General
JASMINA RATSIMISETA
I- Ny fiainany
1.1 Fiankohonana
Teraka tamin’ny taona 1890 i Jasmina RATSIMISETA. Zanank’i RATEFIARIVONY sy RAZAFINDRASOA no reniny. Natsangan-DRATSIMISETA anadahin-dreniny, izay mpitsara tamin’izany andro izany. RAVAOARIVONY no vadiny ary tsy niteraka izy ireo.
1.2 Ny sekoly nianarany
Anisan’ireo mpianatra voalohany niditra tao amin’ny sekoly “Le Myre de Vilers” izy fony io sekoly io vao nisokatra sy mbola tao Anatirova. Avy eo niditra tao amin’ny “LMS” Ambatovinaky.
1.3 Ny asany
Ny asa fanaovan-gazety, ny fanoratana izany hoe ny sehatry ny literatiora no nifotorany nony tafaverina teto Madagasikara izy. Maro ny gazety nanoratany sy niasany toy ny:
Tanamasoandro: tonian’ny fanoratana tao izy tamin’ny 1930, gazetin’i Dussol io gazety io .
Ny fehizoro: tonian’ny lahatsoratra tao izy niaraka tamin’Ny Avana RAMANANTOANINA.
Telegrafy: io no gazety tena niroborobo sy nalaza indrindra izay azy rahateo koa. Navelan’ny Garbit hiseho ny gazety Telegrafy satria nihambo ho gazetin’ny fahendrena, hanondrotra ny Malagasy eo ambany elatr’i Frantsa reny malala, izany anefa dia tetika mba hahafahan’ny gazety hivoaka malalaka. Tale sy mpiandraikitra ny fanoratana ary mandaha-dohavy tao amin’io gazety io i Jasmina RATSIMISETA.
Ankoatra ireo gazety niandraiketany ireo dia nanoratra tamin’ny : Fitarikandro, Mifoha i Madagasikara, Masoandro, Mpanoro lalana ihany koa izy.
Nanao asa mahaleo tena hatrany izy teto Antananarivo ary lasa “Agent d’affaires” tany Toamasina tamin’ny taona1938-1940.
1.4 Ny toetrany
Olona hendry, maranin-tsaina, sahy mifanandrina amin’ny vazaha i Jasmina RATSIMISETA ary nampiasainy izany hakingan-tsainy izany mba hanamaivanana ny fiainana tany Comores fony izy natao sesitany.
Tia fanatanjahan-tena izy, toy ny baolina kitra sy baolina lavalava.
Anisan’ny nahafantarana azy koa dia izy mahay mampifaly ny namany. Ankoatra izay anefa dia sady môralista izy no mpitaiza saina sy fanahy. Ohatra azo raisina amin’izany ny teniny hoe: “Ny fahasalamana tsy an’ny tsy mahava-tena”.
Fantatra ihany koa fa tia tanindrazana izy ary anisan’ny itiavan’ny olona azy izany.
1.5 Ny fiainany ara-pôlitika
Nandray anjara tamin’ny raharahan’ny Vy Vato Sakelika (1913-1916) i Jasmina RATSIMISETA ary voarohirohy tamin’izany ka nalefa sesitany tany Comores: tena nanohitra tanteraka ny fanjakazakana sy ny tsy rariny nataon’ny mpanjanaka tamin’ny endriny rehetra izy, ary tsy natahotra izy na dia teo aza ny feo niely manenjika azy. Mafy ny fiainana tany an-tsesitany kanefa ny tolona nataony dia nampiova ny rivotra niainan’ireo gadra pôlitika tamin’izany fotoana izany ka nahatonga fanajana kokoa ny zo maha olon’ny voafonja rehetra tany. Tafaraka tamin-dRAMAHOLIMIHASO (Radium RHOSALIS) sy Arthur RAZAKARIVONY (RODLISH) tany izy ary niara-nidinika sy nifampitaiza tamin’ireo mba tsy hahafaty ny literatiora Malagasy.
Maty ny taona 1946 i Jasmina RATSIMIETA ary nalevina ao Ambanidia Antananarivo.
II- Ny maha mpanoratra azy
2.1 Ny solon’anarany
Mpanoratra manana solon’anarana be indrindra izy.
Fatra-piova anarana teo amin’ny asa soratra vitany RATSIMISETA. Izy no mpanoratra manana solon’anarana be indrindra, arakaraka ny ventin-kevitra hampitainy sy ny karazan’ilay asa soratra no solon’anarana entiny, araka ireto:
- TREZAN na EMILIE P raha mampalahelo
Ohatra: “Ny lasa” (Emilie P); “Miandry anao” (TREZAN)
- PALAMEDA raha mahatsikaiky
Ohatra: “Sambatra”
- KINTANA na FANTOMAS na J.RATSIMISETA raha miresaka fahafatesana na ny fasana.
Ohatra: “Akon’ny fasana”.
Ohatra: “rehefa maty aho”
- Misy koa ny hoe BELZABOBA, RENTGEN, JIAMSAM, LISE, RAKOTOBELOHA, REBUS, ERISINE.
2.2 Ny asa sorany
Niaina nadritra ny 56 taona RATSIMISETA. Nivelatra tao anatin’ny vanim-potoana efatra izy:
- Vanim-potoana fakan-tahaka
- Vanim-potoana nahatsizarizary ny literatiora Malagasy
- Vanim-potoana mitady ny very
- Vanim-potoana fitakiana fahafahana izay tsy niainany afa-tsy herintaona monja.
Maro dia maro tokoa ny asa vitany. Ny ankamaroan’ny asa kantony dia tamin’ny teny Malagasy avokoa kanefa misy ihany ireo vitsivitsy amin’ny teny frantsay. Nanomboka tamin’ny taona 1936 mantsy izy no nanoratra tamin’io teny io.
· Ny tononkalo:
- “Rehefa maty aho”
- “Ny lasa”
- “Nofiko, hono”
- “Ohabolana”
· Ny sombin-tantara :
- “Miandry anao”
- ”Sambatra”
- ”Lavanila”
· Ny tantara foronina:
- “Anatin’ny aizina”
- “Ny adidy”
· Ny tantara filalao an-dapihazo :
- “Dobla efatra”
- “Ny tsy hamoizako azy”
- “Izay mananda no resy”
· Gazety sy revio namoaka ireo asa sorany:
- Fitarikandro
- Mifoha i Madagasikara
- Masoandro
- Telegrafy
- Mpanoro lalana
- Fehizoro
- Tanamasoandro
2.3 Ny tara-kevitra novetsoiny
- Ny alahelo, ny fahatsiarovana,
- Ny fitiavana
- Ny fahadisoam-panantenana
- Ny fahakambotiana
- Ny aloky ny fahafatesana sy ny fasana
- Ny fihirana ny “izaho”
- Ny fiainana
Arakaraka ny vanim-potoana nisy ny tara-kevitra novoiziny.
Vanim-potoana ny faka-tahaka (1896-1915)
- Ny fiainana (eto an-tany sy any ankoatra) : izay ahitana lafy ratsiny betsaka.
Ohatra: “Nofiko hono” in Gazetim-panjakana, febroary1915.
Vanim-potoana nahatsizarizary ny literatiora Malagasy (1915-1922)
Niara-nangina tamin’ny asa soratra rehetra Jasmina RATSIMISETA ka tsy nahitana asa soratra.
Vanim-potoana fiforetana anaty (1922-1929)
Io vanim-potoana io no tena nivelarany
- Ny toetran’ny olombelona: ohatra: “Akon’ny fasana” FANTOMAS in Tanamasoandro nivoaka tamin’ny 22 febroary 1923
- Ny fanambadiana. Ohatra: “Sambatra” (Palameda) in Tanamasoandro lah. 166 tamin’ny 25 aprily 1924
- Ny fahakambotiana. Ohatra: “Kamboty reny” Ny telegraphy, 25 feb 1927
- Ny fahafatesana sy ny fasana. Ohatra: “Rehefa maty aho” Ny telegraphy, 15 martsa 1927 – “Veloma” Ny Telegrafy, 28 desambra 1928
- Ny fiantsoana ny lasa mba hamerina ny fahasambarany. Ohatra: “Firy” Ny Telegrafy 13 jolay1928
- Ny fiainana ara-tsosialy. Ohatra: Sombin-tantara “Lavanila”, Ny telegraphy, 20 oktobra 1928
- Ny ranomaso sy ny sorisorin-tsaina. Ohatra “Ohabolana” (Kintana) Ny Telegrafy, lah. 215 tamin’ny 8 janoary 1929.
Vanim-potoana mitady ny very (1929-1945)
- Ny fahafatesana. Ohatra: navoaka tamin’ny Sampan’oliva ilay tononkalo “Rehefa maty aho” tamin’ny 1931. Tsy mitovy tanteraraka amin’ilay efa navoakany tamin’ny 1927 izy io
- Ny fitiavana. Ohatra: “Ny lasa” (Emilie P.), Ny Telegrafy, lah: 354, 26 jolay 1932
- Ny fitarihana ny olona handray andraikitra. Ohatra: “Ny adidy” (tantara lava)
Vanim-potoana fitakiana ny fahafahana (1945-1960)
Taona iray no niainan-DRATSIMISETA io vanim-potoana io kanefa afaka nampitondra faisana ny fitondrana mpanjanaka izy tamin’ny izany, amin’ny alalan’ny fitsikerana: tena tsy nikoso-maso mihitsy izy ary nanandratra mafy ny maha-Malagasy. Ohatra amin’ireny ny tantara filalao an-tsehatra: “Dobla efatra”
SAMIHAFA
Anisan’ny mapiavaka an’i Jasmina RATSIMISETA ny fanoratana tononkalo lava sady miady rima hatrany. Ohatra: Mirakitra andininy 14 ny tononkalo “Ohabolana”, torak’izay ihany koa ilay tononkalo “Rehefa maty aho”, andininy 17 kosa ilay tononkalo “Nofiko hono”. Ny asa sorany moa dia saika ahitana sarin-teny avokoa. Ny fahaizany mifehy ireny sarin-teny ireny no mampisongadina ny asa kantony. Ohatra: ao amin’ilay tononkalo “Rehefa maty aho” dia manalefaka teny izy. Hoy izy: “Raha hoavy, Ralala ny taona hodiako” raha azo lazaina amin’ny fehezanteny tsotra hoe : “Raha ho faty aho”.
Kanto amin’ny alalan’ny fanehoany hevitra ihany koa ny asa sorany: manao fampitahana izy indraindray. Ohatra ao amin’ny “Akon’ny fasana” dia milaza izy fa mifanohitra ny toetran’ny zava-boaary sy ny toetran’ny olombelona.
Isan’ireo mpikambana tao amin’ny Tropy JEANNETTE, tamin’ny fotoanandrony ihany koa izy.
Tsikaritra fa nomen’ny gazety maro vahana i Jasmina RATSIMISETA. Noho izany dia azo lazaina fa nitondra zavatra betsaka teo amin’ny literatiora sy ny fiaraha-monina izy .
Anisan’izany ny fanabeazany sy ny fitarihany ny olona hanefa ny adidiny. Anisan’ireo nafana fo tamin’ny tolona tamin’ny fanjanahana ihany koa izy ka nahatarika saina olona maro. Manana fomba fijery manokana momba ny fepetra maha-olombelona ny olombelona ihany koa izy ka nahaliana sain’olona maro izany.