Allgemeines
SOMBIN-TANTARA
1. Famaritana:
Tantara fohy nefa feno mamerina ny ampaham-piainan’olona tena nisy na noforonin’ny saina fotsiny izay anasongadinana toe-javatra manokana tiana hampitaina ny sombin-tantara: mahaliana na azo tohizana ao an-tsaina na dia efa tapitra aza.
2. Ny firafitry ny sombin-tantara:
Ireto avy ny mandrafitra ny sombin-tantara:
Ø Ny fanombohana ny tantara
Ø Ny vontoatin’ny tantara:
Tsy maintsy misy singa telo ny toe-javatra tantaraiana tarafina amin’ny mpandray anjara fototra:
· Toe-javatra iaingana :
· Toe-javatra mpanova na singa mpanova
· Toe-javatra iafarana
Ø Ny famaranana
3. Ny mpandray anjara:
· Mpandray anjara fototra (ifantohan’ny zavatra tantaraina)
· Mpandray anjara mpanampy (mampivoatra ny tantara)
· Ravaka ( mpandray anjara mandravaka ny tantara fotsiny)
4. Ny vontoatiny:
Ny vontoatiny ny sombin-tantara dia lesona na fananarana ampitaina amin’ny alalan’ny tantara. Tsy mahagaga araka izany, raha ny olam-piainana miseho eo amin’ny mpandray anjara fototra na vonan-tantara mateti-pitranga amin’ny fiarahamonina no zary toe-zavatra tantaraina.
5. Ny antony ilana ny sombin-tantara
a. Fanabeazana
Fanabeazana izy satria azo isintomana lesona na fananarana.
b. Fialam-boly
Fialam-boly izy satria mahasondriana ny mpamaky azy; mampihomehy indraindray ary manala sorisory.
Oh: Ny fihetsika nifadiso nataon’ny Rainibedaoro sy Rasinoro ao amin’ilay sombin-tantara mitondra ny lohateny hoe “Midongy angaha isekely” izay nosoratan-dRAMANGAMALEFAKA
d. Fampivoarana
Mampivoatra ny sombin-tantara satria ahitana ireo lesoka maro samy hafa eo fiarahamonina izay tsy tokony hatao intsony ho fananarana sy lesona amin’ny fiainana andavanandro koa izy.
6. Ny maha zava-kanto azy
Zava-kanto tokoa ny sombin-tantara satria:
- Misy famoronan’ny saina hahafinaritra ny mpamaky
- Mitondra ny mpamaky hahazo sary an-tsaina ho toy ny nahita maso ny zavatra tantaraina
- Hain’ny mpanoratra koa ny mifantina ny voambolana sy ny rafi-pehezanteny ampiasaina sy ny maneho ny fihetsika ataon’ny mpandray anjara amin’ny alalan’ny fahaizany mitantara, hisarihana sy hifantohan’ny sain’ny mpamaky.
7. Ireo karazana sombin-tantara