita fototra.
· Hery napetraky ny Zanahary mba hifehy sy handrindra ny fiainan’izao rehetra izao.
2. Ny toetry ny vintana
· Mety ho tsara ary mety ho ratsy; arakaraka ny kintana mahery nifanandrify tamin’ny andro nahaterahana
· Tsy azo ihodivirana
· Azo arenina amin’ny alalan’ny fanatonana mpanandro
3. Ny endrika isehoan’ny vintana
· Ratsy vintana : olona teraka tamin’ny tonon’andro ratsy, mety ho resy lava eo amin’ny fiainana, tsy mahomby.
· Tsara vintana : olona ambinina hatrany eo amin’izay ataony
· Mahery vintana : olona sarotra asian-dratsy, mandresy ny vintan’ny hafa, ilazana ny olona teraka alakaosy
· Manoto vintana : olona mety mivadika na mitondra loza ho an’ireo manodidina azy
· Totoim-bitana : olona izay toy ny asesi-doza ka iharam-pahavoazana hatrany eo amin’zay ataony
· Mifaniho vintana: olona tsy afaka manatanteraka zavatra miaraka satria tsy mifanambina
4. Ny loharano nipoiran’ny vintana
- Avy amin’ny Zanahary na Andriamanitra ny vintana satria izy no mpamorona ny Zavaboaary rehetra. Toy izao ny filazan’i RAHAJARIZAFY izany: “Anjara avy amin’ Andriamanitra nahary tongotra aman-tanana ny vintana.”
- Mety ho avy amin’ny Ray aman-dreny sy ny Razana ihany koa ny vintan’ny taranaka. Ny todin’ny nataon’izy ireo na tsara na ratsy dia hamantarana ny toetry ny vintana araka ny hevitr’i Joseph RAKOTONIRAINY hoe: “Ny vintana dia lalàn’ny todin’ny natao.”
Marihina fa azo amboarina amin’ny alalan’ny fanatonana mpanandro na ombiasy (olona be hasina) ny vintana. Tsy mpanolotra vintana izy fa mpanamboatra, mpanatsara, mpanarina na mpanalefaka.
5. Ny anaram-bintana sy orim-bintana malagasy
Misy karazany roa ny vintana araka ny fanandroana ary noharina tamin’ny zoron-trano efatra
- Ny renivintana: izay mifanandrify amin’ny zoron-trano efatra dia ny Alahamady, Asorotany, Adimizana sy Adijady, izay mitondra andro telo avy dia ny vava (VV), ny vonto (VT) ary ny vody (VD). (mena ny lokon’ny tsipika manondro azy).
- Ny zana-bintana: roa avy isaky ny lafin-drindrina, ny Adalo, Alohotsy, adaoro, Adizaoza, alahasaty, Asombola, Alakarabo, Alakaosy ary mitondra andro roa avy dia ny vava (VV) ary ny vody (VD). (manga ny lokon’ny tsipika manondro azy).
→ 28 andro noho izany ny iray volana amin’ny fanisana andro malagasy
- Ny vintana vava alahamady no heverina ho tsara indrindra. Nantsoin’ny Malagasy hoe vintana mpanjaka, ka afaka mitondra sy mifehy vahoaka, ary ambinina sy mizotra tsara hatrany amin’izay rehetra ataony eo amin’ny fiainany.
- Ny vintana alahasaty no ratsy indrindra teo amin’ny Ntaolo satria noheverina fa vintam-pamosavy. Mety ho resy lava izy eo amin’ny fiainana ary tsy mahita fahombiazana loatra amin’izay ataony.
- Ny vintana alakaosy no heverin’ny Ntaolo fa ny mahery indrindra. Mitera-pahavoazana ho an’ny hafa ny vokatry ny fihetsika ataony nefa izy afaka madiodio.
-
- Ny vintana ratsy sy mahery dia azo arenina na hatsaraina. Tsy ny olona rehetra anefa no afaka manao izany fa izay voatokana, nomen’Andriamanitra tombom-pahalàna toy ny mpanandro sy ny ombiasy.
- Ny vintana fahafito aorian’ny vintana iaingana no mifanohitra ( mifanipaka, mifanolaka, mifanoto, mifandratra…) eo amin’ny zoro na eo amin’ny lafin-drindrina.
1. Ny dindon’ny vintana
- Rano
- Tany
- Rivotra
- Afo
2. Ny hevitry ny andro
1. ALATSINAINY : Andro mena (mafana), andro mafy.
Laniera. Andro mafy sy kamo; andro miovaova fivezivezena sy fitsangantsanganana
fandratoana olona tsindrian-javatra. Ao koa ny tsinin-dray aman-dreny.2. TALATA: Gorobaka
Rahaihay. Andro mandoro; andron'ady olona natao ho mpiantafika sy mpiady mahery.
3. ALAROBIA : tsy miverina
Sakalanisahaza: Andro fialana loza; fialana faran'ny lohany ; fanefana trosa ; ao koa ny firafesana, ny ridarida, mora rnivadi-belirano.
4. ALAKAMISY : manantena hisy
Tokana aman-tany. Andron' Andriamanitra andron' Andriana, ny kabary, ny fijoroana,ary ny hazary ; andron'ody mahery. Mpanohi-dray.
5. Z O M A : andro mainty
Ramarovahoaka: Andriantompoina; fisondrotana; androm-bahoaka. Mahamamy hoditra; androm-pitiavana.
6. SABOTSY: andro mibontsina
Ranakombe: Andron'asa sy fikirizana ; fikarakarana ny zavatra mikasika ny tany, ny trano. Mamangy lozan-javatra tsy fahita. Mpanandro sy mpanao ody rnahery.
7. ALAHADY : andro mahery
Isa fa tsy roa (isafatsiroa) Olona natao handidy taranaky ny efa nitondra; tokan-teny mahery fo. Andro mahery. Ao koa ny lozam-paty. Halam-pokonolona.
3. Ny vokatry ny finoana azy
3.1 Tsara
- Mahatonga ny olona handinika sy hieritreritra tsara vao manao zavatra
- Mandrisika ny olona hiezaka, hikarakara ny fomba enti-manatsara ny fiainana
- Mahatonga ny olona hanaiky ny fahefan’ Andriamanitra
- Mamolavola ny olona hahay manamboatra saina
- Ahafantarana mialoha izay ho fizotry ny fiainana
- Mahatonga fiononana
- Mahatonga ny olona ho sahy handray andraikitra
3.2 Ratsy
- Mahatonga fisarahana.
- Mitarika finoanoam-poana
- Miteraka tsy fandraisana andraikitra
- Miteraka famoizam-po
- Mahatonga fanilikilihana
4. Ohabolana sy oha-pitenenana
- “ Ny te hanana tsy mahaleo ny ambinina”
- “Ratsy tarehy manam-bintana ka ny soa no manatona ho vady.”
- “Ratsy vintana toy ny saka ka bevohoka vao atao mamosavy.”
- “Tolo-kena maty jiro ka ny vintana no andrasana.”
- “Avoavoin’ny vavany ka sahalain’ny vintana.”
- “Aza miady vintana amin’ny akoho fa na ho eny an-tsena aza izy lolohavina.”
- “Andriamanitra nanome fa i Balita no tsy nambinina.”
- “Ny tarehy an-dRahiratra fa ny vintana an-dRatsitamoraina.”
5. Tenina mpandinika
- Joseph RAKOTONIRANY:
o “Ny olombelona dia manana fahefana hamboatra ny vintana sy ny anjarany noho ny maha fanahy azy.” Ny tsaran’ny razantsika
o “Ny olona fanahy no tompon’ny vintany sy ny anjarany.”
- RANDRIANJOANIMANANA Olivier:
o “Toa mitory fahalemen-tsaina ny fianteherana amin’ny vintana.”
o “Arakaraka ny fahamaroan’ny olona mitsapatsapa vintana amin’ny endrika samihafa no itarafana avy hatrany ny fahantrana eo amin’ilay firenena.”
o “Tsy sahy mandray andraikitra feno eo amin’ny fiainany ny ankamaroan’ny olona ankehitriny hany ka miantehitra amin’ny kisendrasendra fotsiny.
- EDA:
o “Lahatra tsy azo iolahana na ifidiana ny vintana.”
o “Tsy dia ny fisakanan’ny Ray aman-dreny loatra no mahatarika azy hamono tena (…) Nino an’izy roa fa nifanoto vintana izy ary ny fiarahany dia hiteraka atambo.”
- IPA :
o “Ny vintana no tsiniako, izy no nanova ny zotram-piainantsika ho tahaka ireny.”
o “Ny safidinao ry Mino tsy hahatosika ny herin’ny vintana.”
o “Angamba izay ho safidinao tsy hahatosika ny sitraky ny irina, hery lehibe loatra izy ary saro-pehezina.”
o “Ny vintana(…) no mitondra ny fiainantsika na hivily lalan-kafa izany.”
- Louis Paul RANDRIAMAROLAZA: “Samy mamantatra sy mamaritra vintana na ny finoana na ny siansa ka ny finoana milaza ny vintana no hery natoraly tsy azo fehezina, fa ny siansa kosa milaza azy ho lalàna natoraly na lalàna siantifika azo fehezina rehefa fantatra.”
- Fernand KASANGA: “Mahery vaika ny vintana fa mahatahotra kokoa noho ny biby masiaka.”
- ILAY: “Ny ahy efa vitan-dratsy, noho izany tsy maintsy amboariko io.”
- RAHAJARIZAFY:
o “Tsy misy vintan’iza na iza tsara tanteraka na ratsy tanteraka.”
o “Raha vintan-ko faty tsy mba azo hazonina ny aina ary raha vintan-ko velona tsy mba azo vonoina ny aina.”
o “Raha tononandro mahery dia tsy mety fa manoto Ray aman-dreny.”
- RANDRIAMBOLOLONA André: “Samy manana ny vintana sy ny anjarany ny olona tsirairay avy raha vao tonga eto an-tany ka misy ny mahery vintana na ratsy vintana… misy ny tsara vintana.”
- Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA: “Izay mino fa maty sy fadiranovana hatrany am-boalohany no milaza fa ratsy vintana izy”
- RAVELOJAONA : “Tsy mampivoatra ny fian’ny olona ny faharatsian’ny vintany.