Allgemeines
Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA
I- Ny fiainany
1.1 Fiankohonana
Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA dia teraka tamin’ny 16 may 1955 tao Mitsinjo Mahajanga. Zana-dRAZAFINDRAKOTO David sy RAZANAMANGA Victoire. Notezain-draibeny sy renibeny avy amin-drainy nandritra ny ny fotoana vitsivitsy izy. Vao folo taona dia efa nahavaky ny Baiboly. Nanambady tamin’ny taona 1984.
1.2 Fianarana nataony
Ny fianarana nataony sy ny sekoly nianarany:
· Ambaratonga voalohany:
- Sekoly Protestanta Ankadimbahoaka
- Ecole chrétienne Ambatomitsangana.
· Ambaratonga faharoa:
- Lycée Philibert Tsiranana Mahajanga
- Lycée Moderne Ampefiloha Antananarivo
- Lycée J.J RABEARIVELO
- 1974 : Nahazo ny baccalauréat lettres et philosophie
· Ambaratonga ambony :
- 1978: Nahazo ny licence-ès lettres malgaches, Oniversiten’i Madagasikara, Sampana Teny sy Haisoratra ary Riba malagasy.
- Nandalina ny literatiora frantsay sy ny antropolojia ary ny fandikana literera.
1.3 Ny asany sy ny toerana niasany:
· 1975: nampianatra tao amin’ny Lycée Moramanga
· 1979-1987: nampianatra Malagasy- Frantsay- Filozofia tao amin’ny Lycée sy Collège Maranatha Moramanga,
· 1987: nampianatra ny taranja malagasy tao amin’ny Lycée Andoharanofotsy
1.4 Fikambanana misy azy :
· 1993 : mpikambana ao amin’ny Fikambanana Malagasy Mandala ny Riba (F.M.M.R)
· 1996 (Febroary): niditra ho mpikambana tao amin’ny HAVATSA UPEM
· 1999 : Filoha lefitry ny fikambanana tao amin’ny HAVATSA UPEM
· 2002: Voaray ho mpikambana tao amin’ny AKADEMIA MALAGASY sokajy voalohany
· Mpikambana tao amin’ny Faribolana Sandratra.
II- Ny maha mpanoratra azy:
2.1 Asa sorany amin’ny teny frantsay:
- 1970: Nanomboka nanoratra izy raha vao 15 taona monja
- 1978 : L’Epithaphe d’un maître: sombin-tantara voafantina tamin’y 5ème concours de la meilleur nouvelle de langue française RFI-ACCT (Agence de Coopération culturelle et Technique)
- 1984 : La fuite de Dzangôa, sombin-tantara nahazo ny 2ème grand prix du Jury tamin’ny 8ème concours de la langue française (RFI-ACCT)
2.2 Asa sorany tamin’ny teny malagasy :
· 1988: Nandray anjara tamin’ny “Amboaran’ny Hariva” RTM antsan-tononkalo
· 1991: “Tantara sy ako” tamin’ny fifaninanana loka Ny Avana RAMANANTOANINA edisiona lora BMOI
· 1997: Sombin-tantara sy ako ( Amboaran-tononkalo kely)
· Felan-tatamo boky kely tamin’ny fankalazana ny faha 45 taonan’ny Havatsa UPEM;
· 1995: Vakivakim-piainana: tantara foronina nahazo ny loka voalohany tamin’ny fafaninanana tantara foronina nampanaovin’ny fikambanan’ny Poeta sy ny Mpanoratra Malagasy na UPEM
· 1985: Do-miverina (Tantara foronina)
· 1985 Mody sary mihetsika (tantara an-tsehatra)
· 1986 Ilay vatsy famatsiana (Tantaran’onjam-peo nolalaovina tao amin’ny Don Bosco 1998-1999)
· 1986: Ny Malagasy manoloana ny Tolom-pivoarana: Andram-pandinihana
· 2000 Hamy :Amboaran-tsombin-tantara (faribolana)
· 2001: Onjam-pilafila: Tantara foronina (Faribolana)
· 2003 : Lonam-bolana: Amboaran-tononkalo
· 2007 : Sarobabay: Amboaran-tsombintantara
· Tononkalo hainteny, sombin-tantara nivoaka tao amin’ny gazetim-piangonana.