Généralités
NY ANARANA
Oh : - Milalao baolina ny mpianatra.
RF (anaran-javatra) L (anaran’olona)
- Manaikitra ny alika
L (anaram-biby)
ðTeny entina iantsoana olona, na biby na zavatra.
ð Teny afaka mitana anjara asa fototra
1. Famaritana:
Ny atao hoe anarana dia teny entina iantsoana olona na biby na zavatra na hevitra, azo tsapain-tanana na tsy azo tsapain-tanana ; ka afaka mitana anjara asa fototra sy fameno.
Ialohavana mpanoritra na mahasori-tena raha toa ka atao lazaina.
2. Karazany:
Misy karazany maro ny anarana:
2.1 Anaran-tsamirery :
Entina iantsoana olona na bidy na zavatra na toerana amin’ny anarany samy irery ka iavahany amin’ny hafa. Ialohavan’ny mpanoritra toy ny (i, An-, Ra-, Ikala, Ilay, Ingahy, Andria-….) mandrakariva izy. Tsy maintsy atomboka amin’ny sora-baventy ny fanoratana azy
Oh: Ikoto, Ilay Koto, Antananarivo, Ramboa, Ikalamavo, …
2.2 Anarana iombonana
Entina iantsoana sokajin’olona na biby na zavatra iray tarika na andiany ka itambarana sy iombonan’izy rehetra.
Oh: mpianatra, fanjaitra, fahendrena, vorona…
Fomba fandrafetana anarana iombonana
Amin’ny matoanteny
Alatsaka ny « m » ary soloina « f- » na « mp- » na « k- »
Oh:
Mianatra = (m) – mp- ianatra ð mpianatra
Manjaitra = (m) – f - anjaitra ð fanjaitra
Milalao = (m) – k- ilalao ð kilalao
Amin’ny mpamari-toetra
Tovonana “ha-” na asiana tsirin-teny saran-droa ha-…………… -ana, faha- …………..-ana ny mpamari-toetra dia mahazo anarana .
Oh : tsara: ha - tsara
ð hatsara
tsara: ha - tsara - ana
ð hatsarana
zaza : faha-zaza
ð fahazaza
zaza: faha – zaza - ana
ð fahazazana
Lasa sokajain-teny anarana ny mpamari-toetra ao anaty fehezan-teny iray raha voasoritra.
Azo avy amin’ny toerana misy
tovonana “t-“ dia mahazo anarana
oh: Ambanivohitra: t - ambanivohitra
ð tambanivohitra
Antsaha: t - antsaha
ð tantsaha
Azo avy amin’ny kambanteny
tsara + maso = tsaramaso
rano + masina = ranomasina
maso + andro = masoandro
2.3 Anarana angoty
Anarana ifampiantsoan’ny olona mifandray akaiky sy mifankahazo am-po, hita matetika eo anivon’ny fianakaviana, mazàna natao hanehoana fitiavana.
Oh : i Kalasoa, i Neny, Idadanaivo, Ikaky….
Oh: i Bavy, Razaoba, i Valy, Ingahy Naotra, i Zama, i Malala, …
2.4 Anaram-bosotra na anara-petaka
Anarana iantsoana olona iray ankoatra ny tena anarany, araka ny endriny, na toetrany, na zavatra hita eo aminy…
Oh: i Peta; i Bory; i Katsetsoka;