Allgemeines
NY ASA
1. Famaritana
- Fomba fampihetsehana ny vatana sy ny saina amam-panahy ka mandreraka azy nefa ahazoana vokatra ny asa.
- Raharaha na zavatra atao isan’andro mba hahazoam-bola na valin-kasasarana, hamelomana ny tena sy ny ankohonana ary hanaovana adidy.
2. Ireo sokajin’asa
Maro dia maro tokoa ny karazana asa azo atao. Tsy ary ho voatanisa eto avokoa izany fa azo sokajina izany arakaraka ny toerana anaovana azy sy ny zavatra takina amin’ny fanatanterahana azy.
Sokajin’asa araka ny zavatra takiana amin’ny fanatontosana azy sy ny toerana anaovana azy:
· Asa mitaky herin-tsaina: Amin’ny ankapobeny dia ny saina no miasa betsaka mihoatra ny vatana. Asa mampihetsika sy mandreraka ny saina bebe kokoa noho ny vatana Izany hoe ampiasana ny saina hianatra alohan’ny hanaovana azy. Fahita betsaka an-drenivohitra toy ny mpiasa birao, mpampianatra, mpitsabo, …
· Asa mitaky herim-batana: Mila herim-batana tokoa izy ity, asa mampihetsika sy mandreraka bebe kokoa ny vatana noho ny saina, izany hoe olona matanjaka sy tanora mbola ao anaty herim-batana no manao azy. Asa hita matetika sy betsaka eny ambanivohitra ary foto-piveloman’ny Malagasy toy ny fambolena sy fiompiana ary fanjonoana, …
· Asa mitaky herim-batana sy herin-tsaina miaraka: Mitaky herim-batana izy ity kanefa mila herin-tsaina ihany koa no sady mila fafaiza-manao na talenta. Tsy afa-misaraka ny vatana sy ny saina amam-panahy rehefa miasa ny olona iray. Tsy ara-dalana ary mandringa no mety ho ratsy ny vokatra azo raha banga ny iray amin’ireo, toy ny varotra, asa tanana: tenona, rary, zaitra, taovolo, rafitra, …
3. Ny antony iasana
Tsy maintsy miasa ny olona satria adidy sy andraikitra ary fivelomana ny asa.
4. Ny voka-tsoa avy amin’ny asa
Miteraka soa avokoa ny asa rehetra toy ny vola, fahasalamana, fahafinaretana, fiadanana, voninahitra, tanjaka, arakaraka ny asa atao.
5. Ny toetra tokony hananan’ny mpiasa mba hahazoana vokatra tsara:
- Finiavana
- fahendrena
- Fitiavana
- Fahaizana sy fahalalana
- Fananana herim-po sy fikirizana ary fanantenana
- Fahazotoana
- Fananana fitaovana sy fahafolahana izany
6. Ohabolana sy oha-pitenenana
- “Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto.”
- “Ny asa atao an-kira toa vita tsy natao.”
- “Zararao ny raharaha: ny tapa-tanana miandry ondry, ny tapa-tongotra mitoto vary.”
- “Ny valala tsy azo raha tsy handriana ilika.”
- “Vavolombelon’ny mpiasa ny bainga.”
- “Asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana.”
- “Samy zanaky ny mpanefy ka tsy mifampidera taim-by.”
- “Mindram-pangady lohataona ka maniraka ny tompony hiasa”
- “Mipetra-potsiny ohatra ny lamban’ny mpiasa”
- “Milaza ho be raharaha ka ny voly vary indray no tsy efa”
- “Izay miaraka amin’ny mpiasa dia mpiasa”
- “Ganagana mitety asa, ny hanina tsy azo, ny tratra mangana”
- “Androngo anaty asa, ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka”