
PIF - TIC
Efa misokatra ho an’ny rehetra ny PIF TIC « point d’information et de formation utilisant les TIC pour le développement durable » na ny loharanom-pahalalana ho an’ny fampandrosoana maharitra. Mampiofana sy manampy hahafehy ny tontolon’ny teknolojia. Entanina amin’izany moa ny olona tsy ankanavaka fa indrindra ny mpianatra sy ny tantsaha. Raha ny tantsaha manokana dia hampianarina amin’ny fampiasana ny solosaina, ny finday, ny aterineto sy ny fitrandrahana ireo fomba fambolena na fiompiana maoderina. Marihina fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny tetikasan’ny Fitondram-panjakana ny fampianarana ny teknolojia izay mifandraika amin’ny toetrandro ankehitriny.