Généralités
Fandaharam-pianarana Kilasy Famaranana Literatiora Malagasy
Sokajy “C”
Tanjon’ny taranja
Toy ny teny rehetra fampiasan’ny firenen-tsamihafa eran-tany, ny teny
Malagasy dia fitaovana mahomby ahafahana mamolaka sy mifehy ny fahalalana;
Ny fahaiza-manao ary ny tetika anabeazana feno ny maha olona
(vatana, saina, fanahy) sy ahazoa-mivelatra eo amin’ny lafim-piainana rehetra.
Noho izany, ny fampianarana ny teny Malagasy dia tokony hitaiza ny mpianatra:
· Hahalala ny kolontsaina sy ny rafi-pisainana Malagasy manaraka ny
fivoaran’ny tantara;
· Ho afaka mitia sy mikolo ary mandamina ny haren-tsaina Malagasy no sady afaka misokatra amin’ny haren-tsain’ny hafa;
· Ho matotra eo amin’ny fifampikasohany amin’ny hevitra isan-karazany: sady mahay mihaino no afaka maneho mazava sy manohana ny heviny;
· Hanana saina liana amin’ny fivoarana sy tia fandrosoana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany;
Tanjon’ny taranja Malagasy aty amin’ny ambaratonga fahatelo
Ny mpianatra nahavita ny fianarana ato amin’ny ambaratonga fahatelo dia afaka:
· Mitia sy mikolo ary miaro ny haren-tsaina Malagasy;
· Manana saina matotra sy mahay mandanjalanja ary tia karokaroka;
· Manaporofo ny fananany saina mahay mamakafaka ary maneho sy man,ohana ny heviny;
· Mikirakira sy mampiasa ny teny Malagasy amin’ny maha-fitaovam-panehoan-kevitra sy fifandraisana azy;
· Manakatra ny haren-tsain’ny firenen-kafa ary misokatra amin’ny fahalalana iombonan’ny zanak’olombelona
Tanjona ankapobeny ato amin’ny kilasy fahatelo
Ny mpianatra nahavita ny kilasy famaranana dia afaka:
· Mifehy ny tanjona rehetra tany amin’ny kilasy teo aloha;
· Manakatra ny hevityra rehetra mifampikasoka aminy ao main’ny sehatra samihafa;
· Manaporofo ny fananany saina matotra sy matsilo, voataiza tamina vakomanitra feno sy ampy;
· Manakatra ny rafi-pisainana malagasy, ny fiheverany ny amin’ny tontolom-piaraha-miainy ary ny fivoaran’izany manaraka ny tantara
Lanjan’ora
Ora 4 isan-kerinandro
Ny literatiora malagasy
Faharetany: ora 30
Tanjona ankapobeny:
Aorian’ny fianarana ny amin’ity toko ity ny mpianatra dia afaka:
· Mampivoatra sy mahafehy ny ambaratongan’ny afmakiana ny literatiora takin’ny fahazoana azy;
· Mamolaka sy mahay mampivady haitsikera maromaro;
· Manitatra lalindalina kokoa ny fanadihadiana asa literera amin’ny maha-fitaovam-panabeazana sy fitahirizana azy: fihetseham-po, fiheverana ny tontolo;
· Ho tia miaina ary mahita fahafinaretana amin’ny kolon-tsaina Malagasy ka manabe voho ny vakomanitra ananany;
· Mamorona andalan-tsoratra kanto vita amina praozy na poezia miady rima na tsia
Tanjona manokana
Vontoatony
Fanamarihana
Mpianatra afaka:
· Mamantatra ny fivoaran’ny literatiora Malagasy ankehitriny
· Manoritsoritra ny akon’ny firon-tsaina lehibeteo amin’ny endrika sy votontin-kevitra fonosin’ny literatiora
· Mahafehy ny tantaran’ny literatiora Malagasy amin’ny ankapobeny
▼Ny tantaran’ny literatiora Malagasy
▼Ny vanim-potoana ankehitriny
· ny fironantsaina, ny zava-misy ary ny literatiora
· Famintinana
Asa azo tanterahina
· Famelabelaran-kevitra ataona sokajy iray, arahina fanatevenana sy fandravonana iaraha-manao
· Asa iaraha-manao ao an-tsekoly tarihin’ny mpampianatra
· Azo atao anan-tsokajy: fikarohana ny fandravonana izay rehetra efa nianarana: endrika, fanehoan-kevitra, sary, ny rivotra iainana ary ny fironana sy ny zava-misy isaka ny vanim-potoana.
Torolalana ankapobeny
Eo amin’ny tantaran’ny literatiora, mikasika ny literatiora ankehitriny indrindra ny momba ny kanto dia dinihina tsara ho manokana ny asa soratra: Vakivakim-piainana, ANDRIAMANGATAHIANA
Ankoatra izany, dia tsara raha toa ka hita misongadina ao amin’nylambanana famintinana ny mampiavaka ny vanim-potoana tsirairay amin’ireto lafin-javatra ireto:
- Ny fironan-tsaina
- Ny zava-misy (isan-kolafiny)
- Ny votoantiny (ara-bakiteny sy ambadika ary tsy raikitra)
- Ny fanehoan-kevitra (endrika , sary, rivitra iainana)
Azoi atao tsara ihany koa ny mitrandraka ny lohahevitra etsy ambony amin’ireo asa soratra ianarana amin’ity took ity.
Tombana
· Famenoana ny fafana fandinihana asa soratra iray miompana amin’ny tantaran’ny literatiora , ary famaritana ny vanim-potoana nivoahany ;
· Fanomezana ny fanamarinana ny vanim-potoana namoahana ny asa soratra iray voafaritra mialoha;
· Fanavahana ny sary, nany tontolo, na ny fanehoan-kevitra amin’ny vanim-potoana roa araka ny ahitana azy ao amin’ny asa soratra roa samihafa.
· Famoronana asa soratra manaraka na tsy manaraka tondrozotra (fepetra). Azo atao miendrika fifaninanana ho an’ny tsirairay, na isan-tarika na isaka kilasy….
· Famoronana asa soratra itambarana: ohatra miainga amina fehezanteny iray, dia anjaran’ny tarika na ny tsirairay ny manohy izany mba hahazoana andalana vbistivitsy kanto, miady rima na tsia