Généralités
Fandaharam-pianarana Malagasy TA
SOKAJY «A»
Tanjon’ny taranja
Toy ny teny rehetra fampiasan’ny firenen-tsamihafa eran-tany, ny teny
Malagasy dia fitaovana mahomby ahafahana mamolaka sy mifehy ny fahalalana;
Ny fahaiza-manao ary ny tetika anabeazana feno ny maha olona
(vatana, saina, fanahy) sy ahazoa-mivelatra eo amin’ny lafim-piainana rehetra.
Noho izany, ny fampianarana ny teny Malagasy dia tokony hitaiza ny mpianatra:
· Hahalala ny kolontsaina sy ny rafi-pisainana Malagasy manaraka ny fivoaran’ny tantara;
· Ho afaka mitia sy mikolo ary mandamina ny haren-tsaina Malagasy no sady afaka misokatra amin’ny haren-tsain’ny hafa;
· Ho matotra eo amin’ny fifampikasohany amin’ny hevitra isan-karazany: sady mahay mihaino no afaka maneho mazava sy manohana ny heviny;
· Hanana saina liana amin’ny fivoarana sy tia fandrosoana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany;
Tanjon’ny taranja Malagasy aty amin’ny ambaratonga fahatelo
Ny mpianatra nahavita ny fianarana ato amin’ny ambaratonga fahatelo dia afaka:
· Mitia sy mikolo ary miaro ny haren-tsaina Malagasy;
· Manana saina matotra sy mahay mandanjalanja ary tia karokaroka;
· Manaporofo ny fananany saina mahay mamakafaka ary maneho sy man,ohana ny heviny;
· Mikirakira sy mampiasa ny teny Malagasy amin’ny maha-fitaovam-panehoan-kevitra sy fifandraisana azy;
· Manakatra ny haren-tsain’ny firenen-kafa ary misokatra amin’ny fahalalana iombonan’ny zanak’olombelona
Tanjona ankapobeny ato amin’ny kilasy fahatelo
Ny mpianatra nahavita ny kilasy famaranana dia afaka:
· Mifehy ny tanjona rehetra tany amin’ny kilasy teo aloha;
· Manakatra ny hevityra rehetra mifampikasoka aminy ao main’ny sehatra samihafa;
· Manaporofo ny fananany saina matotra sy matsilo, voataiza tamina vakomanitra feno sy ampy;
· Manakatra ny rafi-pisainana malagasy, ny fiheverany ny amin’ny tontolom-piaraha-miainy ary ny fivoaran’izany manaraka ny tantara
Lanjan’ora
Ora 4 isan-kerinandro
Malagasy TA
Ny literatiora malagasy
Faharetany: ora 30
Tanjona ankapobeny:
Aorian’ny fianarana ny amin’ity took ity ny mpianatra dia afaka:
· Mampivoatra sy mahafehy ny ambaratongan’ny afmakiana ny literatiora takin’ny fahazoana azy;
· Mamolaka sy mahay mampivady haitsikera maromaro;
· Manitatra lalindalina kokoa ny fanadihadiana asa literera amin’ny maha-fitaovam-panabeazana sy fitahirizana azy: fihetseham-po, fiheverana ny tontolo;
· Ho tia miaina ary mahita fahafinaretana amin’ny kolon-tsaina Malagasy ka manabe voho ny vakomanitra ananany;
· Mamorona andalan-tsoratra kanto vita amina praozy na poezia miady rima na tsia
Tanjona manokana
Vontoatony
Fanamarihana
Mpianatra afaka:
· Mamaritra ny fivoaran’ny literatiora Malagasy
· Mitanisa ny hevitra fototra mibaiko ny endriky ny literatiora sy ny votoantiny ary ny tontolo ipoirany
· Mifehy ny tantaran’ny literatiora Malagasy manontolo
· Mamaky ny asa soratra manaraka ny ambaratonga ilaina
· Manasongadina ny lafiny kanto ao amin’ny asa soratra
· Manabe voho ny vako-manitra ananany eo amin’ny lafiny literatiora
· Mamantatra amin’ny ankapobeny ny mombamomba azy
· Mamaky ny asa soratra manaraka ny ambaratonga ilaina
· Manasongadina ny lafiny kanto ao amin’ny asa soratra
▼Ny tantaran’ny literatiora Malagasy
▼Ny vanim-potoana ankehitriny
· Ny zava-misy, ny fironantsaina ary ny literatiora Malagasy ankehitriny
· Famintinana
· Ny sokajin-kevitra raketin’ny asa-soratra
· Ny fifandraisan’ny endrika ivelany sy ny votoantiny
▼Ny mpanoratra Malagasy malaza
· Ny tantaram-piainany
· Ny sokajin-kevitra raketin’ny asa sorany
· Ny fifandraisan’ny endrika ivelany sy ny votoantiny
Asa azo tanterahina
· Famelabelaran-kevitra ataona sokajy iray, arahina fanatevenana sy fandravonana iaraha-manao
· Asa iaraha-manao ao an-tsekoly tarihin’ny mpampianatra
· Azo atao anan-tsokajy: fikarohana ny fandravonana izay rehetra efa nianarana: endrika, fanehoan-kevitra, sary, ny rivotra iainana ary ny fironana sy ny zava-misy isaka ny vanim-potoana. Arafitra amina fafana na lambanana izany rehefa voaravona.
· Jerena eto ireo ambaratongan-kevitra raketin’ny asa soratra amin’ny ankapobeny, ny hevitra raikitra (ara-bakiteny) hevitra ambadika , ary ny hevitra tsy raikitra , ampifandraisina amin’ny rafitry ny lahatsoratra sy/na ny tantaram-piainan’ny mpanoratra sy/na ny tantaram-pirenena (zava-misy) sns;
· Fitrandrahana ny fironana na ny hevitra mitondra
· Fitsikerana ny fanehoana izany ao amin’ny sangan’ asany
Filazan-javatra sy rafitra, ny rima, ny ngadona, ny feo, ny refy, ny tsirin-teny, ny voambolana, sary…
· Fanasongadinana izay mampiavaka ilay mpanoratra amin’ireo lafiny ireo
FFitadiavana ny andalana na ny andininy …tena kanto sy/na ahitana hevitra mafonja.
J.J. RABEARIVELO, J.S. RATANY, J. RATSIMISETA
Asa azo tanterahina
Asan-tsokajy
· Fanadihadiana lahatsoratra sy famelaberan-kevitra anasongadinana ny fanehoan-kevitra (filazan-javatra, rafitra…), ny fifandraisana amin’ny lafiny hevitra.
· Jerena eto ireo ambaratongan-kevitra raketin’ny asa soratra amin’ny ankapobeny, ny hevitra raikitra (ara-bakiteny) hevitra ambadika , ary ny hevitra tsy raikitra , ampifandraisina amin’ny rafitry ny lahatsoratra sy/na ny tantaram-piainan’ny mpanoratra sy/na ny tantaram-pirenena (zava-misy) sns;
· Fitrandrahana ny fironana na ny hevitra mitondra
· Fitsikerana ny fanehoana izany ao amin’ny sangan’ asany
Filazan-javatra sy rafitra, ny rima, ny ngadona, ny feo, ny refy, ny tsirin-teny, ny voambolana, sary…
· Fanasongadinana izay mampiavaka ilay mpanoratra amin’ireo lafiny ireo
FFitadiavana ny andalana na ny andininy …tena kanto sy/na ahitana hevitra mafonja.
Tononkalo 5 isaka ny mpanoratra raha kely ; Vakivakim-piainana, (I.P.)ANDRIAMANGATAHIANA
Malagasy TA
Torolalana ankapobeny
Ho fanomanana sahady ny mpianatra amin’ity sokajy ity ny tanjona.Araka izany dia tsy anaovana lesona manokana akory ny fampianarana ireo haitsikera ampiasaina saingy ezahina ny hampahafantatra azy ny ireo ny fisiany sy ny hahaizany mampiasa azy.
Eo amin’ny tantaran’ny literatiora indray kosa dia tsara raha toa ka hita ao amin’ny lambanana famintinana ny mampiavaka ny vanim-potoana tsirairay amin’ireto lafin-javatra ireto:
- Ny fironan-tsaina
- Ny zava-misy (isan-kolafiny)
- Ny votoantiny (ara-bakiteny sy ambadika ary tsy raikitra)
- Ny fanehoan-kevitra (endrika , sary, rivotra iainana)
Azoi atao tsara ihany koa ny mitrandraka ny lohahevitra etsy ambony amin’ireo asa soratra ianarana amin’ity toko ity.
Tombana
· Famenoana ny fafana fandinihana asa soratra iray miompana amin’ny tantaran’ny literatiora , ary famaritana ny vanim-potoana nivoahany ;
· Fanomezana ny fanamarinana ny vanim-potoana namoahana ny asa soratra iray voafaritra mialoha;
· Fanavahana ny sary, nany tontolo, na ny fanehoan-kevitra amin’ny vanim-potoana roa araka ny ahitana azy ao amin’ny asa soratra roa samihafa.
· Andram-panazavana asa soratra mifototra amin’ny:
- Tantara
- Rafitra
- Fiaraha-monina
· Fampivadiana ny haistikera rehetra
· Famoronana asa soratra manaraka na tsy manaraka tondrozotra (fepetra). Azo atao miendrika fifaninanana ho an’ny tsirairay, na isan-tarika na isaka kilasy….
· Famoronana asa soratra itambarana: ohatra miainga amina fehezanteny iray, dia anjaran’ny tarika na ny tsirairay ny manohy izany mba hahazoana andalana vbistivitsy kanto, miady rima na tsia