Généralités
NY TANTARA TSANGANA :
na tantara an-tsehatra na tantara an-dapihazo
1. Famaritana:
Tantara natao hohainoina sy hojerena ny tantara an-tsehatra na ny tantara fanao an-dapihazo na ny tantara tsangana, izany hoe, lalaovina eny ambony sehatra; manamarika izany ny fisian’ny mpandray anjara maro, manavaka azy ihany koa ny hira sy mozika izay hita eny anelanelan’ny tantara.
2. Fizarana:
Misy telo lehibe ny fizarana ary mizara amina seho maromaro ny Fizarana tsirairay. Fiovan’ny sehatra no atao hoe “seho”
· Fizarana voalohany
· Fizarana faharoa
· Fizarana fahatelo
3. Mampiavaka azy:
Misy ny:
· Mpandrindra an-tsehatra
· Mpandray anjara fototra,
· Mpandray anjara mpanampy,
· Haingon-tsehatra
· Ny hira sy mozika
4. Ohatra:
Sangy mahery _ Rodlish (Arthur RAZAKARIVONY)
Zefina sy Armand _ RAJAONAH Tselatra