Allgemeines
Esther RANDRIAMAMONJY
I- Ny fiainany
1.1 Fiankohonana
Teraka tamin'ny 11 Aprily 1933 tao Ambohimahasoa i Esther RASOLOARIMALALA RANDRIAMAMONJY (E.R.R.).
1.2 Ny fianarany
Manana ny mari-pahaizana "Baccalauréat ès Philosophie"; "Licence ès Lettres" (Antananarivo-Dijon)
1.3 Ny fikambanana nisy azy
- Mpikambana ao amin'ny "Académie Nationale des Arts, des Lettres et des Sciences";
- Miara-miasa amina sokajin’olona na antokon’olona sy ONG. Anisan'ireny, ohatra, ny FIMIAMA (FIkambanana MIkarakara ny Angano MAlagasy) ; Ny vehivavy AKFM-Fanavaozana, ny UPEM, ny UNICEF, ...
- Fanomanana ny fampirantiana ny "Art Décoratif et Appliqué" afrikana izay fanao isan-taona ao amin'ny Lapan'ny Fifankatiavana (Maison de l'Amitié)-Moscou;
- Fanomanana ny fampirantiana "Ny Tontolon'ny Angano" izay nokarakarain'ny Fivondronampokontanin'Antananarivo-Renivohitra (Jolay - Septambra 1998);
- Tompon'andraikitra feno tamin'ny fanomanana ny fampirantiana "Cent Livres de Madagascar" natao tao amin'ny trano famakiam-boky "Littérature Etrangère"- Kroupskaïa ;
- Nandray anjara matetika tamin'ireo valandresaka maro nataon'ny mpanoratra afrikana sy aziatika.
1.4 Ny asany
- Mpampianatra ny teny malagasy sy frantsay ary anglisy izy,
- Efa Talena Sekoly ihany koa
- Nisahana fanontana sy fandrafetana boky (any ivelany sy eto an-toerana) maro izy amin'izany
- Filoha lefitry ny Fikambanan'ny Pôety sy Mpanoratra Malagasy (UPEM) ;
II- Ny maha mpanoratra azy
Maro, araka izany, ny sehatra ahazoana mianoka ny kanto avy aminy na eny an-kalamanjana, na an-tsekoly isan-tokony, fiangonana, lampihazo sy sehatra samihafa, ny fitaovan-tserasera an-tsoratra, an-tsary, an’onjam-peo..., na eto an-tanindrazana (tamin'ireo faritra maro noteteziny) na tany ivelany.
Maro dia maro tokoa ny bainga efa voavadiny, raha ny asa soratra no isian-teny. Tsy betsaka eo amin'ny isany fotsiny fa manan-karena ihany koa na eo amin'ny lafiny karazana sy ny loharano nipoirany na eo amin'ny sokajin'olona nokendrena hiantefany. Araka izany dia tsy ho ary ho voatanisa etoana avokoa izy ireny:
2.1 Boky sy ny asa sorany
Matetika dia angano sy tantara ho an'ny ankizy madinika no ifotoran’ny bokiny :
· Angano :
- I Tovolahy Ravoay,
- I Raivo Rahiratra,
- I Faravavy nanjary lolo,
- Rakankafotra sy i Pitidrano Diamondra
- Sodin’i Solofo.
· Tantara foronina :
- Ho avy ny maraina
- Trano rava
· Tantara an-dampihazo:
- Tora-bato sy feon’ny hazo fijaliana
- Krismasin’ny lanitra
- Tsarao ary aho
2.2 Ireo onjam-peo namoahany ny asa sorany:
- RNM, TVM, Radio Don Bosco, Radio ACEM,
- Radio MOSCOU, Radio FINLAND, TV FINLAND…
2.3 Ny tarakevitra
Fanabeazana ny ankizy hahay miaina sy hahafantatra sy hifandray ary hanaja ny tontolo manodidina azy : ny olona, ny biby, ny vato, ny rano, …
Ny tarigetrako, hoy izy, dia ny « Mampitsimoka ny voa efa àry - Mamoha izay mila hatory - Mandrisika ny hitady hihemotra - Manondraka ny efa mitsiry - Manandratra ireo mamololona hioty ny SALOHY efa MASAKA.»
Fanamarihana
1983 : Nahazo ny "Insigne d'Honneur de l'Union des Sociétés Soviétiques pour la Paix et l'Amitié", fony izy tany Moscou raha nitana ny andraikitra ho Masoivohon'i Madagasikara tany Atoa RANDRIAMAMONJY Frédéric vadiny. Izy no afrikana faharoa nahazo io mari-boninahitra io. Nandray anjara tamin'ny :
Azo ambara fa Fanilon'ny kolontsaina malagasy i E.R.R. ary nahavita be tokoa tamin'ny fanandratana avo dia avo izany, indrindra teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. "Mpanoratra ho an'ny ankizy" no ahafantaran'ny maro azy any ivelany ary izany no mampiavaka azy amin'ny hafa eto an-toerana. Manambara ny mikasika izany ireo gazety sy revio maro avy any (Moscou, New York, Paris...) izay namoaka na ny sangan'asany na lahatsoratra amin'ny anarany ka anasongadinany ireo tarigetrany». Ombalahy be vozona tokoa i E.R.R eo amin'ny fanatontosany izay heveriny ho adidiny na amin'ny maha-mpanakanto azy na amin'ny maha-mpanabe azy ihany koa.
Noho izany dia betsaka ny asa sorany milaza tantara (angano) no efa vita horonan-tsary amin'ny teny malagasy sy vahiny.