Allgemeines
NY MPAMARI-TOETRA
- Bikana sy tsara tarehy i Kemba.
EM (milaza bika aman’endrika)
- Pelika ny tovovavy sakan-jaza
EM (milaza fihetsika)
- Afa-panadinana ny mazoto.
L (milaza toetra)
ðTeny entina ilazana toetra, bika aman’endrika, fihetsika, ...
ð Teny afaka mitana anjara asa fototra
1. Famaritana
Ny atao hoe mpamari-toetra dia teny milaza endrika amam-bika, fihetsika, toetran’olona na biby na zavatra ka afaka mitana anjara asa fototra (EM, L) sy fameno no sady tsy afa-miaraka amin’ny mpisolo tena tampisaka.
2. Ny karazany
Misy karazany roa ny mpamari-toetra amin’ny ankapobeny:
2.1 Mpamari-toetra foto-teny
Tsy azo rasaina intsony.
Oh : kely, faly, fohy, …
Indraindray izy dia miverin-droa
Oh: lavalava, menamena, lavidavitra, …
2.2 Mpamari-toetra sampanteny
Amin’ny maha sampan-teny azy dia ahitana ireo karazana tsirin-teny efatra ihany koa amin’ny mpamari-toetra :
· Mpamari-toetra aman-tovona
Tsy mba tahaka ny matoanteny izay ahitana tovona mivaky ny mpamari-toetra, fa tovona tsy mivaky avokoa na dia azo ampanarahina ny fifanovan’ny fotoana aza ny renifeo voalohany eo aminy.
Ohatra : Madio : ma-dio
Mahafinaritra : maha -finaritra
Indraindray anefa dia misy ny tovona tsy manaraka ny fifanovan’ny fotoana
Ohatra : Kahihitra : ka - hihitra
Farofy : fa - rofy
Ohatra tovona : sa-, ta-, bo-, to-, va-, ka-, do-, fa-, …
· Mpamari-toetra aman-tovana
Tahaka ny matoanteny dia azo tovana -ina na -ana ihany koa ny mpamari-toetra.
Ohatra :
voloina : volo - ina
nofosana : nofo - s- ana
vavana : vava – ana
· Mpamari-toetra aman-tsofoka
Tsy mba misy tsofoka manatevina tovona mivaky amin’ny mpamari-toetra, fa saika manatevina fototeny avokoa satria tsy misy tovona mivaky ny mpamari-toetra. Ny tsofoka dia manamafy ny hevitry ny mpamari-toetra.
Ohatra :
talesaka : t - al -esaka
bilitika : b - il - itika
solanga : s - ol - anga
sinaritra : f - in - aritra
· Mpamari-toetra aman-tsirin-teny sara-droa
« -ina » mandrakariva ny tapany faharoa ary tsy mba vakiny tsy miova kosa ny tapany voalohany fa tena tovona tsy mivaky.
Ohatra:
Kitratraina : ki – tratra – ina
Kaozatina : ka – ozatr(a) – ina
Karakaina: ka - (ha)raka - ina