General
MALAGASY KILASY FAHATELO
KILASY FAHATELO
Tanjon’ny taranja
Toy ny teny rehetra fampiasan’ny firenen-tsamihafa eran-tany, ny teny
Malagasy dia fitaovana mahomby ahafahana mamolaka sy mifehy ny fahalalana;
Ny fahaiza-manao ary ny tetika anabeazana feno ny maha olona
(vatana, saina, fanahy) sy ahazoa-mivelatra eo amin’ny lafim-piainana rehetra.
Noho izany, ny fampianarana ny teny Malagasy dia tokony hitaiza ny mpianatra:
· Hahalala ny kolontsaina sy ny rafi-pisainana Malagasy manaraka ny fivoaran’ny tantara;
· Ho afaka mitia sy mikolo ary mandamina ny haren-tsaina Malagasy no sady afaka misokatra amin’ny haren-tsain’ny hafa;
· Ho matotra eo amin’ny fifampikasohany amin’ny hevitra isan-karazany: sady mahay mihaino no afaka maneho mazava sy manohana ny heviny;
· Hanana saina liana amin’ny fivoarana sy tia fandrosoana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany;
Tanjon’ny taranja Malagasy aty amin’ny ambaratonga faharoa
Ny mpianatra nahavita ny fianarana ato amin’ny ambaratonga faharoa
dingana voalohany dia mpianatra afaka:
· Mamakafaka ny haren-tsaina sy fahendrena Malagasy voatahiry ao anatine lahabolana sy lahatsoratra na lovantsofina;
· Maneho hevitra matotra sy mirindra ary tsy ahitana fahadisoana na eo amin’ny lafiny fitsipi-pitenenana na eo amin’ny fanoratana;
· Mamakafaka sy mandanjalanja ny votoatin’ny hevitra mifampikasoka aminy;
· Manaporofo ny fahaizany mitrandraka lahabolana sy lahatsoratra.
Tanjona ankapobeny ato amin’ny Kilasy Fahatelo
Amin’ny fiafaran’ny fianarany ato amin’ny kilasy fahatelo ny mpianatra dia afaka:
· Mamantatra ny maha-malagasy azy eo amin’ny lafiny kolon-tsaina;
· Mampihantra ny teknikan’ny fanndinihana lahatsoratra na lahabolana;
· Mitsimpona ny hevitra ao amin’ny asa literera nodinihiny;
· Mamintina izany araka ny fivelaran-tsainy sy izay nampianarina azy
· Mifehy ny lalàn’ny fifanerierana eo amin’ny lafiny hevitra:
- Mahay mihaino ny hafa
- Mahay maneho sy manohana ny heviny
· Mandanjalanja ny ankolafin-kevitra hainy tany am-pianarana ary mampihantra izany eo amin’ny fiainanana andavanandro.
Lanjan’ora
Ora 4 isan-kerinandro
Ny Riba Malagasy
Ny fifandraisan’ny Malagasy eo amin’ny lafa-pamokarana
Faharetany: ora 14
Tanjona ankapobeny
Mpianatra afaka:
· Mamantatra ny haren-tsaina Malagasy tarafina amin’ny fomba fiainany
· Mifehy ny fifandraisana eo amin’ny lafa-pamokarana Malagasy araka ny fivoaran’ny tantara;
· Mampihantra ny fahalalana amam-pahaizana azony eo amin’ny fiainana andavanandro;
· Manadihady tahirin-kevitra;
· Mandrafitra andalan-dahatsoratra ahitana fifanjohian-kevitra mazava sy mandresy lahatra.
Tanjona manokana
Vontoatony
Fanamarihana
Mpianatra afaka:
· Mamahavaha ny fifandraisana sy ny endri-pamokarana nisy teto Madagasikara
· Manoritsoritra ny lafa-pamokarana mifototra amin’ny fihavanana
· Manatsoaka ny hevitra fototra ilafihan’izany fomba raikitra izany
· Manoritsoritra ny endrim-pifandraisana eo amin’ny lafa-pamokarana manome lanja ny herin’ny asam-batan’olona
· Mampitaha ny endrim-pifandraisana misy amin’ny lafa-pamokarana mifototra amin’ny fihavanana sy amin’ny herin’ny tsirairay
· Manombana ny anjara toeran’ny endrim-pamokarana mifototra amin’ny fihavanana manoloana ny fivoaran’ny tantara
· Mitanisa ireo toetra takina ao amin’ny lafa-pamokarana manome lanja ny herin’ny tsirairay sy ny fifaninanana, ny fanatontoloana
Ø Ny endrim-pamokarana malagasy
· Fanoritsoritana ankapobeny
· Ny valintanana
· Ny dikany
· Ny endrim-pamokarana mifototra amin’ny fahaleovan-tena
· Fampitahana
· Ny tambirö sy ny fampandrosoana
· Ny fepetra mampahomby eo amin’ny fiharian-karena ankehitriny
Asa azo tanterahina
· Tsiahy ankapobeny mikasika ny zava-misy teo amin’ny lafiny tantaran’i Madagasikara;
· Famariparitana ankapobeny ny endrim-piaraha-monina nijoro sy ny fironana nahery vaika tamin’izany;
· Fanatsoahana amin’ny ankapobeny, ny endrim-pifandraisana vokatr’izany(eo amin’ny lafiny famokarana sy toe-karena)
· Izay fanova ara-paritra misy eo an-toerana na no tokony hanombohana ny fandinihana: valintanana /tambirö/ haona /kifanomba/ lampona…
· Asongadina amin’ny lesona ny famaritana ilay fomba, ny endrika isehoany /fandokoana, ny fepetra mifehy azy…
Asa azo tanterahina
· Fandinihana lahatsoratra na lahabolana iaraha-manao ;
· Fanadihadiana tahirin-kevitra na forobohana an-tsehatra miainga amin’antontam-panontaniana nomena mialoha ary arahina fitarihana ataon’ny mpampianatra
· Asongadina amin’ny lesona ny dikan’ilay fomba eo amin’ny lafiny toe-karena, fiaraha-monina (sôsialy) , finoana, fiheverana ny olona sy ny tontolony…
· Fanadihadiana lahatsoratra na lahabolana tarihin’ny mpampianatra na atao an-tsokajy;
· Famelaberan-kaveitra ataon’ny sokajy aorian’ny fanadihadiana tahirin-kevitra miainga amin’antontam- panontaniana nomena mialoha
· Adihevitra miainga amina olana navohitra tamina fanadihadiana asa literera iray
· Afantoka amin’ny fampifandraisana ny toe-javatra/antony/ vokany ny fandinihana
Asa azo tanterahina
· Fanadihadiana lahatsoratra ahitana taratra ireo karazana lafa-pamokarana tamin’ny fanandevozana, fanjanahana ary ankehitriny
· Asongadina ao amin’ny lesona ny sandan’ireo ankolafin-kery ampiasaina ao amin’ny lafatra
Asa azo tanterahina
· Asa iaraha-manao ao an-tsekoly, miainga amin’izay efa hita teo aloha; ampitahana ny
- Dikany eo amin’ny lafim-piainana samihafa
- Hery na singa omen-danja indrindra
· Tso-kevitra
· Azo atao tsar any mampiasa ireo sahanasa voalaza etsy ambony. Marihina anefa tena ho betsaka ny elanelana hisy eo amin’ny fiovan’ny endrik’io fomba io any ambonivohitra sy ny eny ambanivohitra. Noho izany dia izay fototra iorenany ihany no ifantohana ary anaovana tsoa-kevitra
Asa azo tanterahina
· Valan-dresaka anasana mpandraharaha eo amin’ny lafiny toe-karena , arahina adihevitra andraisan’ny mpianatra anjara sy fandravonana iaraha-mandrafitra
· Adihevitra avy amina olana navohitra tamin’ny lesona, tarihin’ny mpampianatra na sokajy iray
Torolalana
§ Tsy tokony hidirana amin’ny an-tsipiriany loatra ny amin’ny tantaran’ny fivoaran’ny endriky ny lafa-pamokarana teo amin’ny vanim-potoana nifandimby, fampitahana no ifotorana. Ny fanefena mpianatra afa-miatrika avy hatrany ny fiainana anadavanandro no kendrena.
§ EO amin’ny lalan-tsaina andinihana ny fomba raikitra (fampifandraisana ny toe-javatra/ antony/ vokany), dia tarihin’ny mpampianatra amin’ny alalan’ny fanontaniana miambaratonga ny mpianatra.
Tombana
· Azo ampiharina avokoa ireo tombana efa natao tany aloha sy izay karazana hafa hitan’ny mpampianatra. Ankoatr’ireo dia eo ihany koa ny fanontaniana misy valiny maro safidina, na misy valiny tsaraina amin’ny hoe MARINA na DISO
Malagasy
Ny fifandraisan’ny Malagasy eo amin’ny tontolon’ny velona sy razana
Faharetany ora 24
Tanjona ankapobeny
Mpianatra afaka:
· Manakatra ny haren-tsaina malagasy fonosin’ny fomba amam-panaony
· Mandanjalanja ny fihetsiny eo amin’ny fiainana andavanandro
· Manakatra ny sokajin-kevitra fonosin’ny karazan’ambara manoloana azy
Tanjona manokana
vontoatiny
fanamarihana
Mpianatra afaka:
· Manoritsoritra ny fizotry ny fomba amam-panao raha misy maty
· Manatsoaka ny dingana ao amin’ny fomba amam-panao amin’ny fahafatesana
· Manakatra ny hevitra fototra ilafihan’ny fandevenana mifototra amin’ny finoana nentim-paharazana sy nentim-bahiny
· Mandrafitra andalan-tsoratra tsotra, mandresy lahatra mikasika ny fiheverany ny amin’ny fahafatesana
· Mampihatra ny fahalalana norantoviny eo amin’ny fiainana andavanandro
Mpianatra afaka:
· Manoritsoritra ny endrika isehoan’ny famadihana
· Manatsoaka ny hevitra fototra ilafihan’ny famadihana
· Mamaritra ny fifandraisan’ny velona sy ny razana eo amin’ny tontolom-piaraha-miainy
Ø Ny fahafatesana
· Ny endrika isehoany
· Ny rafitry ny fomba raha misy maty
· Ny hevitra fonosin’ny fomba raha misy maty
· Ny lanjan’ny fanatontosana ny fandevenana eo amin’ny tontolo manodidina
· Ny famangiana mana-manjo
Ø Ny famadihana
· Fanoritsoritana
- Ny endrika isehoany
- Ny rafitra
· Ny dikan’ny famadihana
· Ny fifandraisan’ny velona sy ny razana araka ny fiheveran’ny Malagasy
Asa azo tanterahina
· Fanadihadiana lahatsoratra iaraha-manao
· Fitantarana na famelabelaran-kevitra miainga amin’ny antontam-panontaniana nomena mialoha ary nenti-nanatanteraka : firobohana an-tsehatra na fanadihadiana tahirin-kevitra
· Mba hialana amin’ny olana ateraky ny tsy fisian’ny tahirin-kevitra mikasika ny fandevenana taloha dia azo atao tsara ny miainga amin’izay endrika isehoany eo amin’ny faritra.
· Asongadina amin’izany ny dingana :
- Fanomanana
- Fanatanterahana
- Fahatontosana na fahatafitana
Asa azo tanterahina
· Fanadihadiana lahatsoratra na lahabolana ataon’ny mpampianatra na ataona sokajy, ary andinihana ny hevitry ny teny sy ny fihetsika ary ny zavatra ampiasaina amin’ny fandevenana
· Asongadina amin’izany fa “tsy raharam-pianakaviana fotsiny ihany ny fandevenana fa antoky ny fiainam-piaraha-monina eo amin’ny lafiny : sôsialy, toe-karena, teti-pitondrana, (pôlitika), fahasalamana, finoana, fiheverana ny olona sy tontolo mihitsy”
- Fampitahana ny vokatry ny fandinihana ireo karazam-pandevenana misy;
- Tsoa-kevitra
Asa azo tanterahina
§ Famaritana olana fototra iray (nomanin’ny mpampianatra mialoha na navohitra tamin’izay niseho teo amin’ny fiara-monina na tamin’ny asa tao am-pianarana)
§ Fananganana drafitra antsipiriany iaraha-manao
§ Fandrafetana feno ny asa ataon’ny tsirairay na ifaninanan’ny sokajy
§ Fanadihadiana lahatsoratra
Asa azo tanterahina
§ Fanatsoahana ny drafitra fototry ny kabary fanao amin’ny fanolorana “fao-dranomaso /rambondamba”…
§ Fifaninanana manao fitenenana amin’ny fahafatesana ifanandrinan’ny tsirairay na ny sokajy. Marihina fa mety misy lafin-javatra ahazoana manatanteraka ity dingana ity (finoana, kolon-tsaina,…) . Noho izany dia anjaran’ny mpampianatra no mikaroka izay fomba hahaizan’ny mpianatra ireny fombafomba ireny.
Asa azo tanterahina
· Firobohana an-tsehatra na fanadihadiana tahirin-keviitra arahina famelabelaran-kevitra sy tsikera
· Fanadihadiana lahatsoratra tarihin’ny mpampianatra
Asongadina amin’ny lesona:
- Ny fanoritana ireo dingana samihafa izoran’ny fanatanterahana ilay fomba,
- Ny fanao rehetra amin’izany(teny, fihetsika, zavatra ampiasaina, loko,…)
Tsy hadinoina ny mampahafantatra ny fisian’ireo faritra sasany na ny sokajin’olona tsy manao ity fomba ity sy/na ny fanova any amin’ny faritra hafa (oh: fanefana, rasa hariana…)
· Fanakarana ny hevitra raketin’ny teny sy ny fihetsika ary ny zavatra ampiasaina amin’ny famadihana na ny fanovany any amin’ny faritra samihafa.
Ampiharina amin’izany ny lalan-tsaina mifototra amin’ny fampifandraisana ny toe-javatra/ antony/ vokany sy/na ny tandindona/ny fiheverana azy na ny fampiasana azy amin’ny mahazatra
Asa azo tanterahina
· Fanadihadiana lahabolana voasoratra iarahana ka anakarana ny hevitra ambadiky ny teny sy ny fihetsika ary ny zavatra ampiasaina rehetra amin’ny famadihana
· Fanadihadiana mivantana (na firobohana an-tsehatra) ampanaovina ny mpianatra sy/na ny sokajy, miainga amin’antontam-panontaniana anasongadinana ny dikan’ny famadihana eo amin’ny lafiny : fiaraha-monina, toe-karena, teti-pitondrana, finoana amam-pivavahana sns
Asa azo tanterahina
· Fanadihadiana lahabolana (kabary, saotsa, joro, fomba fitenenana, ohabolana, …) iaraha-manao ary anasongadinana ny :
- Rafitra an-tanan-tohatra ifandraisan’ny velona sy ny razana;
- Anjara asan’ny ankolafy tsirairay ao anatin’izany lafatra izany;
- Ny rindra misy eo amin’ireo
lafatra ireo ;
- Ny fiheveran’ny Malagasy ny amin’ny fiainana.
Torolalana
· Hatsaraina ny famolahan’ny mpianatra ny paika sy ny lalan-tsaina amin’ny fanjohiana ny hevitra fototra ilafihan’ny fomba raikitra (riba) malagasy. Ny fampifandraisana ny toe-javatra./ ny antony/ ny vokany no anakarana ny hevitra (AMBADIKA) raketin’ny teny sy ny fihetsika ary ny zavatra ampiasaina sy ny toetra aman’endriky ny zavatra ampiasaina, ny fiheverana azy amin’ny ankapobeny, ny fampiasana azy amin’ny andavanandro;
· Fafana fanadihadiana lahatsoratra na lahabolana:
Tokony hisy fafana midi-droa na lambanana izay sady azo ampiasaina amin’ny fanadihadiana lahatsoratra no azo ampiasana amin’ny fandrafetana andalan-tsoratra ka tokony hatolotra ny mpianatra ary anazarana azy.
- Ny tsanganana ABD( Zotra DBA) no ampiasaina amin’ny fanadihadiana lahatsoratra na lahabolana
- Ny tsanganana AB (zotra AB) no ampiasaina amin’ny famoron-dahatsoratra.
Lohahevitra……………………………………………Foto-dresaka………………………….
Foto-kevitra:…………………………….
Hevi-dehibe na Renihevitra
[A]
Zana-kevitra
[B]
Porofon-kevitra na fanamarinana
[D]
I
1)
a)-
b)-
2)
a)-
b)-
II
1)
a)-
b)-
2)
a)-
b)-
II
1)
a)-
b)-
2)
a)-
b)-
Tombana
· Famenoana ny banga amin’ny fafana midi-droa
· Fandrafetana feno ny andininy iray na roa ao amin’ny fafana ( na drafitra antsipiriany) izany hoe: famintinana ny lahatsoratra manaraka ny onja na famintinana ny fizarana iray ao aminy