Allgemeines
NY HASINA
- Famaritana
Ny hasina dia entina ilazana ny singantsingany, na fizarazarana ao anaty ny bolongana iray. Ohatra : hasim-boasary.
Zava-maniry maniry amin’ny tahony, fanao haingon-trano.
Anondroana ny hery anaty na ivelan’ny zava-manan’aina na tsy manan’aina ka ahavitany zavatra manokana mihoatra ny hafa mitovy karazana aminy; mazana hajaina io hery io satria atahorana: na mahagaga na mamonjy na mamono.
- Famaritan’ireo mpandinika
- Ireto misy famaritana omen’i Siméon RAJAONA ao amin’ny Takelaka notsongaina II:
Ø “ Ny heviny voalohany dia hoe toetra sy hery anaty ahafahana manao zavatra manokana, izany hoe, raha hasin’Andriamanjaka no dinihina, ny toetra sy hery anaty ahazoany sy ahafahany mizaka ny tany sy ny fanjakana
Ø Ny heviny faharoa dia hoe fomba fihetsika ivelany, toy ny fanolorana volatsivaky, enti-maneho ny fiekena sy ny fanoavana izany toetra sy hery anaty ananan’ny Andriamanjaka izany.”
- Ireto koa misy famaritana omen’i Régis RAJEMISA-RAOLISON, hita ao amin’ny Rakibolana Malagasy
Ø “ Ny heviny voalohany dia:
“Hery ananan’ny zavatra iray (hasin’ny zava-maniry mahasitrana aretina)
Toetra ambony tsy azo tsiratsiraina, manome hery na fahefana mihoatra ny toetran’olombelona (hasin’ny Mpanjaka, hasin’ny tanindrazana)
Haja, hamendrehana ananan’ny tsirairay (hasin’ny isam-batan’olona)”
Ø Ny heviny faharoa dia “ vola na zavatra hafa atao fanomezana amin’ny fotoana na toe-javatra sasantsasany (hasin-jaza: vola omena ny zaza natao hasoavana; hasin-tanana: vola omena ny mpitsabo nitsabo ny tena)”
- Ny vokatry ny fananana hasina
3.1 Tsara :
· Mahatonga ny olona manana azy ho mendrika kokoa noho ny hafa
· Mampirindra ny fifandraisana eo amin’ny an-tanan-tohatra
· Mampisy ny fifanajana (oh: raiamandreny sy ny zanaka)
· Miteraka fanajana ny tontolo iainana
· Miteraka finoana
3.2 Ratsy
· Mampieboebo, mampizahozaho
· Miteraka tahotra
· Mahatonga finoanoam-poana
· Fanompoan-tsampy
· Mampanaotao foana
· Fandringanana ny zavaboaary
- Ny toetra ananan’ny hasina
· Mety ho very sy hanjavona ao amin’ny olona manana azy, raha toa ka ataony tsinontsinona ny momba ny toetra anaty ananany na toetra ivelany asehony
· Mety ho faty ny hasina ananana, noho ny fanitsakitsahana ataon’ny hafa ny zon’izay manana hasina
· Mety hitombo arakaraka ny ataon’ny manana azy
· Azo ampitaina amin’ny hafa ihany koa
- Ny karazana hasina
· Hasin’ny tsirairay ; ohatra: ny hasin’ny mpanjaka, ny raiamandreny, ny vatana,...
· Hasin’ny toerana ; ohatra: ny fasana, ny doany, ny fiangonanana, ny zoro firarazana
· Hasin’ny zavaboaary; ohatra: ny madiro na hazo kily, ny vato, zava-maniry fitsaboana
- Ohabolana sy ohapitenenana
- Masina ny tanindrazana
- Ny adidy hasina, ny andraikitra voninahitra