Allgemeines
NY FIANAKAVIANA
1. Famaritana :
Ara-baki-teny :
f - i - anak(a) -avi- ana
- f: tovona famoronana anarana
- i - …… - ana : tsirin-teny sara-droa
- anakavi: fototeny midika hoe :
· isika zanaka daholo (anaka+avi)
· zanaka teraka tonga hanatevina ny isa ao amin’ny ankohonana
Anarana ilazana ny toetry ny fiitaran’ny taranaka
Ara-kevi-teny:
Ny atao hoe fianakaviana dia fitambaran’ny ankohonana maro iray fototra izay ampifandraisan’ny ra iraisana, fehezin’ny fomba fisainany sy ny foto-kevitra mampiavaka azy amin’ny hafa.
2. Ireo anarana ifampiantsoana ao anaty fianakaviana:
- Dada sy Neny : ireo ray an-dreny niteraka
- Zanaka: ireo zaza naterak’ireo ray aman-dreny, taranaka voalohany na antsoina ihany koa hoe masondranony, masom-boly
- Dadabe sy Nenibe : no iantsoan’ny zanaka ny ray aman-drenin’i Dada sy ray aman-drenin’i Neny, izany hoe raibe sy reniben’ny zanaka,
- Rafozana: ny iantsoan’ny lehilahy ny ray aman-drenin’ny vadiny sy ny iantsoan’ny vehivavy ny ray aman-drenin’ny vadiny.
- Dadatoa sy Nenitoa: Ny rahalahin-dray voalohany sy anadahin-dreny voalohany(matoa), rahavavin-dreny voalohany sy anabavin-dray voalohany. Antsoina ihany koa any amin’ny faritra sasany hoe Mamabe sy Papabe.
- Dadanaivo sy Neniraivo: Ny rahalahin-dray sy anadahin-dreny rehetra eo anelanelan’ny matoa sy ny farany sy rahavavin-dreny sy anabavin-dray rehetra eo anelanelan’ny matoa sy ny farany. Izany hoe an’ivo.
- Dadafara sy nenifara: Ny rahalahin-dray farany sy anadahin-dreny farany, rahavavin-dreny sy anabavin-dray farany.
- Ny zaodahy no iantsoana ny:
· Anadahin’ny vady
· Rahalahin’ny vady
· Vadin’ny anabavy
· Vadin’ny rahavavy
Antsoina ihany koa hoe valilahy na valy
- Ny zaobavy ny:
· Rahavavin’ny vady
· Vadin’ny rahalahy
· Vadin’ny anadahy
· Anabavin’ny vady
Antsoina hoe Ranaotra na Velahy
- Vinanto: Vadin’ny zanaka
- Zafikely: ireo zanaka nateraky ny zanaka, taranaka faharoa
- Zafiafy: zanaka nateraky ny zafikely, taranaka fahatelo
- Zafin-dohalika : zanaky ny zafiafy, taranaka fahaefatra
- Zafin-kitrokely: zanaky ny zafin-dohalika, taranaka fahadimy
- Zafim-paladia: zanaky ny zafin-kitrokely, taranaka fahenina
- Zafin-doria: zanaky ny zafim-paladia, taranaka fahafito
- Zafy mafy na zafy tsy torana: entina milaza ireo zafikely efa lavitra dia lavitra ka tsy mba mitomany intsony raha mandre fa efa maty ireo razam-beny
3. Fomba atao hampirindra ny fianakaviana
Mba hisian’ny fiainana milamina sy mirindra eo amin’ny fiainam-pianakaviana dia ilaina ny fisian’ny: fifankatiavana, fifanajana, fifandeferana, fifanampiana, fifampitsimbinana, fifampitokisana, …
4. Ohabolana sy oha-pitenenana
- “Izay iray donak’afo, iray dinidinika”
- “Ny zoky mitsaha-kota, ny zandry no tompon’ny farany”
- “Manan-joky afak’olan-teny, manan-jandry afak’olan’entana,”
- “Raha revon’alahelo, ny havana no itarainana”
- “Tsy ny donak’afo no mahafana ny trano fa ny mpianakavy mifanara-tsaina”
- “Izay mahavangivangy tian-kavana”
- “Ny havan-tiana tsy iaraha-monina”
- “Ny alahelo tsy ambara havana, zakan’ny tompony ihany”
- “Havana raha misy patsa, fa raha lany ny patsa dia havan-tetezina”
- “Ory hava-manana”
- “Tarana-boanjo foto-boanemba”
- “Ny hazo no vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara”
5. Tenina mpandinika
- Joseph RABETAFIKA: “Ny marina tsy ambara havana, heloka mibaribary”