Allgemeines
NY TANTARAN’NY LITERATIORA MALAGASY
NY VANIM-POTOANA KRISTIANA
1818 - 1896
1. Ny zava-nisy:
· Ny 23 aogositra 1818 tonga teto Madagasikara ireo Misionera anglisy, Thomas Bevan sy David Jones, nitondra ny fivavahana Kristiana sy ny soratra.
· 23 Mars 1823, namoahan’I Radama I didy, hanoratana ny teny Malagasy amin’ny abidy Latina.
· Naorina ny Sekoly
· Natsangana ny Fiangonana ary naely ny fivavahana Kristiana
· 1835 voadika tamin’ny teny malagasy ny Baiboly
· Fanenjehin’I RANAVALONA I ny fivavahana Kristiana sy fandroahana ny Misionera
· 1837 nandefonana an-dRasalama maritiora
· 1861 ny nivoahan’ny Gazety Malagasy voalohany, “Teny Soa Hanalan’andro”
· 06 aogositra 1896 , lasa zanatany frantsay i Madagasikara
2. Ny tara-kevitra:
- Fiheverana an’ Andriamanitra ho be fitiavana
- Malemy ny olombelona ka mila an’ Andriamanitra
- Fandalovana ny fiainana an-tany
- Fanantenana Paradisa
- Fahoriana noho ny fanenjehana
- Fangatahana fiarovana amin’ Andriamanitra
- Faharatsian’ny fiainana an-tany
3. Asasoratra
- Tononkira maintimolaly
- Kaonseritra masina
- Lahatsoratra famotopotoran-kevitra
- Sombin-tantara voalohany: “Ny dian’ny mpivahiny”, nadika tamin’ny tantara masina anglisy hoe: “Pilgrim’s Progress”.
4. Gazety
- Teny soa (1861: Gazety voalohany)
- Ny Sakaizan’ny tanora
- Mpanolo-tsaina
5. MPANORATRA
- RAJAONAH (Tselatra)
- RAINISOA Ratsimandisa
- Josoa RAMANISA
- ANDRIANAIVORAVELONA Joseph.(Rainy)
- RAJAONARY
- Pasitera RABARY
NY VANIM-POTOANA FAKAN-TAHAKA
1896-1915
1 Ny zava-nisy:
· 1912 nijoro ny VVS
· 1914: Nipoaka ny ady lehibe voalohany
· 1915: Sarona ny fisian’ny VVS
· Naely ny fironan-tsaina “Libérté de Pensée”
· Nofoanana ny fampianarana teny malagasy sy ny tantaran’i Madagasikara.
· Napetrak’ i Gallieni ny politika “zarazarao hanjakana”
· Novaina ho 14 jolay ny fandroana
· Nampidirina tao anatin’ny rafitra anjakan’ ny vola ny Malagasy
· Niova ny rafitra nitondrana ny fampianarana (Teny frantsay no nentina nampianatra)
2 Ny tara-kevitra:
- Fanindraindrana ny vazaha
- Fandrosoana
- Fananandratana ny siantsa
- Adin’ny mpino sy ny tsy mpino
3 Asasoratra
- Tononkalo
- Sombin-tantara
- Tantara an-tsehatra Zefina sy Armand, RAJAONAH Tselatra : Tantara an-tsehatra malagasy voalohany
- Lahatsoratra famotopotoran-kevitra
4 Gazety
- Teny soa
- Mpanolo-tsaina
- Mifoha I Madagasikara
- Ny masoandro
- Lakolosy volamena
- Ny Trompetra volamena
- Vaovao Frantsay Malagasy
- Basy vava
5 Ny mpanoratra
- Radium Rhosalis (RAMAHOLIMIHASO)
- Rabary
- Stella (Edouard ANDRIANJAFITRIMO)
- JUPITER na Justin RAINIZANABOLOLONA
- Ny Avana RAMANANTOANINA na Gasy kely
- Paraboles na Bolespara ( Rafanoharana)
Ny vanim-potoana nahamoana ny literatiora
1915-1922
Antony nahamoana ny literatiora:
· Nalefa sesitany tany Comores ireo mpanoratra mpikambana tao amin’ny VVS
· Vao niana-namindra teo amin’ny fanoratana ireo mpanoratra zandriny
· Henjana ny sivana an-gazety
Ny vanim-potoana fiforetana anaty
1922-1929
1 Ny zava-nisy:
- Fahasahiranana ara-toekarena vokatry ny ady lehibe I
- Tafaverina an-tanindrazana ireo sisa tsy maty tamin’ny ady sy ireo nalefa sesitany
- Tafaverina ihany koa ny mpanoratra natao sesitany
- Nisy ireo aretina politika
- Nisy ireo loza voajanahary
- Nisy ny fampiharana ny SMOTIG
- Nofoanana ireo fampianarana tantara Malagasy
2 Ny tara-kevitra:
· Embona sy hanina
· Fasana sy fahafatesana
· Fahakambotiana
· Alahelo
· Fiainana feno fahoriana
· Enji-dresin’ny fiainana
3 Asasoratra
· Tononkalo
· Sombin-tantara
· Tantara an-tsehatra
· Lahatsoratra famotopotoran-kevitra
4 Ny gazety
· Akon’ iarivo
· Takariva volafotsy
· Mazava
· Trompetra volamena
· Kalokalo tatsinana
· Tsara hafatra
· Ny mpandinika
· Telegrafy
5 Ny mpanoratra
Zokiny:
· Ny avana RAMANATOANINA
· RAVELOJAONA
· Belzaboba, (RATSIMISETA)
· JUPITER (Justin RAINIZANABOLOLONA)
· Stella (Edouard ANDRIANJAFITRIMO)
Zandriny:
· Lys Ber ( Joseph Honoré RABEKOTO)
· Rodlish (Arthur RAZAKARIVONY)
· Tanicus (Samuel RATANY)
· K. Verbal (Jean Joseph RABEARIVELO)
· HARIOLEY (Elie RAHAROLAHY)
Ny vanim-potoana mitady ny very
1930 - 1945
1. Ny zava-nisy:
· 19 may 1929: fikambanam-be fitakiana voalohany ny fahaleovantena
· 29 Aprily 1931: notokanana ny RNM
· 1935 : fankalazana ny faha zato taonan’ny nandika ny Baiboly Malagasy
· 1937: faha zato taona ny nandefonana an- dRasalama
· 21 oktobra 1937: nambara tao amin’ny Gazety Fandrosoam-baovaoa fa “hita lany ny very”
· 31 oktobra 1938: fampodiana ny taolam-balon-dRanavalona III
· 1939-1945: Ady lehibe II nandraisan’ny Malagasy anjara
· Fitodihana amin’ny maha majagasy
2. Ny tara-kevitra:
· Tanana haolo
· Fiverenana amin’ny tontolo ambanivohitra
· Ny hatsaran-tarehy
· Fiantorahana amin’ny hery tsy fantatra
· Nofinofy
3. Asa soratra
· Tononkalo
· Sombin-tantara
· Tantara an-tsehatra
· Lahatsoratra famotopotoran-kevitra
4. Ny gazety
· Vaovao Frantsay Malagasy
· Kintan’ny maraina
· Akon’ iarivo
· Takariva volafotsy
· Mazava
· Trompetra volamena
· Kalokalo tatsinana
· Tsara hafatra
· Ny mpandinika
· Telegrafy
5. Ny mpanoratra
· Ny avana RAMANATOANINA
· K. Verbal (Jean Joseph RABEARIVELO
· RAJOELISOLO Charles
· RAJHONSON
· RAMAHOLIMIHASO
· RAFANOHARANA
· Jean NARIVONY
· RAVELOJAONA
· Belzaboba, (RATSIMISETA)
· JUPITER (Justin RAINIZANABOLOLONA)
· Stella (Edouard ANDRIANJAFITRIMO)
· DOX
· Paul Kambety (Rapatsalahy Paul Idealy Soa)
· Charlotte RAZAFINIAINA
· Lys Ber ( Joseph Honoré RABEKOTO)
· Rodlish (Arthur RAZAKARIVONY)
· HARIOLEY (Elie RAHAROLAHY)
Ny vanim-potoana fitakiana fahaleovan-tena na fanarenana
1945 - 1960
1. Ny zava-nisy:
· 1945: nifarana ny ady lehibe II
· 1947 nanomboka ny fitakiana ny fahaleovantena
· Maro ny antoko politika niforona : MDRM/PADESM/AKFM/PSD/MONIMA
· Sahirana tanteraka ny firenena Eropeana vokatry ny fahapotehana tamin’ny ady
· Jona1955: Fampiharana ny “Lois cadres” na ny lalàna lasitra
· 28 Septambra 1958: Fitsapan-kevibahoaka nandresen’ny “Eny”
· Fahaleovantenam-pirenena eo ambany firaisam-be frantsay
· 14 Okt1958 nijoro ny Repoblika Malagasy voalohany
· 26 Jona 1960: nanambarana ampahabemaso ny fahaleovantenan’i Madagasikara
2. Ny tara-kevitra:
· Fitsikerana ny toe-tsaina voazanaka
· Fanoherana ny fanjanahan-tany
· Fitakiana ny fanahafahana
· Fiantsoana ny olona ho tia tanindrazana
3. Asasoratra
· Tononkalo
· Sombin-tantara
· Tantara an-tsehatra
· Lahatsoratra famotopotoran-kevitra
· Tantara foronina
4. Ny gazety
· Gazetintsika
· Vaovao Frantsay – Malagasy
· Lakroan’I Madagasikara
· Ny Sakaizan’ny tanora
· Hehy
· Fanasina
· Kintan’ny maraina
5. Ny mpanoratra
· DOX
· Michel ANDRIANJAFY
· Jean NARIVONY
· RANDJAVOLA
· Eliza Freda
· Fredy RAJAOFERA
· RADO
· Randza ZANAMIHOATRA
· Ranomahery (Régis RAJEMISA RAOLISON)
· Michel ANDRIANJAFY
· Antoine de Padou RAHAJARIZAFY
Ny vanim-potoana saritsarim-pahaleovantena :
1960 - 1972
1. Zava-misy teo amin’ny tantara
Lafiny Politika
· 1960-1972: Repoblika voalohany ka Philbert Tsiranana no Filoha
· Antoko politika matanjaka tamin’izany ny PSD (Parti Social Democrate); ny AKFM (Antokon’ny Kongresin’ny Fahaleovantenan’I Madagasikara; ny MONIMA ( MOuvement National pour l’Independence de MAdagascar).
· Mbola tao anaty firaisam-be frantsay i Madagasikara. Nanohy ny politika nifandraisana tamin’i Frantsa ny mpitondra.
· Aprily 1971 : nipoaka ny fihetseham-bahoaka tany atsimo notarihin’i Monja Jaona
· 13 may 1972: fihetsehem-bahoaka notarihin’ny mpianatra, nanohana azy ireo ny mpiasa ka nanao fitokonam-be.
Teo amin’ny lafiny toe-karena
· Azo an-taratasy ny fahaleovan-tena sady sarintsariny ihany izany;
· Mbola voazanaka ara-toekarena sy ara-tsaina ny Malagasy
· Tao anatin’ny “Accord de Cooperation” sy ny faribola “Franc” i Madagasikara.
· Tranombarotra vaventy no nitantana ny fanangonam-bokatra sy ny fanaparitahana ny entam-barotra voahodina avy any ivelany: ny “Compagnie Marseillaise” sy ny “Compagnie Lyonnaise”, SICE (Société Industrielle et Commerciale de l’Emyrne)
· Noho izany, tsy nahaleo tena tamin’ny lafiny toe-karena i Madagasikara.
· Nampiharina ny “Politikan’ny kibo”: nampidirana haitao vaovao teo amin’ny fambolena sy fiompiana, napetraka ny “Ferme d’ Etat” isam-paritany nefa tsy nahomby izany.
Teo amin’ny fiarahamonina sy kolontsaina
· Teo amin’ny fampianarana: teny enti-mampianatra ny teny frantsay;
· Rafi-pampianarana voavolavolan’ny Frantsay no nampiharina; fampianarana nanjana-tsaina no nisy teto.
· Oktobra 1961: natsangana ny Oniversite teto Madagasikara
· Mbola vitsy ny Sekoly tany ambanivohitra. Ny renivohi-paritany sy ny tanan-dehibe vitsivitsy no nanana CEG sy Lycée. Nisy anefa ny sivana hany ka Sekoly miangatra, tsy mifanentana amin’ny zaza malagasy no teto. Vokany, betsaka ny tsy fitoviana teo amin’ny fiarahamonina.
2. Zava-misy teo amin’ny Literatiora
Ny mpanoratra
· Ireo hita teo aloha: DOX/ RP RAHAJARIZAFY/ RADO/ Régis Rajemisa RAOLISON/EDA/ Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA/ René ANDRIARIMALALA na Ener LALANDY/ Randja ZANAMIHOATRA/ Fredy RAJAOFERA/ Jean Louis RANAIVOSON.
· Ireo mpanoratra taty aoriana: Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA, RABENJA Salomon, Jeannot RATSIMBAZAFY
Gazety:
· Vaovao Frantsay- Malagasy, Maresaka, basivava, Imongo vaovao, Hehy, Madagascar Matin, Vaovao isan’andro, Andry, Tselatra, Lumière, Lakroan’I Madagasikara, Fanasina.
Tara-kevitra nampiavaka ny vanim-potoana
· Ny fahaleovan-tena
· Ny fanoherana ny saritsarim-pahaleovan-tena izay ahatsapana fanjanahana ny toe-karena, fanjanahan-tsaina; fanjanahana amin’ny endriny vaovao sy ny tsy fitoviana; ny fanjakan’ny Imperialista.
· Fanohizana ny fitadiavana ny very ahitana:
- Fitaomana ny olona hampijoro ny maha malagasy: teny, fomba amam-panao, toe-tsaina
- Fitaomana ny olona hamelo-maso ny tanindrazana, hiverina eny ambanivohitra.
- Fampahatsiahivana ny tolona teo aloha.
· Fanabeazana ny vahoaka manoloana ny fandrosoana
3. Asa soritra
· Tononkalo
· Sombin-tantara
· Tantara an-tsehatra
· Lahatsoratra famotopotoran-kevitra
· Tantara foronina
4. Tononkalo
DINITRA, nosoratan’I RADO
5. Tantara noforonina
· Ny fofombadiko, Ilay vohitry ny nofy, nosoratin’i EDA
· Voromby, Sikajin’I Dadabe, nosoratin-dRANDRIAMIADANARIVO
· Ny zanako,nosoratin’ i Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA
TONONKALO
MAINTY AHO
Moa ve iny haizina iny no mahamainty ito hoditro,
Hampitombo ny hovitrovitro,
Sa ny zezika noraisiko, nokiraiko andavanandro,
Nololohaviko isan’andro?
Tazako eto anelanelan’ito lamba rovidrovitra:
Mainty aho, mainty ny hoditro
(…)
Misy ra mba mena koa mamelona ny vontoatiko
Mikoriana ato anatiko
Misy noho mahatsiaro, hozatra miretsidretsika
Hery velona mihetsika
Misy taolana mijoro sy miraikitra aman-taho
Saingy kosa…mainty aho
(…)
Clarisse RATSIFANDRHAMANANA
Ny vanim-potoana ankehitriny :
1972 – 2000
Azo zaraina ho zana-banim-potoana roa araka ny fandinihana hita hatramin’izao ity vanim-potoana ity.
- 1972-1991: Tolom-piavotana
- 1991-2000: Fanalalahana
I. TOLOM-PIAVOTANA (1972-1991)
1.1 Zava-misy teo amin’ny tantara
Ø Lafiny Polotika
- 13 may 1972: fihetsiketsehana notarihin’ny mpianatra nanehoany ny tsy fankasitrahany ny politikam-pampianarany; fitokonam-be no nanohanan’ny mpiasa azy ireo.
- 18 may 1972: natolotry ny Filoha Philbert TSIRANANA an’I Jenaraly Gabriel RAMANANTSOA ny fitondrana. Tapitra hatreo ny Repoblika I
- 8 oktobra 1972: Fitsapan-kevi-bahoaka nanamafisan’ny Malagasy ny fanomezana fahefana feno ny Jeneraly RAMANANTSOA. Nisy tsy fifankahazoana teo amin’ny tafika.
- 05 febroary 1975: natolotry ny Jeneraly RAMANATSOA ny Kolonely Richard RATSIMANDRAVA ny fahefana.
- 11 febroary 1975: maty novonoin’ny olona ny Kolonely RATSIMANDRAVA. Nanomboka teo ny “Directoire Militaire” fitondra-miaramila.
- 15 jona 1975: nofidin’ny Directoire Militaire hitondra ny tany sy ny Fanjakana ny Capitaine de Fregate RATSIRAKA Didier Ignace.
- 21 desambra 1975: lanieram-bahoaka ny fototra iorenan’ny Revolisiona Sosialista Malagasy voarakitry ny Boky mena.
- 30 desambra 1975: nijoro ny Repoblika Demokratika Malagasy
- May 1991: nitaky ny hanovana ny lalam-panorenana sy hananganana ny Repoblika faha III ny vahoaka notarihin’ny mpanao politika sasantsasany.
- 10 Aogositra 1991 : diabe nataon’ny vahoaka teny Iavoloha, izay namoizana ain’olona maro.
- 31 oktobra 1991: fifanekena natao tao amin’ny PANORAMA izay namaranana ny fitokonam-be.
Ø Teo amin’ny lafiny toe-karena
Hita tamin’izany:
· Ny fanavaozana ny “Fanekem-piaraha-miasa” tamin’ny Frantsay na ny “Accord de Cooperation”.
· Ny fialana tamin’ny “Zone Franc”.
· Ny fananganana ny SINPA (Société d’ Intérêt National pour les Produits Agricoles) sy ny SONACO (Société Nationale pour le Commerce), sy ny, COTONA, SOTEMA, SIRAMA, HODIMA, SUMATEX, …
· Ny fandraisana ho fananam-panjakana ireo Indostria vaventy toy ny SECREN () sy ny Indostria famokarana angovo toy ny JIRAMA, SOLIMA.
· Ny fananganana ny BTM (Bankin’ny Tantsaha Mpamokatra).
· Ny fananganana ny Koperativan’ny fambolena ho an’ny tantsaha mifanampy, toy PROCOPS ().
· Ny fandraisana ho fananam-panjakana ireo kompania vaventy nisahana ny varotra ivelany: Compagnie Marseillaise, Compagnie Lyonnaise, SICE
Tsy nandeha araka ny tokony ho izy anefa ny ankamaroan’ireny sehatr’asa sy orinasa ireny.
Ø Teo amin’ny fiarahamonina sy kolontsaina
· Ny rafitra sosialisma no nitondrana ny tany sy ny fanjakana
· Nampiharina ny famahoahana sy ny fanagasiana ny fampianarana tany amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra; teny malagasy sy teny frantsay tany amin’ny Sekoly Ambaratonga Faharoa sy Sekoly Ambaratonga Faharoa Manokana ary teny frantsay tany amin’ny Ambaratonga ambony.
· Nampitomboina ny toeram-pitsaboana,
· Nitombo ny fahantrana sy ny tsy an’asa (ZOAM); niharihary bebe koa ny tsy fitovian’ny fari-piainana noho ny fidinan’ny vokatra malagasy teo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy ny tsy fandehanan’ireo orinasam-panjakana ary ny fahasarotan’ny fitsinjarana ny vokatra.
· Natao ny fanitsiana ara-drafitra nefa vao mainka nitombo ny fahasahiranana.
·
1.2 Zava-misy teo amin’ny Literatiora
Ø Ny mpanoratra
· Ireo hita teo aloha: izay mpikambana tao amin’ny UPEM ny ankamaroany: RAKOTOMALALA Rabarijaona, RAKOTOSON Emeralda, DOX, RP RAHAJARIZAFY, RADO, Régis Rajemisa RAOLISON, Celestin ANDRIAMANANTENA, Rafidy RAVELOMANANTSOA, Job RAKOTOJAONA, Lolo RAJONHS, Herizo ANDRIANAMPOIZINA, Andry ANDRAINA, Bernard RAVELOHARISON, Julie RAZZA, RANDRIAMAROZAKA, , RAKOTOARISON Harry Andriamanjato na RHA Nary.
· Ireo mpanoratra taty aoriana:, izay saika tao amin’ny FIVOY sy ny FARIBOLANA SANDRATRA: RAZAIARIMANANA Lydia na LYDIARY, RALAISAHOLIMANANA Louis Dominique na ILAY, RAKOTOSOLO JOSEPH na Solofo José, Elie RAJAONARISON, Nalisoa RAVALITERA, RANOE, Niry SOLOSOA,..
Ø Ny sehatra nanoratana
GAZETY na GAZETY BOKY: Maresaka, Basivava, Imongo vaovao, Hehy, Madagascar Matin, Midi Madagascar, DMD, Martioria vavolombelona, Feon’Imerina, Zoko, Vintsy, Omaly sy anio, Andry, Lakroan’i Madagasikara, Ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara…
Ø Tara-kevitra nampiavaka ny vanim-potoana
- Fampitahana ny rafi-pitondrana
- Fampisehoana ireo zava-misy iainana izay niteraka ny fahadisoam-panantenana:
- Fahantrana ara-batana sy ara-tsaina
- Fahasarotan’ny fiainana sy fitadiavana asa
- Tsy fahamarinana amin’ny lafiny maro
- Fitaomana ny olona mba hitolona hanova rafitra, ny TTF (Tanindrazana Tolom-piavotana Fahafahana)
- Fiantsoana ny olona hiverina ho eny ambanivohitra.
- Fanoherana ny fanavakavaham-bolonkoditra
1.3 Asasoratra
· Tononkalo
· Sombin-tantara
· Tantara an-tsehatra
· Tantara foronina
· Lahatsoratra famotopotoran-kevitra
Ohatra:
Fanagasiana EDA
Haisoratra sy Firenena RANDRIAMAROZAKA
II. FANALALAHANA : 1991-2000
2.1 Zava-misy teo amin’ny tantara
Ø Lafiny Polotika
- 1991: noho ny tsy fetezan-javatra isan-karazany teo amin’ny Fitondrana dia nisy fihetseham-bahoaka manerana ny Nosy. Niharihary izany tamin’ny fitokonana teny amin’ny “Kianjan’ny 13 may” Antananarivo.
· 10 aogositra 1991: nirohotra niaka-dapa teny Iavoloha, toerana misy ny Lapan’ny Filoha ny vahoaka nitokona. Naparitaky ny miaramilam-panjakana tamin’ny fitaovam-piadiana izy ireo; betsaka ny maty ary maro koa ny naratra.
- Nanomboka teo dia niovaova ny mpitondra ary nokendrena ny hisian’ny “Fitondrana entim-bahoaka”.
· 12 martsa 1998: Fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny “Faritany mizaka tena” ka nahalany ny “Eny”
Ø Teo amin’ny lafiny toe-karena
· Nitatra ny fitrandrahan-karena samihafa, anisan’izany ny harena an-kibon’ny tany sy ny haza an-dranomasina.
· Nampiharina teo amin’ny fambolena sy fiompiana ny fomba isan-karazany hampiroboroboana azy.
· Nandroso sy nivoatra ny famokarana taozavatra malagasy sy ny vokatry ny hairaha isan-karazany.
· Fiorenan’ny orin’asa AFAKA HABA
· Nitombo sy niroborobo ireo orinasa fanodinana sy seha-pamokarana ampiasana haitao vaovao. saingy tsy afa-mivelatra noho ny fibosesehan’ny ny entana avy any ivelany ka niteraka fahasahiranana ho an’ireo mpandraharaha malagasy.
Ø Teo amin’ny fiarahamonina sy kolontsaina
· Niseho saika isan-taona ny rivo-doza.
· Nandripaka ny valala sy ny areti-mifindra toy ny Kôlera, ny Pesta, ny Gripa, ny SIDA…
· Firoboroboan’ny fizahantany mba hampiditra vola vahiny amin’ny alalan’ny fiarovana tontolo iainana sy ny fisarihana amin’ny alalan’ireo “valan-javaboaary” vaovao.
· Fampiroboroboana ny fambolem-bary sy ny taozavatra….
· Nipoitra ireo Oniversite tsy miankina sy ireo sampam-pianarana araka ny hairaha manofana mpianatra hiasa avy hatrany.
· Firoboroboan’ny “Haino aman-jery tsy miankina”
· Nisy ny fanampiana avy any ivelany
· Nitombo ny fandaozana ny eny ambanivohitra
· Nirongatra ny dahalo, nanjaka ny vaky trano sy ny fandrobana.
· Nahazo vahana ny risoriso sy ny varo-maizina ary nitranga ny fangalarana taolam-paty
· 06 novambra 1995: may ny Rovan’i Manjakamiadana
· Nampitomboina ny toeram-pitsaboana, natao koa ny fanarenana ireo orinasa sosialista
· Nitontongana hatrany ny fari-piainan’ny ankamaroan’ny olona, vao mainka koa niharihary ny tsy fitoviana ary nitombo isa ireo 4-mi.
2.2 Zava-misy teo amin’ny Literatiora
Ø Ny mpanoratra
· Ireo mpanoratra ao amin’ny HAVATSA-UPEM sy tao amin’ny FARIBOLANA SANDRATRA: Henri RAHAINGOSON (Di), Patrick Iharilanto ANDRIAMANGATIANA (IPA), Georges ANDRIAMANANTENA (RADO), René ANDRIAMALALA (Ener LALANDY), Nirhy Lanto, RANAIVO Julien, Arsène ANDRIANARIVONY (Nérsea VONY), Esthér RANDRIAMAMONJY, Abeline Eléonore, RAZAFIARIVONY Wilson, RHA Nary, Georgette Ranivoarivelo Gabrielle( GRG), Iangotiana, Fredy RAJAOFERA, Solofo JOSE, Lydiary, Nalisoa RAVALITERA, RANOE, Manitra ADRIAMASINORO, RAMPANANA Raymond, ZO Maminirina, RABESAIKY Guillaume (OM-GUI), Riso LALASOA, Elie RAJAONARISON, Claude RANDRIANANTENAINA (Claura), Zo MAMINIRINA, NY EJA, TSITOHERY, TAHIRINTSOA, NOFY, AVELO Nidor, …
· Ireo mpanoratra tantara an’onjam-peo: VAHANDANITRA, RANOHARISON Zanany, ARIKAOMISA Randria(RANDRIAMANANTENA Arséne)
· Ireo mpanoratra hafa: RAZAFIARIJAONA Haingo Michél (Haingo), RAHOLDINA Ranaivo Herinantsoina (NAIVONANTSOINA Holdina), Mbato RAVALISON (FMTM), …
Ø Ny sehatra nanoratana
· GAZETY na GAZETY BOKY: Midi Madagascar; Express de Madagascar; Madagascar TRIBUNE; ny Gazetiko; Lakroan’i Madagasikara; MARESAKA, TELONOHOREFY; LE TARATASY; VALIHA sy AMBIOKA (gazety Literera)...
· Haino aman-jery:
Radio: RNM, DON BOSCO, ACCEM RADIO, Radio FAHAZAVANA, NY FEON’IMERINA, LAZAN’IARIVO, Radio MADA, FARIMBONA, TSIOKA VAO, RFV, CORAIL, …
Fahitalavitra : TVM, MATV, RECCORD, TV PLUS, RAVINALA, …
Ø Tara-kevitra nampiavaka ny vanim-potoana
· Ny fitiavana sy ny tontolony
· Tsy fahatokisana ny mpanao politika izay nandiso fanantenana.
· Tsy fisian’ny fahamarinana eo amin’ny sehatra maro
· Fitomboan’ny fahantrana, firoboroboan’ny asan-dahalo, fandaozana ny eny ambanivohitra; fivezivezen’ny harem-pirenenna… sy filofosana hanarina izany.
· Fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fanarenana azy.
· Fanarenana ny toe-tsaina: fampahafantarana ny maha malagasy sy ny haren-tsaina malagasy.
2.3 Asasoratra
· Tononkalo
· Sombin-tantara
· Tantara an-tsehatra
· Tantara foronina
· Lahatsoratra famotopotoran-kevitra