Généralités
LESONA
NY KABARY
1. Famaritana:
Lahateny, antso avo atao ampahabemaso ho ren’ny be sy ny maro ny kabary.
2. Ny ilana ny kabary:
· Entina hanamarinana na hanazavana zavatra iray manan-danja.
· Entin’ny mpiteny maneho ny fahaizany miteny sy mitana ny sain’ny mpihaino amin’ny alalan’ny teny tsara rindra sy ohabolana voafantina.
· Nentin’ny mpanjaka nampita hafatra tamin’ny vahoaka ny kabary
· Mila fahasahiana
· Mila fahaizana manadaha-teny
· Mila avo feo.
· Mahafantatra ny fahendrena malagasy
· Mahafehy ny ohabolana sy ny hain-teny
Maro karazana ny kabary, fa hosinganina manokana ireto :
· Ny kabary am-panambadiana
· Ny kabary am-pandevenana
· Ny kabarin’ny mpanjaka
· Kabary am-pamadihana
· Kabary am-pahoriana
· Kabary ambony vavahady
· Kabary politika na ny mpitondra
Ohatra :
- Ny kabary am-panambadiana
Manana ny lanjany teo amin’ny fampakaram-bady malagasy ny kabary. Misy ny fifamaliana kabary avy amin-drazazalahy sy razazavavy, izany hoe, ny mpangataka sy ny angatahina. Hita ao amin’izany kabary izany ny: ala sarona sy azafady, ny fialan-tsiny, ny fiarahabana, ranjan-kabary: ny anton-dia, fangatahana, ny ala fady, ny toki-pitiavana, vodiondry, … fisaorana
Misy dingana telo ny kabary tontosaina teny amin’ny fasana alohan’ny hampidirana ny razana ao. Mialoha izay anefa dia misy ny fisaorana ny fokonolona mialoha ny ialan’ny razana eo am-bohitra.
1- Filazalazana ny momba ny maty
Ny fiainany, ny lazany, ny zava-bitany (tanterahin’ny olona manan-kaja iray)
2- Miteny ihany koa ny zanaky ny maty ho mariky ny fananana dimby (mpandimby)
3- Atao ao aorian’ny fanitrihana,
(Misy solontenan’ny fianakaviana hisaotra ny mpanotrona.)
- Ny kabarin’ny mpanjaka na ny mpitondra
Io kabary io no nalaza indrindra, izay nentina nampitana hafatra na sori-dalana na Didim-panjakana, mety mifono hafatra sy torolalana mitarika ny sain’ny vahoaka hivoatra.