Allgemeines
NY HITSINY
1. Famaritana
1.1 Ara-piavian-teny:
Avy amin’ny fototeny hoe “hitsy”, zotra tsy mibilobiloka na mijoro tsara ny hitsiny.
Mahitsy: tsy miolakolaka, tora-tady, tsy meloka.
1.2 Ara-piarahamonina:
· Lalana mahitsy, mazava, tsy maintsy arahin’ny rehetra; na koa fefy tsy azo ihoarana.
· Ny hitsiny dia sori-dalana na fitsipi-piainana feno fahamarinana, manoritra ny fitsipi-pitondran-tena, tokony harahin’ny rehetra mba tsy ho diso.
2. Andian-teny ahitana ny hoe hitsy
- Hitsim-po: tsy miolakolaka, tsy mihatsaravelatsihy, akaiky indrindra
- An-kitsirano: tsy ankifonofono, tsy ankinafinafina, am-pahatsorana
- Mahitsy fanahy: mahitsy saina, marina
- Hitsim-pandraka: mitsatoka, tsy mivaona,
- Hitsin-dalana: lalana akaiky indrindra, tsy miolakolaka na mivilivily
3. Ny toetrany
· Miafina, tsy maintsy karohina
· Saro-tadiavina
· Miovaova
4. FANAMARIHANA
· Tsy misy ny marina tanteraka,noho izany,tsy misy ny rariny tanteraka fa rariny voafetra ihany;io rariny voafetra io no antsoina hoe”hitsiny”.
· Ny hitsiny dia: fitsipika, lalàna, didy, dinam-pokonolona
· Ny hitsiny dia: rafitra entin’ny Malagasy hamerenana amin’ny laoniny ny lamina voakorontana noho ny tsy fahitana ny rariny sy na ny marina, izany hoe, lalàna tsy maintsy toavin’ny rehetra ao anaty fiarahamonina ahazoana mampanjaka ny fandriampahalemana (izay tompon’ny fahefana na izay nomena fahefana ao anaty fiarahamonina no manao ny lalàna).
· Ny hitsiny dia sori-dàlana na fitsipi-piainana feno fahamarinana izay tsy maintsy arahina mba tsy ho diso, izany hoe, mba tsy ho meloka.
· Na izany aza, misy marina tsy rariny, misy rariny tsy hitsiny, misy hitsiny tsy rariny, …
· Tsy afa-misaka fa mifaningotra hatrany ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny
5. Ny lanjany
· Mampirindra sy mampilamina ny fiainan’ny fiarahamonina.
· Manamafy orina ny fihavanana
· Manome fifampitokisana ny mpiara-belona sy ny mpiara-monina
6. Ohabolana sy ohapitenenana
· “Ny omby matin’ny taviny, ny hazo matin’ny hitsiny’
· “Ny hitsiny tsy aritra, ny rariny tsy enti-mandefitra”
· “Izay manoro lala-mahitsy mamindra aina »
· “Ny monina amoron-drano, mahita ny marivo hirobohana; ny monina amoron’ala, mahita ny mahitsy hokapaina”
· “Ny hafatesana tsy heloka, ny havelomana tsy hitsiny”
· “Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy hasiana ny hitsiny”
7. Tenina mpandinika
RATREMA William: “Izay mifanaraka amin’ny fitsipika no hitsiny ary izay tsy mifanitsy amin’izay no heloka’
RANDRIANJOANIMANANA Olivier: “Dingana tsy maintsy andalovana hanatanterahana ny hitsiny ny famantarana ny marina sy ny rariny”
Joseph RAKOTONIRAINY: “Aza malady tezitra alohan’ny rariny, fa raha tezitra alohan’ny rariny dia tsy misy hasiana ny hitsiny”
R.P. Antoine RAHAJARIZAFY: “(…) fa telina indrindra aminy izany hoe: olona mahalala ny hitsiny sy rariny, olo-marina, tsy mizaha tavan’olona, izany, hono, ka olona”