Allgemeines
NY VANIM-POTOANA SARITSARIM-PAHALEOVANTENA
1960 - 1972
1. Zava-misy teo amin’ny tantara
Lafiny Politika
· 1960-1972: Repoblika voalohany ka Philbert Tsiranana no Filoha
· Antoko politika matanjaka tamin’izany ny PSD (Parti Social Democrate); ny AKFM (Antokon’ny Kongresin’ny Fahaleovantenan’I Madagasikara; ny MONIMA ( MOuvement National pour l’Independence de MAdagascar).
· Mbola tao anaty firaisam-be frantsay i Madagasikara. Nanohy ny politika nifandraisana tamin’i Frantsa ny mpitondra.
· Aprily 1971 : nipoaka ny fihetseham-bahoaka tany atsimo notarihin’i Monja Jaona
· 13 may 1972: fihetsehem-bahoaka notarihin’ny mpianatra, nanohana azy ireo ny mpiasa ka nanao fitokonam-be.
Teo amin’ny lafiny toe-karena
· Azo an-taratasy ny fahaleovan-tena sady sarintsariny ihany izany;
· Mbola voazanaka ara-toekarena sy ara-tsaina ny Malagasy
· Tao anatin’ny “Accord de Cooperation” sy ny faribola “Franc” i Madagasikara.
· Tranombarotra vaventy no nitantana ny fanangonam-bokatra sy ny fanaparitahana ny entam-barotra voahodina avy any ivelany: ny “Compagnie Marseillaise” sy ny “Compagnie Lyonnaise”, SICE (Société Industrielle et Commerciale de l’Emyrne)
· Noho izany, tsy nahaleo tena tamin’ny lafiny toe-karena i Madagasikara.
· Nampiharina ny “Politikan’ny kibo”: nampidirana haitao vaovao teo amin’ny fambolena sy fiompiana, napetraka ny “Ferme d’ Etat” isam-paritany nefa tsy nahomby izany.
Teo amin’ny fiarahamonina sy kolontsaina
· Teo amin’ny fampianarana: teny enti-mampianatra ny teny frantsay;
· Rafi-pampianarana voavolavolan’ny Frantsay no nampiharina; fampianarana nanjana-tsaina no nisy teto.
· Oktobra 1961: natsangana ny Oniversite teto Madagasikara
· Mbola vitsy ny Sekoly tany ambanivohitra. Ny renivohi-paritany sy ny tanan-dehibe vitsivitsy no nanana CEG sy Lycée. Nisy anefa ny sivana hany ka Sekoly miangatra, tsy mifanentana amin’ny zaza malagasy no teto. Vokany, betsaka ny tsy fitoviana teo amin’ny fiarahamonina.
2. Zava-misy teo amin’ny Literatiora
Ny mpanoratra
· Ireo hita teo aloha: DOX/ RP RAHAJARIZAFY/ RADO/ Régis Rajemisa RAOLISON/EDA/ Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA/ René ANDRIARIMALALA na Ener LALANDY/ Randja ZANAMIHOATRA/ Fredy RAJAOFERA/ Jean Louis RANAIVOSON.
· Ireo mpanoratra taty aoriana: Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA, RABENJA Salomon, Jeannot RATSIMBAZAFY
Gazety:
· Vaovao Frantsay- Malagasy, Maresaka, basivava, Imongo vaovao, Hehy, Madagascar Matin, Vaovao isan’andro, Andry, Tselatra, Lumière, Lakroan’I Madagasikara, Fanasina.
Tara-kevitra nampiavaka ny vanim-potoana
· Ny fahaleovan-tena
· Ny fanoherana ny saritsarim-pahaleovan-tena izay ahatsapana fanjanahana ny toe-karena, fanjanahan-tsaina; fanjanahana amin’ny endriny vaovao sy ny tsy fitoviana; ny fanjakan’ny Imperialista.
· Fanohizana ny fitadiavana ny very ahitana:
- Fitaomana ny olona hampijoro ny maha malagasy: teny, fomba amam-panao, toe-tsaina
- Fitaomana ny olona hamelo-maso ny tanindrazana, hiverina eny ambanivohitra.
- Fampahatsiahivana ny tolona teo aloha.
· Fanabeazana ny vahoaka manoloana ny fandrosoana
3. Asa soritra
· Tononkalo
· Sombin-tantara
· Tantara an-tsehatra
· Lahatsoratra famotopotoran-kevitra
· Tantara foronina
4. Tononkalo
DINITRA, nosoratan’I RADO
5. Tantara noforonina
· Ny fofombadiko, Ilay vohitry ny nofy, nosoratin’i EDA
· Voromby, Sikajin’I Dadabe, nosoratin-dRANDRIAMIADANARIVO
· Ny zanako,nosoratin’ i Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA