General
NY SOKAJIN-DAHATSORATRA MANORITSORITRA
1. Famaritana :
Lahatsoratra mandoko zavatra iray ka manasongadina ny toetrany, ny endriny, ny fihetsiny, ny bikany, ary ny zavatra hita eo aminy ny lahatsoratra manoritsoritra.
2. Ny firafiny :
- Misy lamina arahin’ny mpanoratra izay tsy mikorontana
- Misy fatra ataon’ny mpanoratra: habe , hafohy, halava, hakely
- Misy sehatra ifantohan’ny fijery sy ny fisainana
Oh: zavatra, bika, toetran’olona, toerana
3. Ny mampiavaka azy:
· Endrika ivelany:
Ahitana betsaka an’ireto:
- Filazam-potoana ankehitriny amin’ny matoanteny
- Mari-piatoana
- Mpamari-toetra
- Tambin-teny sy mpanampy
- Mpisolo isakarazany
- Sarin-teny fampitahana, toy ny fanomezana aina ny tsy manana aina
- Teny verindroa
- Fehezanteny fohy
· Vontoatiny
- Toy ny mahita mivantana sy mahazo sary an-tsaina ny zavatra soritsoritana ny mpamaky.
- Tsy misy mpandray anjara afa-tsy ny mpanoratra ihany.