Allgemeines
NY FIFANAJANA
1 Famaritana:
Fifamaliana asa ataon’ny olona roa momba ny fametrahana ny hasina sy fahamendrehan’ny olona iray ny atao hoe “fifanajana”. Tsy afa-misaraka amin’izany ny fahalalam-pomba sy ny fitandroana ny aina.
2 Ireo sehatra anehoana ny fifanajana
Tokony anehoana fifanajana ny toerana rehetra:
· Ao an-trano: mifanaja ny mpivady, ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny zanaka samy zanaka
· Any amin’ny toeram-piasana: mifanaja ny mpiasa sy ny mpampiasa ary ny samy mpiasa
· Aty an-tsekoly: ny samy mpanabe, ny mapanabe sy ny mpianatra; ny samy mpianatra
· Ao amin’ny toeram-pitsaboana: ny mpitsabo sy ny marary ary ny mpiandry marary
· Any anaty fiara fitateram-bahoaka: tokony hifanaja ny mpitatitra sy ny mpandeha ary ny samy mpandeha, omena toerana ny raiamandreny na ny vehivavy bevohoka ary ny mitaiza kely
· Any an-dalana: manao ombay lalana rehefa handalo raiamandreny, mitondra ny entana entin’ny zokiolona, manao azafady raha mandona olona,…
3 Ny fanajana ny tontolo iainana
· Tokony hohajaina koa ny zava-manana aina rehetra sy ny tontolo iainana ankoatra ny olona samy olona.
· Hajaina ny fahadiovana: atao amin’ny toerana iray ny fako, manao lava-piringa…
· Kolokoloina ny tontolo iainana: mamboly hazo, tsy mandoro tanety na ala.
· Hajaina ny harem-pirenena toy ny lalana, tranom-panjakana,...
4 Tombontsoan’ny fifanajana
- Milamina ny fiarahamonina
- Mahavokatra ny Firenena
- Mandroso ny Firenena
- Miteraka ny fanajan’ny hafa ihany koa
5 Endrika anehoana ny fifanajana
Maro ny endrika anehoana ny fifanajana fa azo fintinina amin’ny teny hoe fahalalam-pomba:
- Manao ombay lalana raha hialoha olona
- Manao azafady raha misy fahadisoana
- Mikendry ny tsy hanafitohina ny hafa
- Manaja ny maha izy azy ny hafa sy ny maha olona
6 Ohabolana momba ny fifanajana
- “Izay hajaina tsy ho andriana, ary izay manaja tsy ho andevo”
- “Aza mitsako alohan’ny vazana”
- “Aza manao rano dikain’ny Zinga”
- “Arahabao ny mpandalo fa tsy fantatra izay ho fara-rafozana”
- “Akoholahy mikohokoho akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana”
- “Mananjoky afak’olan-teny, manan-jandry afak’olan’entana”