Généralités
NY ANJARA
1. Famaritana
1.1 Ara-piforonan-teny
Avy amin’ny fototeny INC hoe : acal na acala izay midika hoe “zara” ny hoe anjara. Ahazoana sampan-teny hoe mizara ny fototeny hoe zara, midika hoe manolotra zavatra voafaritra na voasoritra avy amin’izay nitambarana amina olona maromaro.
1.2 Ara-kevi-teny
· Zavatra mety ho soa na ho ratsy, azo na mihatra amin’ny fiainana, tsy maintsy zakaina mandritra ny androm-pahavelomana.
· Zavatra heverina fa voatokana ho an’ny olona tsirairay, tsy maintsy mihatra amin’ny fiainana nefa tsy fantatra ny toetoetrany raha tsy efa migadona izy.
· Vokatry ny ezaka ny tsirairay tamin’ny alalan’ny fampisany ny hery teo am-pelan-tanany
→ Midika zavatra voatokana ho an’ny olona tsirairay, zavatra azon’ny olona tsirairay na mihatra amin’ny fiainany.
2. Ny loharano nipoiran’ny anjara
- Andriamanitra na Zanahary ny loharano nipoiran’ny Anjara
- Mety hiankina amin’ny tsirairay koa anefa ny anjara (fiheverana ankehitriny): ny ezaka sy ny filofosana, safidy, ny fandraisana andraikitra, ny fanehoana ny fananam-panahy,… dia heverin’ny olona fa hahitany anjara tsara eo amin’ny fiainany; misy koa anefa mihevitra fa ny fanaovana tsy fahamarinana dia fomba hahafahana mikaroka sy manatsara anjara.
- Ny fifandraisana amin’ny manodidina ihany koa dia mety ahitana anjara (fiheverana ankehitriny).
3. Ny endrika isehoan’ny anjara
o Anjara tsara: raha mifanaraka amin’ny tanjona kendrena sady miteraka fivoarana
o Anjara ratsy: raha miafanohitra amin’izay nolazaina teo.
Azo isafidianana ny anjara nefa tsy voatery ho tanteraka, na inona na inona ataon’ny olona dia tsy voatery hitovy ny anjarany; izany no ambaran’ny ohabolana hoe: “Ny te hanana tsy mahaleo ny ambinina.” Miankina amin’ny vintana ny anjara.
Ireo andian-teny ahitana ny hoe anjara :
anjara tsara : zava-tsoa
anjara ratsy : fahavoazana
anjara mahita : izay mahita ny very no tompony,
anjara mahazo: ifandrombahana ka izay maharay no tompony
anjara tandrify: sahaza na mifanahaka
anjara biriky: fandraisana anjara, fanohanana
lany zara: diso anjara, tsy mahazo vady
very anjara: lasan’ny sasany ny tokony ho azy
4. Ny vokatry ny finoana ny anjara
4.1 Tsara
- Ahafantarana mialoha izay ho fizotry ny fiainana
- Mahatonga ny olona hanana fanantenana
- Mandrisika ny olona hiezaka, hikarakara ny fomba enti-manatsara ny fiainana
- Mahatonga ny olona hanaiky ny fahefan’ Andriamanitra
- Mamolavola ny olona hahay manamboatra saina
- Mahatonga fiononana
- Mahatonga ny olona ho sahy handray andraikitra
4.2 Ratsy
- Mahatonga fisarahana.
- Fialonan’ny fiarahamonina ireo manana lafim-piainana tsaratsara
- Mitarika finoanoam-poana
- Fanomezan-tsiny ny Razana
- Fanararaotam-pahefana ataon’ny tsara fari-piainana
- Miteraka tsy fandraisana andraikitra
- Miteraka famoizam-po
- Mahatonga fanilikilihana
5. Ohabolana sy oha-pitenenana
· “Bingo manao matso ka misalovana ny anjaran’ny sasany.”
· “Misao-bady tanora ka manome zara ho an’ny sasany.”
· “Ny adrisa aza tsy azo raha tsy andriana hilika, ka mainka fa ny harena.”
· “Tarehy ratsy no tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ialàna.”
· “Tovolahy manambady antitra, ny loa-bary no ianteherana; atositosika anjara vadin’ny tena, avela toa Renibe.”
· “Mahaiza mionona fa izay no anjara”
· “Aza mimenomenona amin’ny anjara fa tsy ny olombelona no tompon’ny lahatra”
· “Vodin-tsobika aza mana-tandrify”
· “Andevolahy maty hariva ka vovon’alika no anjara tafondro”
· “Tsy misy mivavaka miankandrefana fa samy miatsinanana ihany, saingy ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara tsy azo.”
6. Tenina mpandinika
- Clarisse RATSIFANDRHAMANANA : “Tolona sy ady ny fiainana ka zara ho an’izay manam-piniavana handresy.”
- RP RAHAJARIZAFY: ”Anjara avy amin’Andriamanitra nahary tongotra aman-tanana ny Vintana.”
- RATREMA William: “Izay ambinina ihany no sendra ny anjara soa.”
- RAVELOHARISON Bernard: “Soa ihany fa misy ny teny hoe anjara mba hanilihan’ny olona ny zavatra tsy takatry ny sainy sy entina hampiononana ny hafa.”
- Michel ANDRIANJAFY: ”Diso làlana ianao Razaorizety mitsabaka amin’ny anjara fanjakan’ny sasany.”
- ANDRIAMAMPIHATONA: “Araka ny finoan’ny Malagasy dia ny Zanahary no tompon’ny zavatra rehetra ka Izy no mpizara, izy no mpanome.”
- Louis Paul RANDRIAMAROLAZA in HIRATRA I: ” Ny anjaran’ny olona amin’ny ankapobeny dia miankina amin’ny tenany ihany.”
- ILAY: “Iza no mametra vola vidin-jaitran’I Neny? Ny anjara ve?(…) Moa tsy ireo olona nivarotan’i Neny azy?.”
- IPA: “Ny anaran’ny mahantra anie dia izay atolotry ny mpanana azy ihany e!”