Généralités
NY TSINY
1. Famaritana
· Ny tsiny dia hery manimba mitambesatra amin’ny olona nandika fady ka mahavoa azy eo amin’ny fiainany manontolo: ny fahasalamana, ny fananany ary ny taranany.
· Ny tsiny dia fahadisoana na fahotana noho ny fanaovana zavatra tsy tokony ho natao na amin’Andriamanitra na amin’ny Razana na amin’olombelona na zavatra hafa.
· Ny tsiny izany dia fanamelohana ataon’ny mpiara-belona amin’ny olona iray noho ny fahadisoana nataony na tandrina na tsy tandrina izany. Mety tsy fahafaham-po na tsy fahafenoana na kilema ihany koa ny tsiny, araka ny fitenenana hoe: “Indrokelin’ny mpandrafitra” sy ny hoe “tovovavy tsara tarehy petak’orona ka voatandro iray no tsininy.”
· Ny tsiny dia enti-milaza ny tsy fahalavorariana eo amin’ny olona na zavatra iray.
· Eo amin’ny fiaraha-miaina, ny tsiny dia ny tsy fanajana ny lamina misy eo amin’ny fiarahamonina.
· Ny tsiny dia ilazana ny fahavoazana mitranga eo amin’ny olona.
2. Ny toetra ananany
- Ratsy mandrakariva ny tsiny
- Azo sorohina na ialana mialoha na aoriana ny fahazoana tsiny
- Azo alana amin’ny fihetsika sy ny fomba amam-panao.
- Manahirana, maiva-mavesatra
- Tsy hita maso
- Tsy ampoizaina ny fotoana iaviany
- Mivantana amin’ny olona nanao hadisoana na ny taranany izy
3. Ny endrika isehoany
- Azo avy amin’ny atao
- Fanana kilema
- Fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ny andrasan’ny mpiara-belona
- Fahabangana eo amin’ny fiainana ary mety hitohy hatrany amin’ny taranaka
4. Ny loharano nipoirany:
- Avy amin’ny tsirairay
- Avy amin’Andriamanitra
- Avy amin’ny razana
- Avy amin’ny ray aman-dreny
- Avy amin’ny zava-boaary
- Avy amin’ny fiarahamonina
5. Ny karazana tsiny:
- Tsinin’Andrimanitra : vokatry ny voady tsy notanterahina tamin’Andriamanitra
- Tsinin-drazana : vokatry ny tsy fikarakarana azy, na fanadinoana ny hafatra napetrany
- Tsinin-draiamandreny: vokatry ny faniratsirana azy, na fanadinoana azy ireo amin’ny androm-pahasahiranana
- Tsinim-pihavanana: vokatry ny tsy fanatanterahana ny lalàm-pihavanana toy ny fifanotronana na an-kasoavana na an-karatsiana
- Tsinim-biby: vokatry ny famonovonoana tsy am-piheverana ny biby
6. Ny vokatry ny finoana ny tsiny
6.1 Tsara:
- Mampilamina sy mampirindra ny fiarahamonina ny finoana ny tsiny
- Mahatonga ny olona hahay handanjalanja ny fihetsika ataony
- Mahatonga ny olona handray andraikitra
- Manosika ny olona hifanaja sy hifanome hasina
- Miteraka fanajana ny zavaboaary
-
6.2 Ratsy
- Mahatonga ny olona hialangana sy hanilika andraikitra ny finoana ny tsiny.
- Tsy mampivoatra
- Miteraka finoanoam-poana
- Mampitotongana ny toe-karena
- Tsy mampivelatra ny fikarohana ara-tsiantsa
7. Ohabolana sy oha-pitenenana
- “Ny tsiny toy ny rivotra tsy hita tarehy, potrany ka vao talanjona.”
- “Misoka toa ranom-panala ny tsiny, an-koditra vao mahangoly.”
- “Ny tsiny toy ny rivotra an-kadilalana, mipaoka vao mahataitra.”
- “Aleo mosavy dombo toy izay tsiny maranitra.”
- “Ny tsiny toy ny hady lalina, tsirihi-mahafanina, ianjera-mahafaty.”
- “Aza atao famaky manan-tsiny amin’izay kiakiak’akoho”
- “Tovovavy tsara tarehy petaka orona, voatondro iray no tsininy”
- “Mpandihy lava volon-kelika, mahay manan-tsiny tsy mahay manan-tsiny”
- “Vady tsy tiana be-tsiny”
- “Ny tsiny tsy avy tsy marary”
8. Tenina mpandinika
- ED Andriamalala in Fanagasiana :
o ”Koa na tsy misy aza ny tsiny sy tody, dia tsy maintsy noforonina izy satria tsy misy firenena afaka hivelona amim-pilaminana, tsy mana-javatra hajaina sy atahorana.”
o “Ny tsiny sy ny tody (…) dia arofanina mba tsy hianjerana any amin’ny fanjakan’i Baroa.”
- RP RAHAJARIZAFY:
o “Ny maha loza azy dia izy mahavoa anao na dia tsy tandrinao aza ny maha diso anao”
o “Toa dia manimba ny fiadanam-panahin’ny Malagasy tsy amin’antony ny miahiahy ho voan-tsiny na dia amin’ny hadisoana tsy niniana akory aza.”
o “Mety hahatarika sazy avy amin’Adnriamanitra tokoa ny hadisoana atao amin’ny namana”
o “Fanamelohana avy amin’ny hadisoan-drehetra eo amin’ny fiaraha-miaina ny hoe: TSINY”
- Fety Michel :
· “Tsy ny ratsy na ny soa atao ihany no handraisam-baliny fa na dia ny tsy fanaovana izay tokony hatao koa aza dia hananan-tsiny”
· “Tena ananan-tsiny ny fihetsika tsy misy fiheverana ny hafa”
· “Tsy maintsy hitangosam-boka-dratsy koa izay fihetsika ananan-tsiny”
- ANDRIAMANALINA ROMBALAHIVOLA: “Koa lalao ny Fanahy maha olona, fa izay tsy manam-panahy handalàna no raiki-tapisaky ny tsiny”
- Maurice RASAMUEL: “Ny atao hoe tsiny dia fahadisoana noho ny fanaovana zavatra tsy tokony hatao, na amin’Andriamanitra na amin’ny razana, na amin’olombelona”
- Gabriel NAVONE: “Ny olona maty eritreritra ihany no tsy matahotra ny tsiny”