General
LESONA
NY ANKIFIDY
Fampisafidianana zavatra roa tsy mitovy lazaina amin’ny endrika mifonofono, raha tsy mahay mifidy dia mahazo ny ratsy ny ankifidy.
Ohatra : Alao izay tianao,
Tsemboka anatin’ny maro sa tsemboka irery
(Mpiasa) (mpamosavy)
Be maso anaty vero sa kely maso anaty vato
(Zank’omby) (kary)
Jabora tsy azo atono sa lohan’akoho mitete menaka
(manankarena mahihitra) (tranobongo misy ronono)
Hiakatra sa hidina
(lohan-takatra) (lohan’angidina)
Manavaka azy :
Misy fitsipika manokana ny ankifidy, satria izay nahay nifidy (mahita ny vaniny teny tsara) no mandresy