Généralités
NY LITERATIORA MALAGASY
1. Famaritana
1.1 Famaritana Ankapobeny
Teny entina maneho hevitra sy na fihetseham-po atao amin’ny fomba kanto (manaitra, manintona, mahasoa), am-bava na an-tsoratra ny literatiora; maneho haren-tsaina azo kirakiraina sy tahirizina.
1.2 Famaritana ara-piforonan-teny
Ny Literatiora dia avy amin’ny teny latina hoe « Literae » manana hevitra hoe « soratra » ; avy amin’izany no nahazoan’ny Frantsay ny hoe « Littérature », izay nadikan’ny Malagasy kosa indray ho « Literatiora ».
1.3 Hevitry ny mpandinika sy na ny mpanoratra malagasy
Siméon Rajaona: “Ny literatiora dia zava-kanto vita amin’ny teny.”
Charles RAVOAJANAHARY : “Ny literatiora dia tsy inona akory fa famoahan’ny olona amin’ny alalan’ny teny voasoratra na tsia ny fihetseham-pony, ny fiheviny ny mahaolona ny olona, ny fifandraisany amin’ny manodidina azy.”
Ranjatohery Harilala: “Famoronana mifototra amin’ny fahaizan’ny mpanoratra manome aina sy hevitra ary sary miteny ny teny ampiasainy mihoatra noho ny fahatsapana azy andavanandro ny literatiora.”
Ravelojaona : “Avy amin’ny teny latina hoe litterae ary litera na soratra no dikany . Ny heviny raha lazaina tsotra dia fandaharana an-tsoratra na am-bava ny zavatra nitranga ao an-tsain’olombelona.”
RADO : “Ny literatiora dia teny sy soratra voaangona, tao amin’ny faritra, na firenena iray, ary nijanona ho lovasoa sy haren-tsaina, ho an’izany faritra na firenena izany, fa maneho ny maha-izy azy manokana eo anivon’izao tontolo izao.”
RANDJAVOLA : “Ny literatiora dia fitambaran’ny asa soratra sy ny lahabolaŋa ao anatin’ny vanim-potoana iray”
Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA: “Famantarana avaratra tsy diso ny literatiora eo amin’ny tantaram-pirenena.”
lLAY : “Ny haisoratra dia tsy fialam-boly fotsiny fa fanarian-dia na fampidinana ny olona anaty nofinofy tsy misy ifaharany na fiainana mahagaga fa fanehoana koa ny zava-misy iainan’ny olona ary fampisainana azy ny momba izany zava-misy izany.”
SOLOFO José: “Ny haisoratra izay andrin’ny zava-kanto, dia samy taratry ny fiainam-pirenena no anisan’ny hery manentana azy koa.
Lila RATSIFANDRIHAMANANA: “Fitambaran’ny asa famoronana ilofosan’ny mpanoratra, ny vokatr’izany miako any amin’ny mpamaky sy mpihaino ny literatiora.”Charles Rajoelisolo: “Ny literatiora dia vokatry ny zava-misy fa tsy tongatonga ho azy.”
Esther RANDRIAMAMONJY:
- “Tsy ny soratra rehetra anefa no literatiora; ny mahakanto ny asa soratra anankiray dia noho izy mampita hevitra ombam-pihetseham-pon’ny mpanoratra amin’ny fomba kanto mahaliana sy mahasarika avy hatrany.”
- “Samy manana ny literatiorany ny firenena tsirairay avy,samy manana ny maha- izy azy avy ireny literatioram-pirenena ireny.tena azo lazaina aza fa ny fananana literatiora amin’ny tenin-drazana dia anisan’ny maha –firenena ny firenena iray.”
- “Ny literatiora dia manjary fitaratra azo itarafana ny haren-tsaina amam-pahendrena izay mazàna mira-dalana na mifandray na mifaningotra amin’izay zava-miseho eo ami’ny tantaran’ilay firenena.”
Randza ZANAMIHOATRA: “Na toy inona na toy inona fiezinezin’ny talentan’ny “Poeta” dia tapany ihany; ny mpamaky no manovona azy ho erany”
RANOE: “Ny mpamaky no sehatra nivelaran’ny soratra, izy no mamelona ny soratra amin’ny alalan’ny fanakarana ny hevitra raketiny. Mifanjohy ny mpanoratra sy ny mpamaky. Saozanina ny voalohany raha mitoriteny an’efitra; mandeha an-jambany ny faharoa raha tsy voatantana sy tsy voatari-dalana.”
Nalisoa RAVALITERA: “Ny mpanoratra no renin’ny soratra, ny mpamaky no rainy, zazasary ny asasoratra raha tsy eken’ny rainy.”
RAMIANDRASOA Irenée : ”Ohatra ny zavatra tsy misy ny asa soratra nitsembohanareo manoratra satria mila mpamaky ianareo ka hamoha ny vetsovetso sy ny hafatra ao anaty boky”
Rado RAMAHERISON: “Andry mampijoro ny Literatiora ankoatra ny mpanoratra sy ny asa soratra ihany koa ny mpamaky”1.4 Araka ny mpanoratra vahiny
RAKIBOLANA FRANTSAY : « La littérature est l’ensemble de production des écrivains, cette littérature est influencée par le caractère national, par les idées et les mœurs, par le tempérament particulier de l’auteur, de sorte qu’il existe autant de Littérature diverse qu’il y a de société différente
CHARLES BOSS : « La littérature, ce sont des idées accèdent à une beauté dans la lumière de l’expression. »2. Loharano nipoirany:
a) Avy amin’ny zava-misy sy ny manodidina
RADO:
“Ny vetsovetso sy ny eritreritra taminao kanefa
Tsy teraky ny saina sy safidinao ireny
Fa fihararetran’onja mitopa sy miantefa
Voarain’ny alonao dia afodiny ho feo”
Charles Rajoelisolo: “Ny literatiora dia vokatry ny zava-misy fa tsy tongatonga ho azy.”
Charles RAVOAJANAHARY: “Tsy mitsontsorika avy any an-danitra ny haisoratra sy ny mpanoratra azy. Olombelona miara-miaina amin’ny mpiray tanindrazana aminy ny mpanoratra, taratry ny fiainana niainana no avoakany; ny vetsovetsom-pony, ny hetahetam-panahiny, ny fisaintsainany izay tsy maintsy iraisan’ny mpiara-belona aminy na dia manana ny tena maha izy azy manokana aza izy.”
b) Avy amin’ny aingam-panahy:
Hery manosika ny olona hamokatra ny kanto mora foana eo amin’ny asa famoronana ataony.
ILAY:
- “ Ny aingam-panahy amin’ny haisoratra dia ilay tsy toy inona akory manainga foana teo ny fanahy, fo sy sain’ny mpanoratra sy poeta, ka manosika azy hamorona izay zavatra tsapany na hitany, miaraka amin’ny teny sy sary ary rindra maneho izany.”
- “Ny aingam-panahy amin’ny haisoratra dia ilay mahatonga ny loharano hiboiboika tampoka tsy hay tohaina amin’ny sary ary rafitra mirindra, ao an-tsain’ny mpanoratra sy Poeta”
- “ Ny aingam-panahy no miteraka kanto”
RANÖE: “ Ny aingam-panahy dia tsy inona fa TROMBA mambabo ny fon’ny Poeta, ka mahatonga azy hiteny kanto izay mambabo fo hafa.”
“Mahazo faka ao an-tsain’ny olona ny hevitra iray, raha manaitra ny aingam-panahin’ny mpanao zava-kanto, ka manosika azy hankasitraka hanaparitaka azy hiaro ilay hevitra ary farany moa dia hitahiry azy amin’ny fomba kanto.”
ARNI: “ Ny aingam-panahy dia tsy inona fa TROMBA manetsika ny Poeta hivolana zavatra tsy fantany amin’ny fotoana tsy ampoizina sy fotoana tsy voafetra”
d) Avy amin’ny talenta:
RANÖE: “Ny talenta dia fahaiza-manao voajanahary ao amin’ny olona iray ka mahatonga azy hanatanteraka tsy misy fahasoratana ilay zavatra ananany talenta.”
A.R.Ni: “Ny talenta dia fahaiza-manao ao anatin’ny tsirairay hatrany am-pahariana, ka arakaraka ny fahaizana mitrandraka azy no hiroboroboany sy hisandratany amin’ny toetra mendrika na hahafatesany.”
e) Avy amin’ny teny:
Siméon RAJAONA: “Ny literatiora dia zava-kanto vita amin’ny teny”
3. Ny anjara asany
Mampifandray ny literatiora:
- Mampifandray ny mpamorona amin’ny mpihaino na ny mpanoratra amin’ny ny mpamaky.
- Mampifandray ny mpamorona samy mpamorona na ny mpanoratra samy mpanoratra
- Mampifandray ny mpamaky samy mpamaky na ny mpihaino samy mpihaino.
Manabe ny literatiora:
- Mamolavola ny isam-batan’olona ho olom-banona sy vonona
- Manokatra ny saina
- Manitatra ny saina
- Mandranitra ny saina
- Manoro lalana
- Mitsabo ny saina
- Manefy ny saina hitovy fijery
Mampivelatra ny firenena
- Mampiaina ny olona amin’ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy
- Mampivoatra ny zava-kanto noho izy asa famoronana
- Manosika ny olona hitondra ny fivoarana malagasy
- Maneho ny maha taratry ny firenena ny fiaranahamonina
- Manondrotra avo ny haren-tsain’ny firenena iray
Mitaona ny olona hitolona ny literatiora:
- Manondrotra avo ny haren-tsain’ny firenena iray
- Mamolavola ny olona ho tia tanindrazana
- Mampiseho ny zavatra tsy mety ka mila fanarenana eo anivon’ny fiarahamonina.
- Mitaona ny olona hanohitra ny tsy rariny.
- Manentana ny olona handray andraikitra.
- Mametraka ny olona hiatrika ny zava-misy, ny haisora-pitolomana
Mampiala voly ny literatiora:
- Mampiala amin’ny geja ny Literatiora
- Manala ny sorisorin-tsaina.
- Mitaona ny saina ho any amin’ny tontolon’ny nofinofy sy ny eritreritra.
4. Ny singa mandrafitra azy
- Ny mpamorona, ny mpanoratra, ny pôeta, araka ny ambaran’ireto mpanoratra ireto:
Azo lazaina ho loharano fototry ny Literatiora ny mpanoratra sy ny mpamorona. Tsy misy zava-kanto raha tsy misy azy ireo. Mandefa hafatra io mpamorona io ho an’ny mpamaky sy ny mpihaino izay mahatonga ny mpiara-belona hiova amin’ny zavatra tsy nety nataony: fanabeazana, fanentanana, fankaherezana, sns. Izany rehetra izany no nahatonga antsika hilaza fa : andraikitry ny mpanoratra ny mikolokolo ny toe-tsaina tia fandrosoana ho an’ny mpiray tanindrazana.
Ny anjara toeran’ny mpanoratra dia ny hamohafoha ny mpiara-belona aminy mba tsy ho domelina, tsy ho donto, tsy ataon’ny olona soavaly.RANÖE: “Ny pôeta dia ilay olona maneho ny heviny amin’ny alalan’ny sary, sary izay miseho amin’ny alalan’ny teny.”
J. Nalisoa RAVALITERA: “Ilay mahita ny tsy hitan’ny sarambaben’ny olona / Ilay mahatsapa ny tsy tsapan’ireo mihevitra ho mpitolona ny mpanoratra.”
Claude ANDRIANANTENAINA : “Izy ilay variana somary toa sondriana mandinika mijery ny fiainanao tsy tsapanao akory tsy misy iray miery.”
Zo MAMINIRINA : “Tsy hikombona ny molotro tsy ho foana koa ny feoko. Raha mbola misy ny tsy rariny.”
- Ny asa soratra sy ny vokatra am-bava:
Tsy misy ny fifandraisan’ny mpamorona sy ny mpandray raha tsy eo ny asa soratra. Io no karazana fotokevitra ijoroan’ny maha literatiora ny literatiora.
RANOE: “Mifanjohy ny mpanoratra sy ny mpamaky. Saozanina ny voalohany raha mitoriteny an’efitra; mandeha an-jambany ny faharoa raha tsy voatantana sy tsy voatari-dalana.”
“Ny sora-kanto dia ilay soratra velona avy hatrany izay toy ny ateraky ny lanitra.”
DOX: “Izaho vahiny an’eritreritra, mpamangivangy anao matetika”,
“Ny hira dia famborahana ny fihetseham-po aman-tsaina sy fientanam-panahy, eo anatrehan’ny hatsaran-tarehy.”
- Ny mpihaino, ny mpamaky ny literatiora:
Nokendrena ho an’ny mpandray ny literatiora indrindra izay rehetra entin’ny literatiora. Midika izany fa manana ny maha izy azy ihany koa ny mpamaky na ny mpihaino manoloana ny fahalavorarian’ny literatiora.
RANÖE: “Ny mpankafy no sehatra ivelaran’ny soratra, izy no mamelona ny soratra amin’ny alalan’ny fanakarana ny hevitra raketiny.”
Randza ZANAMIHOATRA: “Na toy inona na toy inona heverina ho fiezinezin’ny talentan’ny mpanoratra dia tapany ihany izany, ny talentan’ny mpamaky no manovona azy ho erany.”
Nalisoa RAVALITERA: “Ny mpanoratra no renin’ny soratra, ny mpamaky no rainy, zazasary ny asa soratra raha tsy eken’ny rainy.”
5. Ny karazana literatiora
Araka ny voalaza tao amin’ny famaritana ankapobeny, ny Literatiora dia teny entina maneho hevitra sy na fihetseham-po atao amin’ny fomba kanto, dia azo lazaina fa efa nanana ny Literatiorany ny Malagasy hatramin’izay, izay natsoin’ny mpandinika sy ny mpikaroka taty aoriana hoe Literatiora am-bava. Nanomboka tamin’ny taona 1820 vao nanana ny Literatiora an-tsoratra izy.
Misy karazany roa izy araka izany:
- Literatiora am-bava na literatiora nentim-paharazana na lahabolana na na lahatenim-bahoaka
- Literatiora an-tsoratra
Ireo karazan’ny literatiora am-bava
- Angano
- Kabary
- Ankamantatra
- Ankifidy
- Ohabolana
- Oha-pitenenana
- Lahabolam-paritra :
- Hainteny (Merina
- Sôva (Betsimisaraka, Tsimihety, Merina,
- Tôkatôka (Betsimisaraka,
- Jijy (Tsimihety, Antakarana
- Antsa (Sakalava
- Rija (Betsileo
- Beko (Tandroy
- Baheza (Tandroy
- Marakely (Betsileo
- Kalizy (Sakalava
- Sarandra (Faradofay
- Kolondoy (Toliara
- Talily (Tandroy
- Osiky (Sakalava
- Isa (Betsileo
- Fampanononana (Merina
- Tapatono (Merina
- Rasavôlana (Betsimisaraka
- Sokela (Betsileo
Ireo karazan’ny literatiora an-tsoratra
- Tononkalo
- Sombin-tantara
- Tantara foronina
- Tantara tsangana
- Lahatsoratra famotopotoran-kevitra
o Lahatsoratra manoritsoritra
o Lahatsoratra manazava hevitra
o Lahatsoratra mandresy lahatra
- Tantara fandre amin’ny onjam-peo