Généralités
NY RARINY
1. Famaritana
1.1 Ara-piforonan-teny
Avy amin’ny fototeny hoe “rary”, ahazoana ny sampan-teny hoe mandrary ny rariny, izany hoe, fandaminana sy fandaharana ny akora (kofehy na singan’ahitra na hisatra na zavatra hafa arakaraka ny velarany, ny hateviny, ny lokony,…), amin’ny toerana tokony hisy azy mba hahazoana zavatra mirindra toy ny tsihy, satroka, harona, kitapo, …
1.2 Ara-piarahamonina
- Fametrahana ny tsirairay amin’ny toerana tokony hisy azy arakaraka ny toetrany, ny zava-bitany, ny fahaizany, ny taonany, ny toerana, ny fotoana,… ny rariny mba hisian’ny filaminana.
- Lamim-pifandraisana apetraky ny mpiara-belona avy amin’ny fanehoan’ny tsirairay ny marina ao aminy avy ny rariny.
2. Endrika isehoan’ny rariny
Ø Marimaritra iraisana : Fanatsoahana hevitra iray ifanarahana izay tsy mitongilana na miandany amin’ny sokajin’olona na tombontsoan’olona iray.
Ø Ny tandrify ny tsirairay araka ny toerana misy azy : Fahafantarana ny marina alohan’ny hamaritana ny rariny: “I Fara anie ka mbola kely… Ny ronono no sakafo sahaza ny vavoniny.” Jean NARIVONY
Ø Lalàna ampiharina : Fifehezana ny fiarahamonina mba tsy hanaotao foana.
FANAMARIHANA
- Tsy mitovy ny fiheveran’ny tsirairay ny atao hoe rariny
- Ny mpitsara (fiarahamonina, mpitan-kazomanga, tangalamena, ny olo-be, …) no mametraka ny rariny
- Ilaina ny mametraka ny antsoina hoe rariny voafetra (hitsiny)
3. Ny toetry ny rariny
- Samy manana ny rariny ny isam-batan’olona
- Sarotra ajoro
- Fisaka ny rariny
- Mety ho voatototra
- Saro-tadiavina
- Manify
- Miafina
- Miovaova araka ny toerana sy ny fotoana ary ny zava-misy
4. Karazana rariny
- Rariny iombonana: lalàna mifehy ny fiarahamonina
- Rariny ho an’ny tsirairay: miainga amin’ny feon’ny fieritreretana
5. Ny fahavalon’ny rariny
- Ny fitiavan-tena
- Ny fitiavam-bola
- Ny fitiavam-boninahitra
- Ny fanamparam-pahefana
6. Ny lanjany
- Mampirindra sy mampilamina ny fiainan’ny fiarahamonina.
- Manamafy orina ny fihavanana.
- Mampiroborobo ny toe-karena ny fitantanana ara-drariny.
- Filaminan-tsaina
- Fandriampahalemana
- Fifampitokisana
- Fiarovana ny fihavanana
- Fifanajana
- Mahatonga ny olona hifanome hasina
- Mampiray hina
7. Ohabolana sy ohapitenenana
· “Ny heloka ibabohana mody rariny, ny rariny itompoana mody heloka”
· “Fisaka ny rariny ka saro-tadiavina”
· “Ny rariny tsy enti-mandefitra”
· “Ny hitsiny tsy aritra, ny rariny tsy enti-mandefitra”
· “Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy hasiana ny hitsiny”
· “Ny fo tezitra tsy ananan-drariny”
8. Tenina mpandinika
FETY Michel:
- “Mihamahazo vahana ankehitriny ny tsy rariny sy ny toetra ratsy rehetra noho ny fihenan-danjan’ny fahatahorana ny tody”
- “… Maro no madio eritreritra eo amin’ny fanambakana sy ny tsy rariny ataony”
IPA (Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA): “An’Andriamanitra ny fahamarinana, fa an’ny vola ny rariny eto an-tany”
E.D. ANDRIAMALALA:
- “Ny mahasarotra ny fampijoroana ny rariny eto ambonin’ny tany dia ny tsy fetezan’ny antokon’olona sasany hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa”
- “Voatototry ny vola ny rariny”
- “Ny mpandala ny marina ihany no afaka manao ny rariny”
- “Tsy tao an-tsain’ny Malagasy intsony ny fanajana ny rariny noho ny maha Rariny azy, fa noho izy entam-barotra azo amidy dia samy mampideradera azy ny isam-baravarana.”
- “Misy marina tsy azo lazaina sy rariny tsy maintsy mandefitra”
- “Izay be vava sy mahay mandahatra, na poakaty aza ny zavatra ambarany, no manana ny rariny”
Charles RANAIVO:
- “Tsy misy manana ny rariny ho an’ny tenany samy irery raha tsy miaraka amin’ny fahalalana ny rariny ho an’ny hafa koa”
- “Ny fananantsika fanahy no ahaizantsika manaiky ny rariny”
- “Tsy afaka manao ny rariny isika raha tsy mahafantatra ny marina. Ny marina anefa dia efa saro-tadiavina. Ary na fantatra aza izany, dia mbola mety tsy ho tanteraka ihany ny rariny tonga lafatra.”
RANDRIANJOANIMANANA Olivier:
- “Ny tsy fiheverana ny rariny iombonana no miteraka disadisa eto amintsika ankehitriny”
- “Mahatalanjona fa toa izay miezaka hampanjaka ny rariny indray no be mpanenjika eo amin’ny fiaraha-monina’
RATREMA William:
- “Dingana iray aorian’ny fitadiavana ny marina ny fikatsahana ny rariny”
- “Ny rariny tonga lafatra mifanaraka amin’ny zava-misy eo amin’ny tsirairay dia toa nofinofy ihany”
Joseph RAKOTONIRAINY: “Ny fitondrana tsy mitovy, ny amin’ny fitiavana, ny tsindry hazo lena, ny hetraketraka, ny fanalikana, ny tahotaho-poana, ny fanosihosena, ny halozana dia samy toetra tsy ara-drariny avokoa”
Charles RANAIVO:
- “Eo amin’inona no ahitana izay atao hoe rariny? Eo amin’ny fifandalan-kaja, zo amam-pahefana, amin’ny fifampiraharahan’ny samy olona”
- “Koa izay tena rariny tanteraka àry dia tsy mety ho fantatsika na oviana na oviana raha mbola eto an-tany”
- “Ny fisian’ny rariny àry no isan’izay ahalalantsika ny hajantsika, ny fananantsika fanahy”
- “Toetra tena malagasy ny mino ny rariny, ny matoky ny rariny, ny miandry ny rariny, ny manantena ny rariny”
S. BEM (RANDRIANASOLO): “Mazàna ny rariny miafina na bitika saro-tarafina”
Samuel RATANY: “Satria vovoka isika, ka raha vovoka dia tsinontsinona! Noho izany, dieny mbola tsy tonga eo, manaova ny rariny”
ANDRY ANDRAINA: “Mamatotra ny tsy fananana, mampanaiky zavatra hita mibaribary fa tsy rariny”