Allgemeines
- LESONA
NY TANTARA FORONINA
Famaritana:
Karazan-dahatsoratra tsotra, kanto, feno, lava ary mifototra amin’ny zava-misy nampiana famoronana teo amin’ny fandrafetana azy mba hahaliana ny mpamaky.
Ho an’i Esther RANDRIAMAMONJY “Ny tantara foronina dia nisy na mety ho nisy atsangan’ny mpanoratra, arafiny sy arindrany hananany endriky ny fiainana tena misy ary anasongadinana ny kanto sy ny marina.”
Toetoetrany:
Tantara maneho tantaram-piainana mikasika toe-javatra maromaro novolavolain’ny mpanoratra avy tamin-javatra nosaintsaininy ary ampifandraisiny amin’ny zavamisy eo amin’ny fiarahamonina na ny fiainam-pirenena ny tantara foronina.
Ohatra:
· Mitaraina ny tany, ANDRY ANDRAINA
· Ny sikajin’Idadabe, RANDRIAMIADANARIVO
· Ny zanako I sy II, Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA
· Sarivongana , RAVELOHARISON Bernard
Ny firafitry ny tantara foronina:
Misy telo:
· Toe-javatra iaingana
· Toe-javatra mpanova
· Toe-javatra iafarana
Ny sokajiny:
Araka ny fijerin’i Siméon RAJAONA:
· Mahatsikaiky
· Mampangitakitaka
· Mampalahelo